12 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 12 Marsa 2011

Yemen: Mpanao Fihetsiketsehana Marefo Amin'ny Fanafihana Feno Herisetra

Mitohy miditra amin'ny herinandro faha efatra ankehitriny ireo mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fametraham-pialàn'ny Filoha Ali Abdullah Salehm ao Yemen.Saleh dia niantso ny hery ara-politika rehetra hifampidinika. Nolavin'ny mpanohitra ny fanasàna. Mandritra izany fotoana izany, nitohy ny fanafihana ataon'ireo herim-pamoretana sy mpandàla an'i Saleh an'ireo mpanao hetsika ampilaminana.

Japana: Mamely ny morontsiraka ny tsunami, tsy mamela mahazo

  12 Marsa 2011

Manaraka ilay horohorontany goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity, voakapoky ny tsunami mahery indrindra tany aminy indray i Japana. Miraikitra eo amin'ny Fahitalavitra ny vahoaka eraky ny firenena satria mandeha amin'ny vaovao ilay tsunami mihoatra ny 7 metatra izay mamafa ireo fiara sy ireo tranobe tojo ny zotrany.