Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2017
Syria: Fahanginana Manoloana Ny “Famonoana Faobe Goavana Kokoa”
Tamin'ny 29 Febroary, nandrahona ny "Famonoana Faobe Goavana kokoa" ho an'ny Palestiniana i Matan Vilnai, Minisitra lefitry ny Fiarovana ao Israely. Mampitaha ity fanehoan-kevitra ity amin'ny fahanginan'izao tontolo izao i Damascene Blog sy ny fisahotahana manoloana ny antson'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny 'famafana an'i Israely eo amin'ny sarintany."
Herintaona Mahery Taty Aoriana, Misoroka Ahitra Ao Amin'ny Toeram-ponenana Nasiana Azy Ao Myanmar ireo Niharan'ny Fihotsahan'ny tany
"Taona iray taorian'ny fametrahana azy ireo, vao ny herinaratra fotsiny no azon'ireo mponina fa tsy mbola manana rano mikoriana. Tsy maintsy miantehitra amin'ny fanangonana ranon'orana sy ireo fanaterana ataon'ireo vondrona mpanampy ao an-toerena izy ireo"
Iran: Fanentanana Iraisam-pirenena Ho Fanohanana An'ireo Mpitsabo Nogadraina
Satria nanomboka tamin'ny 3 Aogositra tao Meksika ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba Ny Sida XVIII, nogadraina ireo Iraniana roa manam-pahaizana momba ny VIH/SIDA, noho izy ireo voampanga fa nikasa hanongana ny fanjakana Iraniana.
Kosta Rikà: Fampisehoana, Fitroarana sy Ahiahy
Nandefa ny zava-nitranga tamin'ny Fampisehoana tamin'ny Alahady ilay mpanao gazety Cristian Cambronero ao amin'ny bilaogy Kosta Rikàna malaza Fusil de Chispas, notantarainy tamin'izany fa nirotaka ireo tanora ary nanimba ny toeram-pianarana ao amin'ny Universidad Latina ao amin'ny renivohitr'i San José.
Tian'ny Mpitarika Fitondrana Miaramila Ao Thailandy Hovalian'ny Olom-pirenena Ireo Fanontaniana Efatra Momba Ny Fifidianana
Amin'ny ho avy, raha mbola miaina fanonganam-panjakana iray hafa i Thailandy, ho ampangaina toy ny heloka bevava atao amin'ny fanjakana ve izany?
Sary Fitaka Anamarinana Ny Fiverenan'ny Lalàna Miaramila ao Filipina
Angamba mba hanangonana ny fanohanan'ny vahoaka ho an'ny lalàna miaramila, nanomboka nizara sary avy any amin'ny firenen-kafa ny manampahefana sasany sy ny mpanohana ny governemanta, miezaka mampita azy ireny toy ny fanehoana ny zava-misy ao Mindanao. Sahirana namantatra ny sary ireo mpampiasa aterineto.
Chile: Hafatra Ara-politika Tamin'ny Lahatsary Mozika Antserasera Nampitabataba Ny Vahoaka
SubVerso no anarana artistikan'i Vicente Durán, mpanoratra ny Inform Yourself (Ampahafantaro ny Tenanao), hira sy lahatsary Hip-hop mitsikera ny ara-politika izay alefa indrindra ao amin'ny aterineto, ary niteraka tabataba teo amin'ny fiarahamonina Shiliana sy niteraka fanehoan-kevitra marobe.
Koety: Lalao An-dahatsary, Gazety sy Bilaogera Vehivavy
Miresaka momba ny lalao an-dahatsary, ny gazety sy ny fomba fijery mikasika ny bilaogera vehivavy ireo bilaogera telo samihafa.
Egypta: Ny Veran-Divay Teny An-tànan'ny Mpanjaka Abdullah
Niparitaka ny tsaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, niaraka tamin'ny sary izay mampiseho ny Mpanjaka Abdullah ao Arabia Saodita mipetraka teo anilan'ny filoha Amerikana George W Bush sady mitana veran-divay iray teny an-tànany. Kanefa dia voarara ny alikaola amin'ny finoana Islamo araka ny efa fantatrareo rehetra.
Miray Hina Ireo Mpanao Gazety Ao Myanmar Hanohitra Ny Lalànan'ny Fanalam-baraka Antserasera
Mpanao gazety maherin'ny 100 tao Myanmar no nivorivory tamin'ny 6 Jiona 2017 tao Yangon, renivohi-pirenena, mba handamina ny fanentanan'izy ireo manohitra ny Fizarana faha- 66(d) momba ny Lalànan'ny Fifandraisan-davitra ao Myanmar.