Fampidirana anatin'ny Tolon'ny Bilaogy Somaliana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2008)

Fehiny voalohany amin'ny bilaogy Somaliana ity, sampana kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana kanefa mitombo hatrany. Araka ny mety efa ho nampoizina dia tanora ny ankamaroan'ireo bilaogera Somaliana, mipetraka ivelan'i Somalia ary manoratra amin'ny teny Anglisy.

Mitatitra momba ny famoahana ny Khat (zava-mahadomelina be mpihinana ao Afrika Atsinanana) amin'ny endrika divay kasaina hotanterahina i Royale Somalia:

Miomana hamoaka zavapisotro vaovao ny Etiopiana mpahay siansa iray ho an'ireo izay mitady fiovàna amin'ilay veram-boaloboka mahazatra — “divay” vita avy amin'ny khat.

Ho solon'ireo voaloboka, nanamboatra divay avy amin'ny ravinà khat i Eyasu Haile Selassie, ravina be mpitsakotsako manerana an'i Afrika Atsinanana sy ny faritra Afovoany Atsinanana noho izy mahadomelina.

Mitovy hatsaràna amin'ireo divay vokatra avy amin'ny voaloboka ihany ny divay vita avy amin'ny Khat ary tsara fandraisana teo amin'ireo mpisotro divay,” hoy i Eyasu, izay nilaza fa nandefa tavoahangy andrana 500 ho an'ireo mpanjifa, tamin'ireo mpitatitra.

Kivy amin'ny toedraharaha misy ao Kenya i Kenya Somali, manoratra izy:

Satria tafiala maina i Kenya. Mandà ny fanelanelanana iraisam-pirenena i Kibaki satria meloka amin'ny fanaovana hala-bato nandritra ny fifidianana izy.

Ho porofo fanampiny momba ny tsy firaharahiany ireo fitsinjovana ny fandriampahalemana, nanambara ny antsasaky ny kabinetrany vaovao i Kibaki androany, na dia nomena tolotra hanangana governemanta iraisam-pirenena aza izy teo aloha.

Mitebiteby momba ny toedraharaha ao Kenya hivadika ady an-trano i East African Philosopher, manambara izy fa:

Efa maherin'ny herinandro izay no nanaovana ny fifidianana taty Kenya kanefa mbola mirehitra afo foana izy. Tanatin'ny lahatsoratro teo aloha, nanahy aho fa haharitra fotoana maro kokoa ny herisetra atao amin'ny zazakely tamin'izany fotoana (30 Desambra), na hivadika ho ady an-trano mihitsy aza. Amin'izao fotoana, nivadika ho tena izy ny ampahan'ny ahiahiko – mananontanona ny fanjakan'i Kenya ny adim-poko. Aoka hazava: tsy naminany aho na nanantena ny herisetra hivoatra ho adim-poko feno ary tsy milaza mihitsy aho ankehitriny fa ‘Efa nilaza taminareo aho,’ kanefa ny zavamisy dia manakaiky ny ady an-trano nóho ny hatramin'izay i Kenya amin'izao fotoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.