20 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 20 Febroary 2011

Iran: Martioran'iza izy ?

Samy niady an'i Saleh Jaleh ho martiorany na ny Iraniana mpanohana ny fitondrana na ny hery mpanohitra. Maty voatifitra basy izy tamin'ny 14 Febroary fony ny mpanohitra nanao fihetsiketsehana tany Tehran sy tany amin'ny tanàna maro hafa.

20 Febroary 2011

Bahrain: Andron'ny Fahatezerana Faharoa

Tonga amin'ny andro faharoa izao ny fanoherana misarona fahatezerana any Bahrain. Mpanohitra roa no maty teo ampelatanan'ny mpitandro filaminana noho ny fampiasana hery tafahoatra. Ireto misy fihetseham-po sasany ao amin'ny Twitter tamin'io andro io

20 Febroary 2011

Tanzania: Maneho hevitra momba ny fipoahana baomba tany amin'ny toby miaramila ny mpampiasa aterineto

Olona 30 fara-fahakeliny no maty tamin'ny fipoahana baomba maromaro taorian'ny loza tamin'ny Alakamisy vao mangiran-dratsy tany amin'ny toby miaramilan'ny Gongo la Mboto any Dar es Salaam, Tanzania. 22 fara-fahakeliny ny olona maty tamin'ny 2009 taorian'ny fipoahana baomba mahatsiravina tany amin'ny toerana fametrahana ny fitaovam-piadiana tany amin'ny toby miaramila any Mbagala any Dar es Salaam. Ity dia fanatsongàna fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny blaogy sy twitter.

20 Febroary 2011