Syria: Afaho i Razan Ghazzawi

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Saribe iray hoe Free Razan (Afaho i Razan) navoakan'ireo mpanohana vantany vao niparitaka ny vaovao momba ny fisamborana azy

Nosamborin'ny manampahefana Siriana tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Syria androany (Alahady 04 Novambra2011) ilay bilaogera Razan Ghazzawi. Teny an-dàlana hanatrika ny atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny tontolo Arabo izay hatao ao Amman i Ghazzawi no izao voasambotra izao. Niteraka fanakianana sy hatezerana avy amin'ireo bilaogera sy mafàna fo maro manerana ny tany ny fisamborana azy, izay mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro.

 

Ghazzawi dia vehivavy Siriana, bilaogera, teraka tany Etazonia ary mpampiasa fatratra  ny Twitter, izay efa nandray anjara teto amin'ny Global Voices Online sy ny Global Voices Advocacy. Izy koa dia iray amin'ireo bilaogera vitsy, namana ao Syria, manoratra amin'ny tena anarany, miaro n y zon'ireo bilaogera sy mafàna fo nosamborin'ny fitondràna Siriana, hatramin'ny zon'ireo olona mitovy nefa mifanambady sy ireo olona vitsy an'isa.

Ny lahatsorany farany, tamin'ny 1 Desambra, dia nakalaza ny fahafahan'ilay bilaogera Siriana, Hussein Ghrer, izay notanan'ny fitondràna Siriana nandritra ny 37 andro. Hoy izy:

Hody an-trano androany alina i Hussein, ka hamihina mafy am-bdiny sy tsy hamela intsony ireo zanany roalahy tsy foiny. Hizotra tsara ny zavatra rehetra, ary tsy ho ela dia ho toy ny lasa rehetra izany avy eo.

Ilay zava-mandatsa mahazo azy dia tsy very tamin'ireo mpiondana aterineto, izay nampaneno avy hatrany ny lakolosy fanairana teny anivon'ireo sehatra fampahalalam-baovao sosialy taorian'ny fisamborana azy.

Ilay Siriana Razan Saffour nibitsika hoa:

@RazanSpeaks: Nahazatra an'i Razan Ghazzawi ny manao fanairana mikasika ireo voafonja, manoratra momba azy ireny sy manohana azy. Ankehitriny dia lasa isan'ny iray amin'izy ireny izy. #FreeRazan #Syria

ary nampiany hoe:

@RazanSpeaks: Miaraka aminao amin'ny eritreritra sy ny fo manontolo ry @RedRazan. Iray amin'ireo olona feno fahasahiana fantatro tamin'ny alalan'ny twitter. #FreeRazan #Syria

Ilay mpiray tanindrazana Siriana, Sasa, dia nanamarika hoe :

@syrianews: Saiky ny bitsika tsirairay ao anatin'ireo arahako no misy ny hoe #FreeRazan amin'izao fotoana. Mba henonanreo ve izahay ry polisy Siriana? #FREERAZAN

Ary ilay Siriana mpiara-miasa amin'ny Global Voices,  Anas Qtiesh mampahatsiahy hoe:

@anasqtiesh: Razan no nampiditra ahy tamin'ny tontolo mahafinaritry ny fianakaviambe @globalvoices ary izy no anton'ny nirotsahako ho toy ny mpanoratra sy mpandika. #FreeRazan

Ilay Siriana, Shakeen Al Jabri, mikaika ny Ligy Arabo:

@LeShaque: Eh, ry Ligy Arabo. Mba ahoana ny fandehan'ny tetikady tsy mitondra mankaizanareo? Mbola mino foana ve fa hanavao i Bashar? #Syria #FreeRazan

Raha mitsetra kosa i Chanad Bahraini :

@chanadbh: .@RedRazan, @alaa sy @abdulemam dia samy tany amin'ilay fihaonambe voalohan'ireo bilaogera Arabo tany Libanona tamin'ny 2008. Amin'izao fotoana dia na any am-ponja ry zareo, na miafina #FreeRazan

Ilay bilaogera Ejiptiana ela nihetezana, Alaa Abdel Fattah dia voatazona am-ponja any Ejipta noho ny famoronana fiampangana azy ary ilay bilaogera Barhaini  Ali Abdulemam dia nisafidy ny hiafina any Bahrain, izay iatrehany ihany koa fiampangana mifandray amin'ny hafanam-pony amin'ny fanoratana anaty bilaogy. Izy roa dia samy ao anatin'ireo bilaogera mpisava làlanba any amin'ny firenen'izy ireo avy.

Mandritra izany, ireo namana mahatokiny dia miezaka mitantana ny kaonty Twitter sy Gmail-ny, hatramin'ny bilaoginy. Ny pejy Facebook-ny koa dia naaton'ireo namany aloha.

Bitsika iray vao haingana tao amin'ny kaontiny no mivaky hoe:

@RedRazan: Razan dia tsy mitantana intsony ny kanotiny ao amin'ny twitter aloha, izahay, namany sy mpanohana azy no manao izany ! #FreeRazan

Ho an'ireo fanehoan-kevitra maro momba ny nisamborana an'i Ghazzawi, iangaviana ianareo hikaroka ny tenifototra #FreeRazan ao amin'ny Twitter. Pejy Facebook iray [ar] ihany koa no noforonina, mangataka ny hamotsorana azy.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

4 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.