Tantara tamin'ny 21 Desambra 2009
Repoblika Dominikana: Natao veloma farany i Luis “Rahorohoro” Dias
Nanao veloma an'ilay mpitendry sy mpamoron-kira Luis “Rahorohoro” Días [es] ny Repoblika Dominikana, maty vokatry ny areti-po sy olana teo amin'ny voa tany Santo Domingo ny 08 desambra lasa teo...
Sahara Andrefana: Voaroaka i Aminatou Haidar
Aminatou Haidar dia mafana fo lohalaharana amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'i Sahara Andrefana (avy any Maraoka). Ny Zoma 13 Novambra, raha niverina ho any Laayoune (tanàna iray any amin'ny faritr'i Sahara Andrefana), nosamborina izy ary noroahana noho izany. Manangona ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy rehetra i Jillian C..
Ejipta: Ho an'i Djamila Bouhired indray ity
Marary ilay mpitari-tolona Alzeriana Djamila Bouhired, 75 taona, ary nangataka tamin'ny fireneny sy ireo mpiray tanindrazana aminy hanampy azy amin'ny fitsaboana. Nahatezitra ireo mpitoraka bilaogy Ejiptiana izany izay mihevitra azy...
Sarimihetsika 3D Kolombiana mivoaka amin'ny aterineto
Taorian'ny herintaona niasana mafy, dia nahavita sarimihetsika fohy ireo orinasa Kolombianina roa, mitantara ny fitiavana voarara eo amin'ny otrikaretin'ny gripa sy ny sela fotsy ary maniry ny hizara azy maimaim-poana amin'ny izao tontolo izao amin'ny fampisehoana azy voalohany amin'ny aterineto.