Bahrain: Andron'ny Fahatezerana Faharoa

Ampahany amin'ny tatitra manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Tonga amin'ny andro faharoa izao ny fanoherana misarona fahatezerana any Bahrain. Mpanohitra roa no maty teo ampelatanan'ny mpitandro filaminana noho ny fampiasana hery tafahoatra.

Ireto misy fihetseham-po sasany ao amin'ny Twitter tamin'io andro io:

@alibinkhalid: “@mkalkhalifa:  BTV manaitra… misy fahana mivantana ihany nony ela… tonga soa amin'ny taon-jato faha-21” marina!

@JustAmira: Mampiseho MIVANTANA rond-point Pearl ny TV Bahrain #feb14 http://yfrog.com/h288kwoj

@JustAmira: Satria efa nampiseho hetsi-panoherana ny rond-point Pearl ny BT, afaka mampiseho ireo lahatsary mampahatahotra antsika ao amin'ny Televisionam-panjakana tahaka izany ve izy ireo? #Feb14 #Bahrain

@Ali_Fareed: Mampiantrano adihevitra mivantana mikasika ireo fanoherana tato ato ny BTV eo anoloan'izay. Isan'ny fivoarana tsara eo amin'ny fandaharany #Bahrain #Feb14

@chanadbh: Niteny indrinbdra mikasika ny hetsi-panoherana any Bahrain ny mpanao gazety iray tao anatin'ny fanontaniana napetrany ho an'ny Filoha Obama tamin'ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety! #Feb14

@iLandBahrain: Nanambara ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Atitany tao amin'ny #Bahrain TV fa roa no maty ary mbola mitohy ny fanadihadiana. Amin'izao fotoana izao dia toa mba nandinika tsara noho ireo vahiny hafa nasaina tao amin'ny BTV izy

@YousefMunayyer:  #Bahrain TV: Marina fa manana ahiahy ny vahoaka, kanefa tsy iray ao anatin'izany ny maha to teny ny fitondrana. #feb14

@monaeltahawy: hjetsi-panoherana 4 no indray arahanay: topazo maso ireo tenifototra! #Algeria #Bahrain ary koa #Feb14 #Yemen #Iran ary koa #25Bahman

@MZ5aaan: Sarin'ny hetsi-panoherana ao amin'ny  fihodinan'i Peral avy eny ambony sidina y Pearl amin'ny fihetsiketsehana hita avy eny amin'ny habakabaka #Bahrain #feb14 http://twitpic.com/404m09

@emile_hokayem: Nandeha nohdoina kely tany Manama Sanabis Budeiya sy ny sisa aho. Mpitandro filaminana marobe sy manana endrika mahery setra no miparitaka any. Tokony mampitony ny mpitandro filaminana fa tsy mampitahotra

@ian_black: Tsy mampiseho ny dia-tanan'i Iran tao anatin'io fikorontanana io mihitsy ireo telegraman'ny WikiLeak shttp://gu.com/p/2n5nh/tf

@bintbattuta: Manantena aho fa ny dikan'izany dia tsy hisy intsony  hanontany ahy indray ny toerana misy an'i #Bahrain . #feb14

@nezarradhi: Resaka be #Bahrain aty amin'ny Twitteran'i Kanada!

@mohdalwardi: #Bahrain #Feb14 بدون تعليق! | Tsy misy resaka! http://plixi.com/p/77618454

@reemkhalifa17: lasa Tahrir-n'i Bahrain ny Pearl sq. Nanomboka fanovàna i Bahrain ary ankehitriny dia manangana tranolay, sy ny sisa izy ireo. Hatory anatin'izany ireo Bahraini sq #Bahrain #Feb14

@angryarabiya: Nitondra kidoro ho an'ireo mpanao hetsika ry zareo #bahrain #feb14

@SayedMohDarwish: Mankany amin'ny fihodinan'i Lulu — Misakafo miaraka amin'ny vadiko #Bahrain #Feb14

@maryamalkhawaja: Vao avy namarana ny resadresaka niarahana tamin'i #aljazeera sy #channel4 london. Manome sakafo ny vahoaka, manamboatra ny tranolay, ary manadio #lulu #feb14 #bahrain

@Yousef_Slais: Tsy mazava ireo fitakiana, Iangaviana ianao Hanazava azy ireny ho an'ny Rehetra raha Te-hahita Olona Maro Hanatrika #feb14 #bahrain #luluroundabout

@SaraMahmood8: Tao amin'ny fanambaran'i Ebrahim shareef:”tokony hiombona amina hiaka sy fitakiana mitovy” #lulu #bahrain #feb14

@RamiJamal: Ireo izya tia sy mangataka fitokonana faobe dia mangataka anareo aho mba hampiasa ny fomba iombonana. #Bahrain #Feb14 #LuluRoundabout

Ampahany amin'ny tatitra manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.