Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

07 Mey 2011

Tantara tamin'ny 07 Mey 2011

Koety: Mandresy indray ny praiministra

Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra i Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah noho izy voatendry ho praiministra fanimpitony tanatin'ny dimy taona teo amin'io toerana io. Miteny ny mpitoraka bilaogy Koetiana, miresaka hoe fa maninona no mila praiministra vaovao izy ireo hanimba ny fireneny.

Tontolo Arabo: Fanontaniana ary Fiafaran'ny tantara Taorian'ny Fahafatesan'i Bin Laden

Maty novonoina tamin'ny fanafihan'ny CIA nataon'ny Amerikana tao Abbottage ao Pakistan ilay mpampihorohoro Oussama bin Laden  omaly. Mpiserasera manerana ny tontolo Arabo no nilaza ny heviny manoloana izany vaovao izany. Tao amin'ny Twitter, nirongatra nandritra ny tontolo andro ireo fihetsehampo, ny sasany falifaly amin'ny fahafatesany, ary ny hafa  kosa malahelo ny...

Siokantsera Momba an'i Bin Laden: Nanjary Olotsotra Mpitati-baovao ny Mpanao Gazety Amerikana?

Raha niparitaka ny vaovao mikasika ny nahafatesan'i Osama bin Laden ny 2 May 2011 lasa teo, nisikoantsera sy nampiasa valantserasera tahaka ireo olon-tsotra ihany koa ireo mpanao gazety tao Etazonia mba hilazalaza ny heviny sy izay  hitany teny an-dàlana na koa teny an-habakabaka. Manamarika ny fahasamihafana mahaliana izany raha notaterina ny...