Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina

Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ?

Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana .

Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany amin'ity tranga ity ny tranonkala ara-tontolo iainanaGreenfo. Taorian'ny nandinihana indray izay nataon'ny Sampana mpanao famotorana nasionaly mikasika ny tontolo iainana, zava-boahary, sy ny rano (National Inspectorate for Environment, Nature and Water) any Hongrie, nozaraina misasaka ny faritra hanamboarana toeram-piantsonana rahatrizay, ary amin'ny ilany amin'izy ireo ihany sisa no anaovana ny fandinihana. Nilaza ihany koa ny tranonkala fa voaantso ho hadinkadinina ireo mpitarika ny “mpiaro ny honahona” – Márton Sarkadi sy György Kriska – ary noampangaina ho manao fanalam-baraka sy fanaovana tsinontsinona noho ny afisy Auchan tsy misy dikany naseho ao amin'ny tranonkala [HUN] izay nalefa mba hisarihana ny saina amin'ny trangan'ny honahonan'i Dunakeszi izy ireo .

Taty aoriana kely, nisy horonantsary mihetsika tafaporitsaka ary naseho tamin'ny tranonkala maro miaraka amina mpandraharaha izay manomboka manapaka hazo amin'ny faritra izay mbola eo ambany fandinihana, izay milaza fa miasa manaraka ny baikon'ny Auchan izy. Péter Pacsuta, mitoraka bilaogy mitondra ny anarana hoe Pacsker, ihany koa dia mizara [HUN] ny horonantsary eo amin'ny bilaoginy GreenR [HUN], ary nahazo mailaka avy amin'ny orinasa Auchan PR , milaza fa tsy nanomboka ny asa izy ireo ary tsy hanomboka na inona na inona raha tsy efa ofisialy ny fanapahan-kevitra noraisina .

Nanadihady ny sehatra indray ny Inspektera ny Talata teo, ny solontenan'ny Auchan Hongrie , avy amin'ny fari-piadidian’ i Dunakeszi ary ny avy amin'ny Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana no nanatrika ny “fotoana ” [HUN], izay naseho tamin'ny Facebook ihany koa.

sary nahazoan-dalana avy amin'i Simon Molnár avy ao amin'ny lightwalker.aminus3.com

Ny fiantraikany tamin'ny Facebook

Hatrany am-boalohany mihitsy, tena fitaovana iray manan-danja lehibe ho an'ny mponina miaro ny honahona ny Facebook . Misy ny vondrona ho an'ny fanavotana ny honahonan'i Dunakeszi [HUN], ary vondrona iray hafa koa izay miantso ny mponina amin'ny hanilihana ny toeram-pivarotana lehibe [HUN], mampiasa ny sarin'ny hamster [HUN]-n'ny fivarotana Auchan ihany koa izy ireo mba hampangotsoka ny tantara [HUN].

Mafana fo ihany koa ny Auchan Hongrie amin'ny fampielezan-kevitra ao amin'ny Facebook [HUN]: nanomboka nanao pejy izy ireo ho an'ny fahatsapan-tenan'ny mpividy mikasika ny tontolo iainana , izay tratran'ny fandrika sahala amin'ny Nestlé miaraka amin'ny fampielezan-kevitr'i Greenpeace ihany koa.

Niezaka nampiseho [HUN] rohy mankany amin'ny Jin&Jang aloha voalohany i Pacsker mikasika ny pejin'ny hamster fa tsy nahavita. Taty aoriana, nitatitra vaovao mikasika ny tranonkala mikasika ny fahatsapan-tenan'ny mpividy any Auchan izy , ary mizara ny sary azo avy amin'ny fahitalavitra misy ny pejy izay nahazoana tsikera maro avy amin'ny “mpiaro ny honahona” , izay noesorina taty aoriana kely . Hoy i Pacsker nanoratra :

Tsy afaka manao dokam-barotra i Auchan, noho izy antsoina hanome fanazavana , ary ny “marina” – ka noho izany, voasakana ny rindrin'ny pejin'ny Auchan Hongrie ao amin'ny Facebook. Nanomboka atoandro hatramin'ny hariva, nitohy foana ny fandraràna, fa ireo mpampiasa izay tsy afa-po amin'ny politikan'ny tontolo iainan'ny orinasa no eo ary raha tsy nahazoana fangatahana manokana, dia maneho ny tsy fifaliana amina tsikera ao amin'ny lahatsoratr'i Auchan ihany izy ireo . […]

Ny vokatra avy amin'ny mpitoraka bilaogy

Mampiseho [HUN] sady mangataka ny mpamakiny ny mpitoraka bilaogy mba hanoratra ny heviny ao amin'ny rindrin'ny Facebookn'i Auchan:

[…] Te-hanontany fotsiny aho hoe : azo atao daholo ve eto ny zavatra rehetra? Omentsika vola ny fanjakana, ny inspektera, ny manam-pahefana, dia mangina ny olon-drehetra? Iza no mba hanajanona an'izany? ( Ny masoko izao mihitsy no nahita ilay olona nanao ilay zavatra, fa onaona fotsiny io hoy izy, tsy maninona izany … raha tsy vita izany, aiza no ametrahanao ny fiaranao? Aiza izany ny fiara no apetraka rehefa andeha hividy zavatra maro isan-karazany iny ianao? Iza no mba miraharaha fa ny tantsaha Hongroazy no tena voa amin'izy ity? Iza no miraharaha fa ny zafikelin'ny dadabeko izao dia tsy hanana anjara hisotro rano madio intsony na koa hifoka rivotra madio? Mba hitanao ve? 640 HUF [eo ho eo amin'ny. 3.15 dolara amerikana] isan-kilao fotsiny ny fanapahana hazo maina! […]

Nanoratra lahatsoratra [HUN] mikasika ny tombony sy ny lany mikasika an'i Auchan i Pacsker milaza fa ny valiny dia mitovy amin'ny valin'ny fomba fijery karma:

[…] Toy izany no nampiova hevitra an'i Auchan . Na izy miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana amin'izay izy afaka mahazo tombony , na izy tsy miara-miasa, dia na ny tanjony aza tsy ho tratrany , izany hoe voaroaka eo amin'ny firenena izy. Rehefa mihevitra ny olona ho vendrana izy ireo ary mametraka ny fanapahana ny hazo ho vatan-kazo maina mba “hanalana ny honahona sy hanomanana ny faritra”, dia tsy vitan'ny manimba ny zava-boahary ampahibemaso fotsiny izy ireo, fa manimba azy ireo ihany koa . Ny rambony ihany no kaikerin'ny bibilava . Manantena aho fa azon'i Auchan ny maha- zava-dehibe ny karma!”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.