Tantara tamin'ny 17 Janoary 2011
Thailandy: Miverina indray ireo mpanohitra miakanjo mena
Ireo mpanohitra ny fitondrana miakanjo mena any Thailand no nanetsika ireo mpikambana ao aminy an'arivony tao afovoan'ny Bangkok hanohy ny fitakiany ho amin'ny fanovana demokratika any an-toerana. Milaza ny mpitandro ny filaminana fa nahazo olona 30 000 ny fihetsiketsehana fa ireo mpikarakara kosa milaza fa 60 000 no nidina an-dalam-be. Ity...
Zeorzia: Polisy noroahina taorian'ny nahafantarana azy tamin'ny Facebook
Taorian'ny hery tafaohatra nataon'ny polisy hanimbana ny fihetsiketsehana tany Tbilisi, Zeorzia, maro ny mpampiasa Facebook no nampiasa ny tranonkala hamantarana ireo tompon'andraikitra.
Japana: Famporisihana ny olona hanadino ny nofinofiny
Ahoana tokoa moa raha ohatra ka misy olona manontany soso-kevitra aminao mikasika ny lalana izorany hanatratrarany ny nofinofiny nefa tsapanao fa tsy tsara ho azy ireo izany? Inona ny zavatra mety indrindra tokony ho atao?
Liban: manohana ny fanoherana ny “Pinochet Arabo” ny mpitoraka bilaogy
Niray feo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tonizia izay araka ny heno hatreto aloha dia olona 24 no maty ireo mpitoraka bilaogy any Liban. Fanehoana fiaraha-miory sy fanohanana ny tanora avy any Tonizia izay manohitra ny jadona sy ny kolikoly ary ny tsy fahaiza-mitantana ataon'ny filoha Zine el Abidine ben Ali,...