Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

05 Septambra 2009

Tantara tamin'ny 05 Septambra 2009

Etazonia: Fihetsiketsehana manohitra ny fanondranana olona

Olana mbola tsy re tsaika matetika ny fanondranana olona any Etazonia satria afenina amin'ny besinimaro (ny momba) izay niharan'izany. Andevozina ho amin'ny asa an-tsokosoko any anaty toeram-piasana miafina tsy manara-dalàna na  any amin'ny toerana fivarotan-tena miafina any. Mazàna dia zaza tsy ampy taona no tena lasibatry ny fikambanan-jiolahy ka aondrana...

Nepal: mandray an-tanana ny olana amin'ny fiovan'ny toetr'andro

Resaka mahoraka any Népal ankehitriny ny olana momba ny fiovan'ny toetr'andro, na dia mampiseho aza ny fanadihadihana fa olona marobe any an-toerana no mosarena vokatry ny haintany miseho matetika, dia loza mitatao ho an-dry zareo koa ny fitsoniky ny ranomandry. Miankina betsaka amin'ny fizahan-tany sy ny fambolena ny lafiny ekonomika...

Tontolo arabo: tonga soa ny ramadan

Volana manana ny lanjany eo amin'ny tetiandron'ny silamo ny volana masin'ny ramadan. Kendrena mandritra ny volana ny mampianatra ny mpino ara-panahy hahatsapa ny fangirifirian'ireo tsy mitovy saranga aminy, ka tsy mihinan-kanina ny silamo amin'io, tsy misotro, tsy mifoka ary tsy manao firaisana ara-nofo ny maraina vao miposaka mandrapilentiky ny masoandro,...

Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy

Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais...