Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007)Maghreb
Big Trap Boy, ilay olomalazan'ny tontolon'y bilaogy Toniziana, fantatra amin'ireo hafany somary manebaka masiaka nefa tena tsy miangatra, no nanoratra mikasika ny Firaisankinan'i Maghreb sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka eo amin'ny faritra. Nantsoiny ihany koa ireo blaogera Toniziana sy ireo hafa Marokana, ireo avy ao Maoritania sy Libia mba hanao ny andron'ny 1 Jona ho andron'ireo blaogy iresahana ny Firaisankinan'i Maghreb.

Manohana tanteraka ny heviny sy ireo tohankeviny aho. Ny heviny dia izao, raha toa ireo mpitondra antsika manao an'io Firaisakina io ho tsy dia maika loatra, andao ampahafantarintsika azy ireo fa isika, vahoaka miray hina aty Maghreb, dia maniry an'io firaisankina io ary tombony ho antsika io hiarenana ara-toekarena manoloana ny Firaisambe Eoropeana any avaratra.

Ireto ny fintina vitsivitsy avy amin'ny lahatsorany:

الحرب العالمية الثانية قتلت 50 مليون بشرأوروبا بعد 50 سنة توحّدت ونسات الحرب والأحقاد القديمة بين الدول الأعداء

و نحنا في المغرب العربي عندنا 50 مليون سنة ونحنا وخيّان وأحباب

عندنا 50 ألف سنة من التاريخ والحضارة والثقافة المشتركة

عندنا 50 مليار سبب باش نكونو متوحدين

واليوم، وبعد حوالي 50 سنة من الإستقلال لبلداننا الشقيقة والصديقة

ما عندناش شبكة قطارات مشتركة

ما عندناش طريق سيارة مشتركة

ما عندناش سياسة طاقة مشتركة

ما عندناش حتى مسابقة متاع عدو ريفي مشتركة

علاه؟ بالله فهمونا علاه؟

Namono olona 50 tapitrisa ny Ady Lehibe Faharoa.
50 taona taty aoriana iray hina ny Eoropeana ary nanadino ny ady sy ny lonilony tamin'ireo Fanjakana fahavalo.
Ary esika eto Maghreb, mpinamana sy mpirahalahy nandritra ny 50 tapitrisa taona
Manana tantara, sivilizasiona sy kolontsaina nifampizaràna nanditra ny 50.000 taona isika.
Manana antony 50 lavitrisa hiraisana hina isika
Ary ankehitriny, efa ho 50 taona aty aorian'ny fahaleovantena ho an'ireo  firenena namantsika
Tsy manana tambajotranà lalamby ifampizaràna isika
Tsy manana lalambe migodàna iraisana isika
Tsy manana politika-na angovo iraisana isika
Tsy manana akory na dia toeram-pihazakazahana iray iraisantsika ho fanaovana hetsika aza isika
Fa nahoana? Fa nahoana, amin'ny anaran'Andriamanitra?
حسب دراسة قام بها البنك الدولي في تونس والجزائر والمغرب، عدم التوحّد في إطار المغرب العربي قاعد يحرم في الدول المذكورة من ما بين 1 و2 بالمئة من النمو سنويّا، يعني في عوض نسبة 5 بالمئة اللي نعملو فيها في تونس تولّي 6 إذا كان موش سبعة بالمئة، وهالخسارة هاذي ، باش نسهلوها للناس الكل، تساوي حوالي عشرة آلاف موطن شغل قار سنويّا. ظاهرلي ماناش مستغنين عليهم…
Araka ny fandihadiana iray notontosain'ny banky nasionaly toniziana, alzeriana ary maraokanina, eo amin'ny 1 ka hatramin'ny 2% [3% raha ny tena marina] amin'ny harinkarena no very isaky ny firenena tsirairay, noho ny tsy fisian'ny firaisakinan'izy ireo ara-toekarena. Noho izany, ho an'ireo firenena toa an'i Tonizia, raha toa tokony 5% ny harinkarena dia ho lasa 6 na 7% izany ary ny fatiantoka 1% dia mitovy amin'ny famoronana asa 10 000, mazava ho azy fa tsy tokony ho tsinontsinoavintsika izany.
هذا ما يجعلني نفكّر في حاجة يمكن تكون باهية برشة لو كان تلقى إقبال منكم إنتوما المدونين والقراء، علاش ما نقوموش بحملة في المدونات التونسية ندعو فيها إخواننا في المغرب العربي باش ينظمولنا في حملة تدوينية للمطالبة بخطوات جدية وعملية لتحقيق الإتحاد الفعلي ما بين دول المغرب العربي وتجاوز الخلافات السخيفة والعقد النفسية اللي واقفة في طريق المغرب العربي، على الأقل خلّي الناس اللي عندها سلطة القرار تعرف أن المسألة هاذي عليها إجماع شعبي في مختلف دول المنطقة، ولعلها الخطوة الأولى تكون من عند المدونين المغاربة مادامت السياسة فشلت لحد الآن في تجاوز مرحلة الخطابات والكلام الجميل
Izay no mahatonga ahy hisaina fandraisana andraikitra iray mety hisy tombony raha toa mahazo tsara nt fanekenareo blaogera sy ianareo mpamaky izy io. Nahoana no tsy atombotsika ny fandraisana andraikitra mikasika ny Tontolon'ny bilaogin'i Tonizia, itarina ho tonga hatrany amin'ireo rahalahintsika ao Maghreb, mba hanjohy antsika ao anaty fanentanana blaogy ka hangataka drafitra sy fepetra matotra mba hanatontosana firaisankina iray mahomby eo amin'ireo firenena aty Maghreb ary hialàna amin'ireo tsy fifanarahana adaladala sy ireo fahasarotana izay manakana ny fitambarana? Fara-faharatsiny, mba ireo manana fahefana manapa-kevitra mahalala fa misy marimaritra iraisana momba io olana io avy amin'ny vahoaka ao anatin'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra, ary angamba mety ho avy amin'ireo bilaogera ao Maghreb ilay dingana voalohany rehefa tsy nahavita nihetsika ireo lahateny nahafinaritra sy teny tsy namokatra.

Ny 1 jona, hanao blaogy mikasika ny firaisankinan'i Maghreb aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.