Arabia Saodita: Génie any amin'ny fitsaràna

“Teo ambany herin'ny génie (fanahy araka ny famaritana arabo) aho”, izany no fialàn-tsiny farany indrindra ho an'ny kolikoly ara-panjakana any Arabie Saoudite. Araka ny gazety Saodiana Okaz [Ar], voampanga ho nanao kolikoly ny mpitsara iray tao Al Madina, nandray tsolotra sy naka mihoatra izay tokony ho izy. Izao no fiarovan-tenany: “Tsy izaho iny, teo ambany herin'ny ‘génie’ aho!” Tsy mahagaga noho izany raha nataon'ny Saodiana mpampiasa aterineto fampihomehezana ity tantara ity. Tsy ela akory dia nanomboka nameno ny fandaharana Twitter antsika ny tenifototra #jinni – izay midika hoe génie amin'ny teny arabo. Ireto ny santionan'ireo fanehoan-kevitra.

Manazava ny antony tsy nanàjany ny jiro telosoratra (feu tricolore) i Ahmad Bagadood:

والله يا عسكري مو أنا إللي قطعت الإشارة. هذا جني! #jinni
Mianiana aho ry sefo fa tsy izaho no tsy nanàja ny jiro telosoratra fa génie!

Mitady ilay génie i Fouad Hassan:

الجني الذي دخل القاضي ماعنده حساب في تويتر نريده في حاله مستعجله ؟ #jinni من يعرف الطريق اليه يقول لنا بسرعه
Mpikambana ato amin'ny Twitter ve ilay génie? Tena misy raharaha maika ilàna azy!

Nanao fanamarihana vitsivitsy momba ity i Khalid na @Mashi9a7 :

للإشتراك في دورة تدريببة من 5 أيام:: مهارات اختيار الجني الكفؤ، المقاعد محدوده #Jinni
Fampiofànana dimy andro: “Ahoana no fomba ahombiazana amin'ny fisamborana génie” misorata anarana dieny izao fa voafetra ny toerana
#jinni مطلوب للعمل: جني لإدارة استثمارات شركة خاصة
Ilaina: génie hiasa ho an'ny orinasa tsy miankina mpampiasa vola

Manolotra sarimihetsika vaovao i Wajd:

#jinni ثمرة أول تعاون جني-سعودي الفيلم السينمائي~ ليلة القبض على جني المدينة-تصنيف الفيلم:خيالأطفالكوميديا
Famokarana Saodiana/Génie voalohany: “Ilay alina nisamborana ilay Génie-n'i Medina” – Karazany: Fianakaviana / Mahagaga / Mahatsikaiky

Ho tohin'izany, namoaka tantara [Ar] i Okaz momba ny lehilahy mpivavaka iray antsoina hoe Fayez Al-Gothami, izay “niresaka” tamin'ilay génie tao amina sehatra iray natrehan'ny mpikambana sasany ao amin'ny polisin'ny fivavahana. Araka i Al-Gothaimi, ny mpitsara Fahad Al-Muhaimeed, dia nitaky azy ny hanomana taratasy nanazava ny antsipiriany rehetra momba ny fanadihadiana sy ny kolikoly sy fisolokiana neken'ilay “génie” ho nataony.

Manamarina ny famborahan'ilay génie i Yaser Alrefai:

عاجل: الجني المتهم يقول للراقي الذي استنطقه بأن هدفه الاساسي ليس المال بل هو لتسليط الضوء على أحوال الجن المحزنة بالسعودية #jinni
Vaovao mafana: niteny tamin'ilay lehilahy niresaka taminy ilay génie fa ny tena tanjona dia tsy ny vola, fa ny hanazavàna ny fomba fitantanana ny fiaraha-monin'ny génie ao amin'ny fanjakàna

Mitetika ny haka tombony amin'ity tranga ity i Shaker AlSufyani:

أنا جالس أفكر أسوي شركة مساهمة لإستقدام الجن وذلك لخدمة البلد في السرقة والإساد اسميها اختصارًا فسادجنكو 😛 #jinni
Mieritreritra ny hanomboka asa fampiasàna génies aho hahazoan'ny firenena tombony amin'ny kolikoly. Hantsoiko hoe “Genierruption” (fipongatry ny génie) izany asa izany

😛

Manamarika amin'ireo krizin'i Jeddah i Essam Al-Zamel:

اطلاق سراح جميع متهمي كارثة جدة بعد ثبوت تلبس الجن فيهم وقت توليهم للمناصب #Jinni
Ny famotsorana ireo olona rehetra tafiditra tamin'ny olàn'i Jeddah, satria ry zareo teo ambanin'ny baikon'ny génie nandritra ny fotoana nandraisany fepetra

Te-hanatsara ny fomba fiasany i wasazib:

يا جماعة أبغى أزبط مديري الجديد….أحد يعرف جني فاضي من هنا و لا من هنا؟ #jinni

O ry le irony e, te-hanatsara ny fifandraisako amin'ny taleko vaovao aho, mety mahafantatra génie manam-potoana ve ianareo?

Mangataka ny handraisana fepetra matotra i Feras Aalam momba ity resaka ity:

#Jinni لابد من وقفة حازمة لمنع الجن من العبث بأمن الوطن
Mila maka toerana matotra isika mba hisorohana ny hanaovan'ny génie kolikoly amin'ny fandriampahaleman'ny firenena

Miresaka momba ny famoahana boky vaovao i Bader (Abu Jehad):

قريبا في جرير حوار مع جني فاسد #Jinni
Tsy ho ela any amin'ny trano fivarotam-boky: Resaka miaraka amin'ny Génie mpanao kolikoly

Avy eo i Okaz [Ar] namoaka tantara milaza fa nandà ny fijoroana vavolombelona ny polisim-pivavahana nandritra ny “fotoana fihainoana ny génie.”

Manoratra i MsSDigitaL:

إذا هيئة الأمر نفت استنطاقها للجني إذا من قام بإستجواب الجني والتحقيق معه.. شكلهم ودو الجني الأن وراء الشمس
Raha mandà tsy naheno ilay génie ny polisim-pivavahana, dia iza izany no naheno? Mino aho fa natao hanjavona ilay génie!

Farany, maneho hevitra i Manal Fahmy:

Mankalaza #halloween amin'ny fomba miavaka ireo Saodana hendry amin'ity taona ity #Jinni

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.