· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2018

Kazakhstan: Mihatanora sy Mihamanjombona Ireo Avara-pianarana

  18 Avrily 2018

Tsy dia vokatry ny adihevitra ara-pôlitika misokatra loatra ny famadibadihana ireo avara-pianarana sy ireo manampahefana ambony ao Kazakhstan. Manome tany lonaka ahafahan'ireo mpitsikera sy mpandinika mandalina ny antony ambadiky ny famadihana izato na izatsy ireo fialàna sy fametrahan'olona tsimoramora. Kanefa, misy hevitra iraisana: mihatanora hatrany ireo avara-pianarana.

Malezia: Taratasy Fitarainana Hanoherana Ny Filohan'ny Vaomiera Misahana Ny Fifidianana

  18 Avrily 2018

Toherin'ny vondron'ny mpanohitra ny fanitarana ny taona fandehanana misotro ronono ho an'ny Filoha amperinasan'ny Vaomiera Misahana ny fifidianana satria tsapan-dry zareo ny fiangarany. Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, niezaka ny manampahefana maleziana nanakana ny fanaterana ilay taratasy fitarainana manohitra ny fanalavàn-taona avy amin'ny mpikatroka mafana fo mpanohitra ho ao amin'ny parlemanta. Mizara lahatsary vitsivitsy sy miady hevitra momba ilay taratasy fitarainana ary ireo fepetra noraisin'ny manampahefana hanoherana ireo mpikatroka mafana fo ny mpitoraka bilaogy sy ny mpisera amin'ny YouTube Maleziana.

Thailandy: Famoriam-bahoaka sy ny vaovao farany ao amin'ny Twitter

  17 Avrily 2018

Mihodidina ny tranoben'ny Parlemanta ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Thailandy tamin'ny alatsinainy maraina. Notarihan'ny Firaisam-bahoaka ho an'ny Demokrasia (PAD), te-hanongana ny governemanta ireo mpanao hetsi-panoherana. Nafindra vonjimaika tany amin'ny Seranam-piaramanidina Don Mueang ny biraon'ny filoha ao amin'ny firenena.

Ozbekistana: Mikolokolo Ny Fahalalahana Miteny Ny Fanaovana Blaogy

  16 Avrily 2018

Vao haingana, nokilasian'ny Departemantam-panjakana Amerikana ho anisan'ireo firenena "folo voalohany" amin'ireo firenena tena mpanao didy jadona erantany i Ozbekistana. Nandritra ny efa ho roapolo taona nanjakany, ny filoham-pirenena I. Karimov sy ny ankolafiny no nandray an-tanana ny fifehezana ireo lafim-piainana rehetra ao amin'ny firenena - ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.

Pakistàna: Nahoana No Bhutto, Ary Hanao Ahoana i Pakistan Ankehitriny?

  16 Avrily 2018

Manamafy ireo blaogera sasantsany fa na tsy manaiky ny politikan'i Benazir Bhutto aza izy ireo, na manohana ny antokony - Pakistan Peoples Party, tena zava-doza ny karazana fanafihana sahala amin'io ary azo hitarafana ny safotofoto izay ampoizina hiantraika ao Pakistàna. Asa fampihorohoroana no hilazan'ny Muslim Matters azy, ary melohiny ny herisetra atao fitaovana famahàna olana