Alzeria: Fitarainana Napetraka Mahakasika Bilaogera Iray

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2007)

Ny Alarobia 28 Martsa 2007, notorian'ny mpiasam-panjakana alzeriàna iray ny bilaogera, Abdulsalam Baroudi [Arabo], tondroiny ho nanao fanalàna baraka azy tao anaty lahatsoratra iray nalefany tao anatin'ny bilaoginy. Sambany izao no nisy bilaogera nenjehina teny amin'ny fitsaràna noho ny zavatra nosoratany tao amin'io firenena ao Afrika Avaratra io.

Somary gaga ihany i Abdulsalam Baroudi ary nanoratra fa tsy misy atahorany loatra

تلقيت صباح اليوم تبليغا من طرف الأمن الولائي لتلمسان لمثولي يوم السبت أمام الشرطة القضائية على إثر الدعوى القضائية التي رفعها مدير الشؤون الدينية لولاية تلمسان بتهمة القذف بعد المقال الذي نشرته على مدونتي “بلاد تلمسان” يوم 20فيفري 2007 تحت عنوان السيستاني يظهر بتلمسان .وكان مدير الشؤون الدينية قد طلب في وقت لا حق من الوزارة الوصية الترخيص له بمقاضاتي وبذلك تكون هذه الهيئة الدينية قد فتحت أول باب للمتابعة القضائية ضد المدونين في وقت كانت المنظمات الدولية الحقوقية والمهتمة بحرية التعبير قد صنفت الجزائر ضمن الدول التي يتمتع فيها مستعملوا الأنترنيت بحرية واسعة في التدوين خلال تقرير 2006 بينما صنفت 4 دول عربية في خانة البلدان التي تضيق على حرية التعبير في الأنترنيت وهي مصر وتونس وسوريا والسعودية

“Naharay fiantsoana avy amin'ny polisy ao amin'ny faritanin'i Tlemcen aho, mangataka ahy hiseho eo anatrehan'ny tribonaly amin'ny Sabotsy ho avy izao, noho ny fitarainana napetraky ny talen'ny raharaha ara-pivavahana ao Tlemcen, taorian'ny lahatsoratra iray navoakako tao amin'ny bilaogiko ” Ny faritanin'i Tlemcen” tamin'ny 20 Febroary lasa teo, nomeko ny lohateny hoe  «Niseho tao i Tlemcen Al Sistani ». Nangataka ny fahazoandalana tamin'ny Minisitra ity manampahefana iray ity mba ho afaka mametraka fitoriana ahy ary, tamin'ny fanomezana alàlana azy, io minisitra io no nanokatra ny làlana ho an'ireo dingana ara-pitsaràna hanenjehana ireo bilaogera”

“Izao zavatra izao dia mitranga indrindra ao anatin'ny fotoana izay anasokajian'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona an'i Alzeria, ao anatin'ny tatitra 2006 navoakany, ho toy ny firenena iray izay isitrahan'ireo mpisera amin'ny aterineto fahalalahana be tokoa amin'ny fanehoana hevitra anaty bilaogy, raha firenena arabo efatra kosa – Ejipta, Tonizia, Arabia Saodita ary Siria – nokilasiany ho mpamoritra ny fahalalahana maneho hevitra ety anaty aterineto” hoy ny nosoratany.

Nampian'i Baroudi hoe hihaona rahampitso Alakamisy ireo mpanao gazety mba hiresaka momba ity raharaha ity. .

وبالمناسبة أقول إن اللجوء إلى العدالة من طرف الشؤون الدينية لا يخيفنا لأننا ندرك أنه المكان الطبيعي الذي نفتك فيه حقوقنا لكن العيب أن نعتبر انفسنا منزهين عن الأخطاء وفوق كل الشكوك فقد تناولت في الموضوع الذي إعتبر مدير الشؤون الدينية قضية منع الأئمة من التحدث في وسيلة إعلامية هي الإذاعة العمومية ومن العيب أن نمنع الأئمة من الدعوة إلى الله وكان الأجدر ان اتهم بعدم الإساءة للدين فلو أسأت للدين على مدونتي لكانت مديرية الشؤون الدينية تغض الطرف لأن قداسة المسؤولين في الشؤون الدينية أكبر من قداسة الدين على ما يبدو .

“Tsy atahorako ny mandeha miatrika tribonaly satria aho resy lahatra fa toerana iray tsy maintsy aleha hiarovana ny zontsika ny hazomeloka. Ny mety ho ratsy dia ny mety ho fieritreretana fa hoe tsy azo kianina isika. Efa noresahako io lohahevitra io taorian'ny nandraràn'ny Talen'ny raharaha ara-pivavahana  ireo Imams ( minisitry ny finoana miozolmana) tsy ho afaka haneho hevitra amin'ny fampielezampeom-bahoaka (radiom-panjakana). Tsy tsara ny mandràra ireo Imams tsy hitory an'i Allah. Aleoko kokoa aza izaho no toriany ho tsy nanimbazimba ny finoana. Araka izany, tsy mihevitra mihitsy aho hoe ny fitantanana ny raharaha ara-pivavahana no ndeha hanenjika ahy ho nanompa / nanimbazimba ny finoana tao amin'io bilaogy io. Namily ny maso ho amin-javatra hafa ry zareo satria toa masina kokoa noho ny fivavahana ireo olona ao anatin'ilay Fitantanana », hoy izy.

Mandritra izany fotoana izany, toy izay nambàrany, natokan'ilay maraokàna bilaogera, i Mohammed Saeed Hjiouij [Arabo] ny herinandron'ny 25 hatramin'ny 31 Martsa mba hiresahana ireo bilaogy arabo ankafiziny, ary natombony tamin'ny fitetezana ireo bilaogy ankafiziny manokana.

Androany, bilaogera namana roa avy ao Ejipta no asongadiny  – Ahmed [Arabo] sy Amr Gharbeiya [Arabo]

أحمد غربية وعمرو غربية صاحبي مدونتي طي المتصل وحوليات صاحب الأشجار، علeى التوالي، يعتبران من أبرز المدونين المصريين، خاصة عمرو الذي يعتبر من أوائل المدونين العرب على الإطلاق.
عمرو سبق له أن فاز سنة 2005 بجائزة الـ BOBs لأفضل مدونة عربية. وهو يكتب في مواضيع متعددة، وعضو نشط من المجتمع المدني المصري. من آخر مبادراته تأسيس موقع (سيبونا) للاحتجاج على دعوة أحد القضاة المصريين الحكومة المصرية لحجب ومنع بعض المواقع والمدونات.
أحمد غربية لا يقل نشاطه عن نشاط أخيه عمرو. شخصيًا أعتبر مدونة طي المتصل من المدونات العربية النادرة التي تتناسب وفهمي لمفهوم التدوين. نقطة الضعف الوحيدة لدى أحمد هي عدم التحديث الدوري المتواصل للمدونة.

“Ahmed sy Amr Gharbeiya dia samy heverina ho bilaogera tena fantadaza ao Ejipta, indrindra fa i Amr, izay isan'ireo voalohany indrindra nanoratra bilaogy tamin'ny teny arabo. Lohahevitra marobe no rakofany ary mitolona ao anatin'ny fiarahamonina sivily izy. Tamin'ny 2005, azony ny loka ho an'ny Best of the Blogs (BOBs – ny bilaogy tsara indrindra) Ejiptiana. Ny fandraisana andraikitra farany nataony dia ny nanombohana ny tranonkala Sebona, mba hanoherana ilay sosokevitry ny mpitsara ejiptiana hanivana ny sasantsasany amin'ireo bilaogy sy tranonkala. Mendrika hoderaina ihany koa ireo fandraisana andraikitra nataon'i Ahmed Gharbeiya, toy ny an'itsy nàmany ihany. Izaho manokana, ny azy no hitao ho iray amin'ireo bilaogy arabo vitsy mahavaly ny tokony ho endriky ny atao hoe bilaogy. Ny kileman'i Ahmed dia ny tsy fandefasany fanavaozana matetika ao amin'ny bilaoginy”, hoy izy manazava.

Ny tranonkala  Sebona [Arabo] teny iray azo adika ara-bakiteny hoe “Avelao izahay”, dia nosokafana mba hanoherana ny fitoriana iray napetrak'ilay mpitsara ejiptiana, Abdel Fattah Mourad, mba hanivanana bilaogy sy tranonkala miisa 21 ao Ejipta, heveriny ho mampididoza ho an'ny tombontsoan'ny firenena no sady manivaiva ny filoha Hosni Moubarak.

Tafaverina ao Ejipta i Jar Al Qamar [Arabo] , ejiptiana bilaogera iray hafa ihany koa, efa nahazo loka, taorian'ny roa herinandro nivahinianany tany Etazonia, toerana nahazoany vaovao betsaka momba ny nahafatesan'i Anna Nicole Smith sy ny fitsaràna mandeha amin'izao fotoana momba izay hitaiza ny zanany.

عدت الى مصر لاجد ان عبد الكريم سيقضي حتما سنواته الاربع التاليه -وريما اكثر- في سجن ما عقابا له على زرطات تدوينيه .. و ان رئيس محكمة استئناف الاسكندريه السابق يقاضي مدونين آخرين بتهمة اهانة رئيس الجمهوريه ..و ان مالكا قد تم اختطافه في سياره زرقاء .. و ان الامن قد عاد ليقبض على المتظاهرين بعد توقف – المتظاهرين او الامن او كليهما . و ان اكثر من ثلاثين مادة حيوية في دستور البلد تم اقرار تعديلها و تحديد الاستفتاء عليها خلال ايام .. و ان الاي بود الذي فزت به بصفتي صاحب هذه المدونه وصل الى بر مصر بعد خمسة اشهر من اعلان الفوز به , غير انه محتجز في مكتب بريد سيدي بشر بحري حتى التحصل على مبلغ الف و خمسة جنيهات نظير رسوم الجمارك و الارضية و الشحن و اكراميات العمال و خلافه

“Niverina eto Ejipta aho mba hahita hoe any am-ponja i Abdulkareem no handany ny efatra taona hoavy, ary tsy isalasalàna fa mety hihoatra an'izay, ho sazin'ny zavatra nosoratany tao amin'ny bilaoginy. Hoe nametraka fitoriana ilay filoha teo aloha nitantana ny fitsarana mpandrava didy ao Alexandrie mba hanenjehana bilaogera hafa noho izy ireo nanivaiva ny filoha. Hoe nisy fiara miloko manga naka an.kery an'ilay bilaogera, Malek, sy hoe nisambotra indray mpanao fihetsiketsehana ireo mpisahana ny fandriampahalemana, taorian'ny fanapahankevitr'ireo mpanao hetsipanoherana, ny polisy, izy roa e, mba  hitsahatra kely aloha. Hoe misy andalana 30 manandanja nolaniana tao anatin'ny lalàm-panorenana ary misy fitsapankevibahoaka voaomana hatao ato ho ato. Hoe dimy volana taorian'ny nanambaràna azy vao tonga taty Ejipta ilay ipod, loka azoko amin'ny maha-mpanoratra ity bilaogy ity ahy. Ary hoe voatazona any amin'ny paositry ny polisy ao Seydi Beshr lery; sy hoe tsy azoko atao ny maka azy taorian'ny nandoavako hetra 1500 livres ejiptiana, saram-pitaterana, kadoa kely ho an'ireo mpiasa sy ireo fandaniana isankarazany”, hoy izy mitantara.

Ary inona no azo ambara ho famaranana azy?

درسان مستفادان : الاول هو ان الوقت و الاحداث يمران في مصر اسرع من خارجها .. ..

اما الثاني فهو ان حتى لوني قمحي لون خيرك يا مصر

“Lesona roa no azoko tao anatin'izany rehetra izany. Voalohany: Hangana kokoa dia mitranga ny olana ao Ejipta fa tsy toy ny any amin'ny firenena hafa eto amin'izao tontolo izao. Faharoa: mitovy amin'ny lokon'ny varimbazaha ny ahy, lokon'ny fitahiana ho an'i Ejipta», hoy izy manoratra.

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.