Iran: Fampitam-baovao eo ambany famoretana 

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanamafy ny famoretany ny fampitam-baovao Iraniana ny manampahefana Iraniana. Voarara ny 3 Jolay 2007 ny gazety mpanohana ny reformista Ham Mihan (Mpiray tanindrazana).

Naato vonjimaika ihany koa ny masoivohom-baovaon'ny mpiasa iraniana, Ilna, izay nitatitra ny vaovao momba ny fitokonana sy ny korontana tany amin'ireo oniversite ary nametra-pialana ny taleny.

Bilaogera marobe no niresaka momba ny sivana mihatombo ao amin'ny firenena. Mpanao gazety ho an'i Ham Mihan ny sasany ary nizara ny fihetseham-pony.

Maharary, saingy tsy mahagaga

Nalahelo i Jomhour fa ho andro tsy hisy Ham Mihan (rahampitso), gazety matotra, mandefitra ary be herimpo  izay nanakiana ny toeran'ny governemanta. Nohidiana noho ny baikon'ny manampahefana Iraniana izany .

Nanambara ny fikatonan'ireo gazety mitohy ao Iran i Hanif, ary nilaza fa efa zatra mihaino an'ity karazana vaovao ity kanefa mbola gaga ihany raha nandre fa norarana i Ham Mihan.

Nilaza i Ghomaar fa raha misy gazety iray maharitra mihoatra ny herintaona  eto amin'ity firenena ity dia ho gaga ianao. Tsy maharototra ny gazety voarara eto. Nampahatsiahy antsika izy fa eo ambany famoretana ihany koa ny Ilna . Niova ny fitantanana azy ary azo antoka fa hakatona ihany koa izany.

Maryam Sheybani, mpanao gazety iray nanoratra ho an'ny Ham Mihan dia nilaza hoe “tena sarotra tokoa ny manao veloma ity gazetinay ity. Vao in-43 nivoaka izahay – saingy niezaka mafy izahay mba tsy hitovy amin'ny hafa. Nahomby ny nataonay, ary izany no antony tsy naha-zakana anay ary nakatona.

Andao hivarotra sigara

Nilaza i Varesh niaraka tamin'ny fanesoana, fa tsara kokoa raha sigara fotsiny no amidin'ny mpivarotra fa tsy gazety. Tsy hisy olona hanasazy anao hoy izy mba hampifoka sigara olona .

Nilaza i Sanjaghak hoe: nahita ny fomba nanakatonana ny gazety sy ny andro manaraka miaraka amin'ny zava-drehetra ara-dalàna ve ianao. Manontany tena aho hoe nahoana aho no mandalina ny fanaovan-gazety? Raha toa ka mahaliana ahy manokana izany, ENY, saingy tsy afaka hiantehitra amin'izany ho asa maharitra aho.

Namoaka ny sarin'ireo gazety marobe voarara i Mahjad. Nilaza  ity bilaogera ity fa te-hanery ireo mpanao gazety sangany sasany ny governemanta hiala amin'ny fampitam-baovao satria mankahala ny olona mieritreritra sy mampieritreritra ny hafa ny Repoblika Islamika.

Inona no anontanian'ny olona ahy momba an'i Iran?

Nametra ny fidirana amin'ny vaovao malalaka ho an'ny Iraniana ny sivana amin'ny aterineto sy ny sivana. Saingy toa ny ampahany amin'ny sarin'Iran ihany no azon'ny fampitam-baovao Tandrefana. Miezaka manangana tetezana mba hamenoana ity hantsana amin'ny vaovao ity ny bilaogera sasany .

Nilaza ny View from Iran fa ireo fanontaniana voalohany apetraky ny olona aminy any Andrefana rehefa fantatr'izy ireo fa avy any Iran izy dia ny hoe:

Is there a chance there will be political change? – Iran changes all the time. There is change in Iran today! There will be change tomorrow. There was change yesterday. Iran's path is unclear. It's future is unclear. The regime seems to think that the only way to guarantee its survival is by making sure young men and women don't hold hands in public, and that women wear black and men take the gel out of their hair. I am being a bit facetious, but sometimes it really does seem that way to me.

Mety hisy ihany ve ny fanovana ara-politika ? – Miova mandrakariva i Iran. Misy fiovana ao Iran ankehitriny! Hisy fiovana rahampitso. Nisy fiovana omaly. Tsy mazava ny lalan'i Iran. Tsy mbola mazava ny hoaviny. Toa mihevitra ny fitondrana fa ny hany lalana tokana ahafahana miantoka ny fahavelomany dia ny fahazoana antoka fa tsy mifampitantana ampahibemaso ny zatovolahy sy ny zatovovavy , ary miakanjo mainty ny vehivavy ary tsy manao “gel” amin'ny volony ny lehilahy. Somary maneso kely aho, kanefa indraindray dia toa izany no zava-misy amiko.

Ny ankamaroan'ny olona dia tsy mila revolisiona hafa (toa izany no hita) … mila fanovana tsikelikely izy ireo ho amin'ny tsara kokoa, fa tsy ny ratsy kokoa.

Matoky an'i Etazonia ?

Anthony Loewstein dia mpanoratra sady bilaogera izay vao avy nankany Iran mba hijery ny fomba fijerin'ny Iraniana momba ireo olana samihafa. Mamaky isika ao amin'ny bilaoginy hoe:

Their view of Washington and its intentions are uniformly negative – a variety of journalists, editors and bloggers are openly fearful of a US strike on their country’s nuclear facilities. As leading female journalist and blogger Azadeh Akbari told me, “how can we trust anything America says when we see what they’ve done to Iraq and Palestine?”

Ratsy tanteraka ny fiheveran'izy ireo an'i Washington sy ny fikasany – matahotra tanteraka ny amin'ny famelezan'i Etazonia noho ny fametrahana ny fitaovana nokleary ao amin'ny fireneny ny karazana mpanao gazety, toniandahatsoratra sy bilaogera. Amin'ny maha mpanao gazety vehivavy sangany azy sady bilaogera dia nilaza tamiko i Azadeh Akbari hoe, “ahoana moa no ahafahanay matoky izay nolazain'i Amerika rehefa mahita ny nataon'izy ireo tany Iraka sy Palestina izahay?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.