Palestina: “Matahotra ny “Taaakh” aho ary mangovitra rehefa mahita azy”

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny marsa 2008)

Ho fampiroboroboana ny fanadihadiana iray an'ny Al Jazeera mikasika ny fibodoan'ny Israeliana an'i Palestina, milazalaza ny fiainany ny tovovavy Palestiniana iray. Amin'ny teny kely avy aminy, manintona ny fon'ireo olona rehetra mijery ity horonantsary ity izy… ary mbola tsy milaza na inona na inona amin'izay tsapako isaky ny mahita azy amin'ny fahitalavitra ny teniny.

Bilaogera Palestiniana Shaltaf (Ar) mamadika an-tsoratra ny teniny amin'ny teny Arabo.

اجت القذيفة من فوق دخلت عالشباك بعدين كسرت كل الشبابيك والدار انحرقت
تكسّروا اغراضي اتكسّروا لعبي لسا في الي كثير اغراض ساحوا
كله رمينا عالزبالة والاواعي رميناها عالزبالة
لو تشموهم اواعينا خلي اليهود يجوا ويشموا اواعينا ويشوفوا دارنا
حتى نضارتي الي ابوي جابللي اياها ما فرحتش عليها حتى الاسوارة اللي امي جابتها الحلق حتى الخواتم ما فرحتش عليهم
كيف بدي افرح عليهم والعقد وهداك كيف بدي افرح على اغراضي
انا بخاف من الطخ حتى… بصير ارجف رجف لما اشوف
Niditra avy eny am-baravarankely ny baomba, avy eo namaky ny varavarankely hafa rehetra alohan'ny nirehetan'ny trano.
Vaky avokoa ny zavatro rehetra. Vaky ny kilalaoko. Ary zavatro maro hafa no levona.
Narianay tany am-pako daholo ny zava-drehetra. Na ny akanjoko aza natsipy tany anaty fako.
Raha maheno fotsiny ny fofon'ny akanjonay ianao. Aoka ny Jiosy ho avy sy haheno ny fofon'ny akanjonay ary hahita ny tranonay.
Na ny solomasoko izay nentin'ny raiko aza dia tsy naha-afapo ahy. Na ny haingon-tanana novidian-dreniko ahy, na ny kavina sy  peratra aza tsy naha-afapo ahy.
Ahoana aho no tokony hifaly amin'ireny .. sy ny rado … ary izany rehetra izany. Ahoana no tokony hahafaly ahy amin'ny zavatro?
Matahotra ny “Taaaakh” (ny feon'ny tifitifitra) aho .. ary mangovitra aho isaky ny mahita izany mitranga.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.