Ny taona voalohany nitondran'i Bachelet tamin'ny naha-Filohan'i Shily azy

(Marihina fa tamin'ny 17 Martsa 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy voalohany)

Nahatontosa ny andraikiny nandritra ny taona voalohany nitondrany ny vehivavy voalohany voafidy ho filoham-pirenena tao Shily, Michelle Bachelet. Nilaza  ny fanehoan-kevitra tamin'ny ankapobeny fa maro ireo toe-javatra marobe izay tsy mora, anisan'izany ny fitokonana tamin'ny rafi-panabeazana  sy ny fahatarana tamin'ny fanatanterahana ny rafi-pitaterana vaovao izay mbola naharaisana hatrany ny fanehoan-kevitra mifangaro ao amin'ny mponina.

Nanome ny salanisa tamin'ny ankapobeny i El Chere avy ao amin'ny EquinoXio:

¿Qué sugiere cuando una Presidenta tiene uno de los niveles de popularidad más bajos de la región (cerca del 38%), uno de los promedios más mediocres desde la vuelta de Chile a la democracia (3,8 en escala del 1 al 7) y ha debido hacer frente a constantes crisis tanto políticas (con su coalición) como estructurales y sociales?

Midika inona moa raha misy filoha iray manana ny fankatoavana ny nataony ambany indrindra ao amin'ny faritra (38% eo ho eo), ilay ratsy indrindra hatramin'ny niverenan'ny demaokrasia teto Shily (3,8 eo amin'ny ambaratonga 1 ka hatramin'ny 7) ary tsy maintsy niatrika krizy politika (avy amin'ny antokony), rafitra, ary krizy ara-tsosialy mitohy.

Mampahatsiahy antsika ireo fandaharanasa lehibe miisa dimy izay natolotr'i Bachelet talohan'ny nifidianana azy i Andrés Sanfuentes.

“El Programa de Gobierno de Bachelet plantea cinco áreas temáticas, lo cual ayuda a ordenar las preocupaciones principales:

1.) Una nueva red de protección social.
2.) Condiciones para un salto al desarrollo.
3.) Un programa para mejorar la calidad de vida de los chilenos.
4.) El combate contra la discriminación y la exclusión.
5.) Un nuevo trato para los ciudadanos en todos los aspectos de la acción pública.”

Nanolotra ny fandaharanasan'ny governemanta misy fizarana dimy i Michelle Bachelet , izay nifantoka indrindra tamin'ny olana tena laharam-pahamehana :

1.) Fiarovana ara-tsosialy vaovao
2.) Ny fepetra mankany amin'ny Fampandrosoana
3.) Ny fandaharanasa hanatsarana ny fari-piainan'ny Shiliana
4.) Ny ady amin'ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana
5.) Tombontsoa vaovao ho an'ireo olom-pirenena amin'ny lafiny rehetra amin'ny hetsika ataon'ny fanjakana.

Naneho ireo fomba fijery izay itovizana amin'ny maro i Andrea Henríquez, nikasika ireo fandaharanasa miisa 5 natolotr'i Bachelet ny ankamaroany:

A pesar de que en el 2006 el crecimiento económico fue de 4, 2%, el más bajo de los últimos tres años, las exportaciones aumentaron, impulsadas por el récord histórico que alcanzó el precio del cobre.

En comparación con el gobierno anterior, durante el primer año de gestión de Bachelet el desempleo bajó y la inversión en salud, vivienda y educación aumentó. También se impulsaron medidas a favor de la paridad de género y se presentó en el congreso una propuesta de reforma al sistema previsional.

Desde el inicio de su mandato las encuestas otorgaban a Michelle Bachelet un amplio respaldo, sin embargo, durante los últimos meses la tendencia ha sido a la baja. Según la encuesta de la empresa Adimark, la aprobación durante febrero fue de un 49,3%.

Na 4,2% fotsiny aza ny tahan'ny fitomboana ara-toekarena tamin'ny taona 2006, izay ambany indrindra tao anatin'ny telo taona farany, dia nitombo kosa ny fanondranana entana noho ny vidin'ny varahina niakatra ara-tantara.

Raha oharina tamin'ny fitantanan-draharaha teo aloha, dia nihena ny tahan'ny tsy fananan'asa nandritra ny taona voalohany nitondran'i Bachelet ary nitombo ny fampiasam-bola tamin'ny fahasalamana, ny fonenana ary ny fampianarana. Notohanany ihany koa ny lalàna momba ny fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny tolo-kevitra tao amin'ny kongresy ho fanavaozana ny rafitra fisotroan-dronono.

Hatramin'ny nanombohany nitondra, maro ny olona no nanohana betsaka an'i Michelle Bachellet tao anatin'ny fanadihadiana, na dia nihena izany aza izany tato anatin'ny volana vitsivitsy . 49,3% ny tahan'ny fanohanana tamin'ny volana Febroary araka ny fanadihadiana nataon'i Adimark .

Tsy maintsy niatrika olana goavana i Bachelet nandritra ny taona voalohany nitondrany. Nisy ny krizy teo amin'ny rafi-pampianarana izay nifarana tamin'ny fitokonan'ny mpianatra tao an-toerana, ny rafitra vaovaon'ny fitaterana, ilay voafonja tsy hita ary nisy fahadisoana ny namantarana azy ka nanaitra ny maha-saropady ny zon'olombelona, sy ny fahafatesan'i Pinochet tamin'ny volana Desambra nefa tsy nisy resaka ny momba ny fomba hiatrehana ny lovany ara-tantara izay niteraka resabe . Ankoatra izay, nanampy trotraka ihany koa tamin'ny fahaverezan'ny fanohanan'ny vahoaka azy ny krizin'ny fiarahamitantan'ny elatra havia, vokatr'ireo tantara ratsy maro momba ny kolikoly. Nianiana tamin'ny fanantenana tafahoatra i Bachelet fa hitondra vanim-potoana vaovao ara-politika madio kokoa ho an'i Shily. Ho hita eo raha ho vitany ny handresy ireo vatomisakana amin'ity taona voalohany niasany ity mba hanatanterahany ireo tanjona fototra dimy lehibe izay naverina matetika nandritra ny fampielezan-keviny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.