· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Ny Fifidianana Filoham-pirenena

  13 Desambra 2018

Notanterahina ny 20 Janoary ny fifidianana filoham-pirenena tao Serbia. Nohamafisin'ny Kaomisionim-pifidianan'ny Repoblika (RIK) fa nandresy ireo mpifaninana sivy hafa i Tomislav Nikolic, mpifaninana avy amin'ny Antoko Radikaly Serba. Nahazo ny 39,4 isan-jaton'ireo vato izy, narahan'i Boris Tadic, filohan'i Serbia amin'izao fotoana sady mpitarika ny Antoko Demokratika, izay nahazo 35,42 isan-jato.

Fampidirana anatin'ny Tolon'ny Bilaogy Somaliana

  13 Desambra 2018

Fehiny voalohany amin'ny bilaogy Somaliana ity, sampana kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana kanefa mitombo hatrany. Araka ny mety efa ho nampoizina dia tanora ny ankamaroan'ireo bilaogera Somaliana, mipetraka ivelan'i Somalia ary manoratra amin'ny teny Anglisy.

Bilaogera an-jatony no nanohana ireo mpianatra nogadraina tany Iran

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanomboka hetsika mba hahatsiarovana sy hisarihana ny saina momba ireo mpianatry ny oniversite marobe nosamborina nandritra ny volana vitsivitsy, anisan'izany ireo mpianatra miisa telo izay mbola any am-ponja ireo vondrona bilaogera Iraniana. Ny hanomezana anarana vaovao ny bilaogy maro...

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Arabisc: Vaovao momba ireo bilaogera Egyptiana nosamborina

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Famintinana fohifohy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Egyptiana sasantsasany amin'ny teny Arabo ity lahatsoratra manaraka ity . Efa roa herinandro mahery no nisamborana an'i Alaa niaraka tamin'ireo bilaogera sy mpikatroka maro hafa. Androany dia hampahafantatra momba ny vaovao tsara nifandraika...