07 Jolay 2011

Tantara tamin'ny 07 Jolay 2011

Malezia: Fandrarana famoriam-bahoaka mitady fifidianana madio

  07 Jolay 2011

Averina indray ny famoriam-bahoaka lehibe  Bersih tao Malezia tamin'ny taona 2007. Bersih (Vondrona ho an'ny fifidianana marina sy madio), ONG mpitolona maleziana, no mikarakara ny Bersih 2.0, izay fantatra fa atao amin'ny 9 jolay 2011, ka hisy ny filaharambe ataon'ireo mpiaro ny fifidianana madio manerana an'i Kuala Lumpur alohan'ny hanomezana...

Kioba: Fihaonana Voalohan'Ireo Mpampiasa Twitter, Nahafinaritra Loatra Tao Havana

  07 Jolay 2011

Ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Twitter dia nankalazaina ny 1 jolay tamin’ny 4 ora folakandro tao amin’ny distrika faha 23 sy ny faha12-n’i Vedado ary tao Pabellón Cuba. Olona 100 eo ho eo no tonga nanafàna an’ity hetsika ity, tanora mpianatra ho mpanao gazety ny ankamaroany , mpandraharaha, mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mpanao gazety maro sy mpitoraka bilaogy, ankoatr'ireo maro hafa. Mandinika lalina sy manadihady ity hetsika miavaka ity ireo mponin'ny aterineto.