(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Famintinana fohifohy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Egyptiana sasantsasany amin'ny teny Arabo ity lahatsoratra manaraka ity .
Efa roa herinandro mahery no nisamborana an'i Alaa niaraka tamin'ireo bilaogera sy mpikatroka maro hafa. Androany dia hampahafantatra momba ny vaovao tsara nifandraika tamin'ireo bilaogera Egyptiana notanana sasany isika.
Navotsotra ny bilaogera roa …
Malek sy Mohammed ; ireo bilaogera roa nosamborina sy notazonina iray volana lasa nandritra ny hetsi-panoherana am-pilaminana ho fanohanana ireo mpitsara ambony roa, i Mahmoud Mekki sy i Hisham Bastawisi dia navotsotra araka ny hita.
Nitatitra ny bilaogy Gharbeia :
Etsy ankilany, raha niresaka momba ny fanavaozana ara-politika ao Egypta sy ny raharahan'ny mpitsara, nambara ho tsy meloka ny Mpitsara Mekki, nahazo fanamarihana ny Mpitsara Bastawisi saingy mbola mitana ny asany izy. Vokatry ny fitenenana momba ny tsy fahatomombanana tamin'ny fifidianana ny fananganana ny fitsipi-pifehezana .
Araka ny bilaogy Zamakan , toa misy bilaogera sasany mahatsapa ankehitriny fa lainga avokoa sy drafitra nomanina teo amin'ny Governemanta sy ny Mpitsara ny fananganana ny fitsipi-pifehezana sy ny tranga rehetra:
Tsy miombon-kevitra tamin'ireo fanambarana ireo i Zamakan :
Raha hiverenana indray ireo bilaogera notanana, ny ankamaroan'ny bilaogera Egyptiana dia mamoaka ny sorabaventy etsy amin'ny tsanganana ankilan'ny tranonkalany, izay misy ny lisitry ny anaran'ireo voatazona rehetra, anisan'izany ireo bilaogera (anarana miaraka amin'ny kintana). Mivaky toy izao ny sora-baventy :
Ireo taratasy navoakan'ireo gadra no iray tamin'ireo fanamarihana miavaka hafa. Taorian'ny taratasy voalohany nalefan'i Alaa avy any am-ponja, dia nanokana pejy ho an'ireo taratasy ireo ny bilaogy Manalaa. Toy izany koa ny nataon'ny bilaogy Kefaya Heros tamin'ny famoahana taratasy avy amin'ireo gadra maro hafa ankoatra ny vaovao sy ny tononkalo maro ho fanohanana ireo gadra rehetra.
Tsy adino fa anisan'ny ekipan'i Alaa tamin'ireo voafonja i Asma'a, tovovavy bilaogera iray. Namoaka ny endrikendriky ny taratasy avy amin'i Asma'a , Rasha ary Nada ny wa7da_masrya. Nofaritan'izy ireo ny fotoana mampihorohoro tamin'ny fitazonana azy ireo, ny fanadihadiana sy ny fiainana ao anatin'ilay fonja ho an'ny “mpanao heloka bevava”: