Tantara tamin'ny 23 Jolay 2010
Mitady mihoatra noho ireo teny filamatry ny fifidianana ireo Aostraliana
Telo ambiniroapolo andro katroka taorian'ny nialan'i Kevin Rudd, niantso fifidianana faobe amin'ny 21 Aogositra ny praiministray Julia Gillard, ny "ranga"-ntsika (menaloha). Mitady ventin-javatra tsy ahodina fotsiny amin'ity fampielezan-kevitra ity ny tontolon'ny blaogy Oz .
Ginea: Eo am-piandrasana ny fihodinana faharoa amin'ireo fifidianana lazaina ho feno hosoka
An-dàlana ny fifidianana ho filoham-pirenena hanan-tantara any Ginea raha efa akaiky hivoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana ofisialin'ny fiodinana voalohany . Nalamina ho amin'ny 1 Aogositra ny fihodinana faharoa [fr] noho ny fandinihana ireo lazaina ho hosoka ka nanisahana ny datin'ny 18 Jolay efa voalamina tany amboalohany. Toa milaza ny isam-bato tsy ofisialy tamin'ny fihodinana voalohany fa nanana vintana tsara hirosoana amin'ny fifidianana faharoa i Cellou Dalein Diallo sy i Alpha Condé . Na dia eo aza ireo fametrahana ahiahy maro mikasika ny fisiana hosoka eny an-tsefantsefany eny , ny fihetseham-po taratra amin'ny ankapobeny dia ny fahamaivanana sy ny fahafaham-po fa vita tsy nisy savorovoro ihany nony farany ny fanisam-bato, sy ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ireo mpifidy marobe Tafiditra mavitrika amin'izany ihany koa ny tontolon'ny blaogy Gineana