Marsa, 2009

Tantara tamin'ny Marsa, 2009

Guinée-Bissau : Ahiana hitarika tsy filaminana ny fahafatesan'ny Filoha

  05 Marsa 2009

Nisy namono ny alatsinainy 02 martsa vao mangiran-dratsy ny filoham-pirenena any Guinée-Bissau, Joao Bernardo Vieira, novonoin'ny miaramila mpioko raha iny izy nandositra niala ny trano fonenany iny. Nitranga ity vono olona ity ora vitsy taorian'ny nahafatesan'ny fahavalon'ny filoha hatry ny ela, mpitarika ny etamazaoro, ny jeneraly Batista Tagme, ny alin'ny...

Armenia: Herintaona taty aorian’ny ady noho ny fifidianana

  05 Marsa 2009

Anarivony ireo olona tonga teny andalamben’I Yerevana tamin’ny Alahady mba hitondra fahatsiarovana ny disadisa tao aorian’ny fifidianana tamin’ny herintaona lasa teo tao Armenia izay nahafaty olom-pirenena valo sy polisy anankiroa. Satria mbola ao ambadiky ny lalana ireo mpihetsiketsika manohitra, dia noampangaina marindrano ny governemanta tamin’ny andraikitra kely dia kely noraisiny mba ahafahana manao famotorana ho araka ny tokony ho izy ny ady saritaka.

Serbia:arovy amin'ireo mpandray zavamahadomelina ny ankizy

  04 Marsa 2009

Ny vadin'i Jelena fahiny, lehilahy iray miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina, dia tonga tao an-tranony ary nandrahona ny zanany. Nisaraka taminy i Jelena, roa taona lasa izay. Nomen'ny Fitsarana alàlana hahazo mitsidika ny zaza ingahirainy, satria noheverina hanampy ny fitsaboana azy hiala amin'ny fiankinan-doha amin'ny zavamahadomelina izany, nefa kosa tsy mbola nanome...

Oganda: Blogren na literatioram-bolongana

  02 Marsa 2009

Mitombo hatrany ny famahanam-bolongana ataon’ireo mpitoraka blaogy ao Oganda ho toy ny seraseram-pifandraisana ho an’ny haisoratra, sy tontonokalo anterineto, manjary malaza izao ny fanaovan-tantara fohifohy sy ny andian-tantara.

Afrika: Famahanam-bolongana sy fiarahana amin'Andriamanitra

  02 Marsa 2009

Efa elaela ihany izay, kanefa noho ny zava-misy dia tsy niandry ny fiainana hanantona azy izy – afaka tenenina hoe nanampy amin’ny fitazonana ny hadalana ny famahanam-bolongana rehefa nisedra ny kotro-baratry ny zavatra entin’ny fiainana izy. Tao anatin’ny ady sarotra sy tahotra, hehy sy tomany, no nanohizan’ireo vehivavy Afrikana ny fitantarana ny tantaran’izy ireo, ny fifampiazarana ny dian’izy ireo miaraka amin’Andriamanitra. Taonan’ny fivoarana ho an’ny rehetra ny taona 2008. Tohin’ izany ary dia ho taonan’ny fahamatorana ny taona 2009.

Palestina: Mitohy ny fanafihana any Gaza

  01 Marsa 2009

Na dia eo aza ny fanambaràna ny  fampitsaharana samirery ny tifitra nataon'i Israely  sy ny Hamas dia mitohy ihany ny fanafihan'ny miaramila Israelianina any Gaza raha mandritra izany ny sampana Palestiniana kosa  dia manohy mitoraka ‘rôkety’ any Israely.  Ato amin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny vaovao farany avy amin'ireo blaogy...