An-dàlana ny fifidianana ho filoham-pirenena hanan-tantara any Ginea raha efa akaiky hivoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana ofisialin'ny fihodinana voalohany . Nalamina ho amin'ny 1 Aogositra ny fihodinana faharoa [fr] noho ny fandinihana ireo lazaina ho hosoka ka nanisahana ny datin'ny 18 Jolay efa voalamina tany amboalohany. Toa milaza ny isam-bato tsy ofisialy tamin'ny fihodinana voalohany fa nànana vintana tsara hirosoana amin'ny fifidianana faharoa i Cellou Dalein Diallo sy i Alpha Condé .
Na dia eo aza ireo fametrahana ahiahy maro mikasika ny fisiana hosoka eny an-tsefantsefany eny, ny fihetseham-po taratra amin'ny ankapobeny dia ny fahamaivanana sy ny fahafaham-po fa vita tsy nisy savorovoro ihany nony farany ny fanisam-bato, sy ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ireo mpifidy marobe [fr]. Niakatra betsaka ihany koa ny fifanazavan-kevitra tany anaty aterineto mikasika ireo fifidianana. Ireo mpitoraka bilaogy dia nampiseho lohahevitra maro avy amin'ireo fiahiahiana ho nisy hosoka izay nitranga , ireo fandrindran-javatra tam-pilaminana sy ny resaka ara-pirazanana mety nibaiko ny safidin'ny maro tamin'ireo mpifidy.
Nilaza ihany koa ireo manam-pahefana omaly fa namono an-karanany firaisana tsikombakomba hanozongozona ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izy ireo (loharano: Vaovaon'ny VOA sy BBC Afrique [fr] ).
Noresahana lavabe ihany tamin'ny farany tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Gineana ny hosoka, eny fa na dia ny talohan'ny fifidianana fihodinana voalohany aza . Nandefa ny vina ho lisi-pifidianana i Guinee58 izay natao ho an'ireo mpifidy tamin'ny fihodinana voalohany [fr]:
Manome ny manodidina ireo fiahiahiana mikasika ny hosoka sy ireo sasany efa voamarina i Laura Hirahara ao amin'ny Impunity watch:
Nizotra tsara tsy nisy korontana ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana tamin'ny 27 Jolay, izay nahitàna ny 77 isan-jaton'ny mpifidy Gineana voasoratra anarana tonga nandray anjara. Na izany aza, hatramin'ny nilazàn'ny Fitsarana antampony ao Ginea ny valim-pifidianana, maro tamin'ireo kandidà 24 izay tsy tafita tamin'izany fanisàna izany no nanao fitarainana tamin'ny fomba ofisialy mikasika hosoka tamin'ny fifidianana. Nanamafy “ny fisian'ny hosoka maro” ny komitim-pifidianana misahana ny fanadihadiana ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fifidianana, fanampin'ireo fitarainana efa nisy nametraka.
Notaterina tamin'ny aterineto ireo antsipirian'ireo hosoka tamin'ireo tanàna vitsivitsy any Avaratr'i Ginea . Nisy nanao ireto filazàna ahiahy manaraka ireto [fr] tany Faranah sy tany de Siguiri:
A Faranah, le chef du quartier a été surpris en train de voter au Bureau N° 346, avec 75 (Soixante quinze) cartes d’électeurs subtilisées. Ensuite, dans la Commune urbaine de Siguiri, la commission administrative de centralisation des votes n’a pu dépouiller que 2 Bureaux sur 71. Le reste des résultats sont arrivés dans la salle, sans enveloppes sécurisées.
Mitatitra i Siaka Kouyaté ao amin'ny Actu Guinee fa fisamborana roa no notanterahana taorian'ny fiampangana noho ny fanamboarana kara-pifidianana [fr]:
Le commerçant dénommé Diallo Sadakadji et son fils, tous deux coupables d’édition et de distribution de près d’un million de fausses cartes d’électeurs, ont été arrêtés hier, mercredi, 30 juin 2010, à leur domicile à Kaporo, dans la Commune de Ratoma.
Te handeha lavidavitra kokoa noho ireo filazàna fiahiahiana hosoka ny Les Electeurs Testeurs ary manontany tena hoe inona no dikan'ny fihodinana faharoa amin'ny ho avin'i Ginea raha miroso hatrany izy ireo [fr]:
Pour le reste, le repli identitaire ne marchera plus. Il faut des alliances. Et seule l’objectivité pourra guider désormais le choix des autres ethnies en majorité les jeunes à aller vers l’un des deux candidats en liste pour le second tour de la présidentielle.
Miresaka kokoa mikasika ny fifantohana amin'ny resaka ara-poko ho antony iray amin'ny fandatsaham-bato ny Les Electeurs Testeurs ary miaro ny heviny fa diso itàrina/nasiana sira loatra izany tany anaty haino aman-jery ary koa hoe afaka mijery ny lasan'ireo fanindrahindrana ny foko ireo Gineana [fr]:
Contrairement à cette image véhiculée par les medias, celle d’une Guinée où la réconciliation serait utopique, nous avons vu une autre Guinée durant ces campagnes qui s’achèvent. Les populations de la Guinée profonde ont su réservé cette surprise à tous les candidats en se mettant au dessus des clivages ethniques. Mais malheureusement, un incident a troublé cette atmosphère paisible hier. C’est une première et encore une fois c’est l’intérêt national qui a prévalu. La Guinée est et reste une famille.
Ny rivo-piainana tsy nisy herisetra dia fijery noharabaina tongasoa tany amin'ny toerana rehetra izay nahitàna korontana ratsy tamin'ireo taona lasa . Niaiky ireo mpanao gazety fa dingana lehibe izany. Maneho ny heviny amin'ny alalan'ny blaogy Guinea Oye ny mpanao gazety Souleymane Diallo:
“Fahaterahana vaovao, dingana lehibe ho amin'ny fahafahan'i Ginea” ity fifidianana malalaka voalohany nataon'ny firenena ity hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany avy amin'ny Frantsa tamin'ny 1958. ” Hatramin'ny anio dia tsy mbola nisy fifidianana madio teto Ginea. Ity no fotoana voalohany ka tsy nahafantàrana ny anaran'izay ho Filoham-pirenena iray andro mialoha ny fifidianana “
Manantena ny Gineana rehetra fa homen-danja ny faharetana sy ny fahaiza-mandinika rehefa avoaka ireo valin'ny fihodinana voalohany. Olona iray mpandinika ny fifidianana no manome ity fitànana manaraka mikasika ireo fandehan'ny fifidianana ity :
Efa naharitra izy ireo, efa tena tsara toetra tsy nisy hoatr'izany, ary mahatsiaro maivana marina aho satria tsy mbola nisy fifidianana izany mihitsy teto amin'ity firenena ity, ka tsy norambasan'ny governemanta tompom-pahefana. Arak'izany, dia tena tsapa ny dikany fa tena te hiova marina izy ireo ary tena faly amin'izany.