Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

24 Oktobra 2010

Tantara tamin'ny 24 Oktobra 2010

Arabia Saodita: Génie any amin'ny fitsaràna

"Teo ambany herin'ny génie (fanahy araka ny famaritana arabo) aho", izany no fialàn-tsiny farany indrindra ho an'ny kolikoly ara-panjakana any Arabie Saoudite. Araka ny gazety Saodiana Okaz [Ar], voampanga ho nanao kolikoly ny mpitsara iray tao Al Madina, nandray tsolotra sy naka mihoatra izay tokony ho izy.

Koety: Herisetran'ny mpitandro filaminana azo horonantsary?

Voarakitra horonantsary ny herisetran'ny mpitandro filaminana manerana ny tany. Indro misy iray avy any Koety izay navoaka tao amin'ny blaogy fanta-daza iray ary nahazo fanehoan-kevitra maro dia maro – ny ankamaroan'izany dia manameloka ilay mpitoraka blaogy noho ny namoahany izany. Mark, avy amin'ny 248am, dia namoaka ity horonantsary manaraka ity: Manoratra...

Filipina: Horonantsarin-dihy malaza

Gadra mandihy. Mpiasa an-trano mandihy. Tompon'andraikitra fiaramanidina mandihy. Dia izao indray mpitaky hetra mandihy. Jereo indray ireo horonantsarin-dihy malaza avy any Filipina.