07 Desambra 2010

Tantara tamin'ny 07 Desambra 2010

Hetsika ho fampanginana ny Cablegate sy ny Wikileaks, loza mitatao amin'i Assange

GV Mpisolovava  07 Desambra 2010

Tandindonin-doza i Julian Assange, mpanangana ny Wikileaks ary iharan'ny fanenjehana ny tetikasany Wikileaks. Herinandro taorian'ny namoahana ireo antontan-kevitra marobe nokilasiana ho tsiambaratelo, antsoina hoe CableGate, hatramin'ireo mpanao politika àvy no nilaza ny fanirian-dry zareo “hihaza azy” sy hahita azy “maty“. Manja ery ny famintinana ireo fanehoan-kevitra nataon'ny OpenDemocracy: Araka ny...

Colombia: Tondradrano ao Riosucio, Chocó

  07 Desambra 2010

Noresahan'ny fampahalalam-baovao tranainy ny toetrandro ririna tao Colombia teo ary ireo tambajotra sosialy kosa dia niresaka momba ny tondra-drano, ny fihotsahan'ny tany sy ny hazo niongotra hatramin'ny fotony nitranga tany. Ny fampahalalam-baovaom-pirenena dia mitatitra fa 28 amin'ny departemanta 32 ao Colombia no voadona; tao amin'ny Twitter, amin'ny alalan'ny kaontin'ny Territorio Chocoano (@chocoanos), nanaraka ny toe-draharaha sarotra ao amin'ny Departemantan'i Chocó ao avaratra-atsinanan'i Colombia, indrindra indrindra ao amin'ny fari-piadidian'i Riosucio.