Tantara tamin'ny 09 Oktobra 2010
Shina: Loka Nobel Fandriampahalemana – Liu Xiaobo
Ora vitsivitsy izay dia nanapa-kevitra ny hanolotra ny loka Nobel Fandriampahalemana 2010 ho an'i Liu Xiaobo ny Vaomieran'ny Nobel Norveziana noho ny tolona tsy manao herisetra lavitr'ezaka nataony hisian'ny fampanjakana...
Ejipta: Mamely an'i Eissa, na mamely ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety
Ny tompony vaovao ao amin'ny Al-Dostour - iray amin'ireo gazety tsy miankina malaza ao Ejipta - dia nandroaka an'i Ibrahim Eissa, tonian-dahatsoratra sady mpiara-namorona ny gazety, nanokatra varavarana ho an'ny mpitoraka bilaogy hamelatra ambony latabatra io tranga io sy ny sehatry ny fampahalalam-baovao eo Ejipta.
Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina
Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any...
Tokony handefa tafika any Afghanistan ve i Bengladesy ?
Nanamarika ny mahaizy azy ny Tafik'i Bengaldesy tamin'ny fanomezany tropy ho amin'ireo hetsika maro samihafa ataon'ny Firenena Mikambana hitandroana ny filaminana manerana izao tontolo izao . Na izany aza, nahazo fangatahana tropy hafakely ny firenena vao haingana mba hanatona ny tafik'i OTAN hanampy hiarovana ny Afganistana amin'ny ady ataon'ny Talibana .