Tantara tamin'ny 01 Marsa 2011
Iran: Mpitoraka Bilaogy Iray Nivavaka Mba Hahita Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Ho Voadaroka
Taorian'ireo hetsika maro nihanaka tany Iran tamin'ny 14 Febroary, nofenoin'ireo Iraniana mafàna fo an-tserasera taminà lahatsary ny aterineto, ary sary sy bitska avy eny amin'ny fihetsiketsehana. Mandritra izany fotoana izany, misy fomba filaza iray hafa mikasika ny hetsika. Ireo Islamista mpitoraka bilaogy sy mpomba ny governemanta koa dia niroborobo rehefa tonga ny fotoana hizaràn'izy ireo ny fonba fiheviny teo amin'ny aterineto.
Meksika: Raharaha fakàna an-keriny niantraika tamin'ny fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Frantsa.
Meksika sy Frantsa dia manana olana lehibe ara-pifandraisana diplaomatika noho ny fanamelohana ny fakana an-keriny natao-na teratany Frantsay tao Meksika. Florence Cassez no anarany, ary voasambotra tamin'ny taona 2006 izy, nampangaina...
Libya: “Ny fahafahana no zavatra tokana irinay
Ity lahatsoratra ity dia fanadihadiana manokana mikasika ny Fihetsiketsaham-bahoaka tao Lybia taona 2011. Ny Alahady 27 febroary, andro hafa indray nisiana rà mandriaka tao Libya, toy ny fihetsiketseham-panoherana an'i Kolonely Muammar...
Bahrain: Mibahana ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena ny fihetsiketsehana
Nobahanan'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana io alatsinainy maraina io Lapan'ny Filakevi-pirenena izay toerana ivorian'ny Parlemanta sy ny Filankevitra Shura (Consultative) isan-kerinandro. Ny anton'ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny Antenimieram-pirenena moa dia ny handravana ny rafitra "roa loha" ankoatra ny fitakiana hafa ataon'ny mpanao fihetsiketsehana toy ny Lalampanorenana vaovao sy ny fanonganana ny fitondrana.