29 Mey 2008

Tantara tamin'ny 29 Mey 2008

Nanjaka ny herisetra tao Afrika Atsimo

  29 Mey 2008

Na dia efa lasa andro maromaro aza izay ny nampafana ity raharaha ity dia tsara ihany araka ny fiheverako azy ny mamoaka azy etoana. Nanetsiketsika fatratra ny haino aman-jery ary mazava loatra ny… bolongana ihany koa ny ny herisetra faratampony mianjady amin’ny vahiny any Afrika atsimo. Mpibolongana vitsivitsy ary no lasa saina rah amarina tokoa ny filazan’ny governemanta ireny herisetra ireny ho « fankahalana vahiny » (xenophobe, ary misy ny mitsikera ny haino fampahalalam-baovao ho mampirona loatra ity toe-draharaha ity any amin’izay antony nahatonga ny herisetra.

Nikaragoa : Fanaraha-maso akaiky ny tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola madinika”

  29 Mey 2008

Nandritra ny fandaharana “Esta Semana” [Ity herinandro ity] izay fandaharana fampahalalam-baovao maharitra 60 minitra mpandeha amin'ny fahitalavitra any Nikaragoa, nisy tatitra sy fanadihadiana ny mikasika ny fomba fanao manodidina ny Usura Cero (zanabola aotra) izay tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola kely” hoan'ireo vehivavy izay mpandraharaha “madinika”. Naren Mayorga no mamintina ao amin'ny...

Egypta : Fampijaliana azo ekena ihany

  29 Mey 2008

Zendana ny mpiblaogy Egyptiana Mostafa raha nahatsikaritra taorian'ny fanadihadiana notanterahiny anivon'ny mpiray dia ao amin'ny vohikala Facebook, fa misy ireo namany izay mihevitra fa azo ekena ihany ny fampijaliana atao ny olona iray, mba hanongotana an-tery izay tiana ho fantatra mandritra ny fampanoavana azy.

Shina : Fisaonana tao Tiananmen ireo maty sy niharam-boina nohon'ny horohorontany

  29 Mey 2008

hk1183 no manapariaka andiantsary maro nalaina tany amin'ny kianja malalaky Tiananmen, nandritra ny hetsika “3 minitram-pahanginana” ho fisaonana ireo maty sy fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina nohon'ny horohorontany nitranga tany amin'ny faritry Sichuan, izay natao ny 19 May 2008 tany Beijing, any Shina, ary nahitana olona mpandray anjara maro.