Mandrisika ny olom-pirenena mba hitsidika ny foiben'ny governemanta ny Praiminisitra Prayut Chan-o-Cha ao Thailandy ary hamaly ireo fanontaniana efatra momba ny fifidianana izay mety hamaritra ny hoavin'ny firenena.
Prayut no lehiben'ny tafika, izay nitarika ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014. Nampanantena izy fa hamerina ny fitondrana sivily ny miaramila raha vao tafapetraka ny fanavaozana ara-politika sy ara-pifidianana. Nisy ny lalàm-panorenana nankatoavina tamin'ny taona 2016 izay nitarika ny fototra hanatontosàna fifidianana saingy voatsikera be izany lalàmpanorenena izany noho izy ahitana fehezan-dalàna nanome fahefana midadasika ho an'ny miaramila eo amin'ny asam-birao.
Ireto ambany ireto ireo fanontaniana efatra notanisain'i Prayut:
1. Will elections bring good governance?
2. What then, if elections do not bring good governance?
3. Is it right to only focus on elections, at the expense of the country’s future and other issues?
4. Should bad politicians be given a chance to run for office, and if conflicts return, who will solve them and by what means?
1. Hitondra fahaiza-mitantana ve ny fifidianana?
2. Ahoana, raha tsy mitondra fahaiza-mitantana ny fifidianana?
3. Rariny ve raha mifantoka amin'ny fifidianana ihany, [ka tsy raharahiana ny] hoavin'ny firenena sy ireo lohahevitra hafa?
4. Tokony omena vintana hitantana birao ve ireo mpanao politika ratsy, ary raha miverina ny ady, iza no hamaha azy ireo ary amin'ny fomba ahoana?
Foibe eo ho eo amin'ny 1000 manerana ny firenena no nisokatra mba handraisana ireo valinteny avy amin'ny vahoaka. Mihevitra hanao fanadihadiana eny amin'ny toeram-pivarotana lehibe ihany koa ny governemanta mba hahazo olona maro kokoa.
Naneho ny ahiahiny momba ny tena antony manosika an'i Prayut nanao fanadihadiana tsy mahazatra tamin'ny hevi-bahoaka ireo mpitarika antoko politika. Manahy izy ireo fa mety handambolambo ny vahoaka manoloana ny hevitra fitondrana miaramila nitarina ao amin'ny firenena i Prayut. Saingy nanizingizina ireo mpanohana an'i Prayut fa liana fotsiny ahafantatra ny fomba fijerin'ny olom-pirenena ny mpitarika ny fitondrana miaramila, fa tsy te hiraharaha ny feo mafin'ireo mpanao politika mpanohitra.
Thai PM Gen. Prayut drew flak for floating 4 leading questions on his weekly TV address that some see as finding a pretext to stay in power
— Saksith Saiyasombut (@SaksithCNA) May 29, 2017
Niteraka tsikera ny praiminisitra Thailandey Jeneraly Prayut tamin'ireo fanontaniana efatra lehibe noresahany tamin'ny fandaharany amin'ny Fahitalavitra isan-kerinandro izay noraisin'ny sasany ho fomba ankolaka hijanonana eo amin'ny fitondrana
Misalasala momba ny fitokisana ny fanadihadiana i Sunai Phasuk, mpikaroka zokiny ao amin'ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona ao Azia:
Few will be brave enough to say they oppose prolonged military rule, repudiation of election results, strong-man rule, or even another military coup. Why? Because they understand expression of dissenting opinion is punishable under the orders of the ruling National Council for Peace and Order (NCPO).
Vitsy ireo hanana herim-po ampy hilazana fa manohitra ny fitondrana miaramila halavaina, fitsipahana ny voka-pifidianana, fitondran'ny lehilahy mahery, na koa fanonganam-panjakana ara-miaramila iray hafa izy ireo. Nahoana? Satria takatr'izy ireo fa azo saziana eo ambanin'ny baikon'ny Filankevi-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana (NCPO) an'ny fitondrana ny fanehoana hevitra manivaka.
NCPO no anaran'ny governemanta napetraky ny fitondrana miaramila
Tao anatin'ny telo taona, nifehy mafy ny fampahalalam-baovao ny fitondrana miaramila. Nampiasa ny lalàna Lese Majeste (fanevatevana ny Mpanjaka) izy ireo mba hisamborana sy hanenjehana izay olona mitsikera ny jadona miaramila
Nangataka tamin'ireo vondrona mpikatroka ny tranonkalam-baovao tsy miankina Prachatai mba hitanisa izay fanontanian'izy ireo lehibe manokana hovalian'i Prayut. Nampahatsiahy an'i Prayut ny Hetsika E-saan Vaovao fa manakana ny demaokrasia ny fanonganam-panjakana:
Are you aware that coup d’etats violate democratic and human rights principles?
If in the future, Thailand experiences another coup d’etat, will it be charged as a crime against the state?
Fantatrao ve fa ny fanonganam-panjakana dia manitsakitsaka ireo fitsipika demaokratika sy ny zon'olombelona?
Amin'ny ho avy, raha mbola miaina fanonganam-panjakana iray hafa i Thailandy, ho ampangaina toy ny heloka bevava atao amin'ny fanjakana ve izany?
Nandrisika an'i Prayut sy ny miaramila mba hamerina ny fahefana ho an'ny vahoaka i Sriprai Nonsee, sendikalista:
Coup d’etats to seize power from the people are unlawful. How, then, can a junta meet standards of good governance? When will you return power to the people, by restoring the right to vote and by revising the constitution—which should come from the people genuinely? When will you return power to the people, by restoring the right to vote and by revising the constitution—which should come from the people genuinely?
Tsy ara-dalàna ny fanonganam-panjakana mba haka fahefana an-keriny eny amin'ny vahoaka. Ahoana, araka izany, no ahafahan'ny fitondrana miaramila hanana ny fenitra fahaiza-mitantana? Rahoviana ianareo vao hamerina ny fahefana ho an'ny vahoaka, amin'ny alalan'ny famerenana ny zo hifidy sy ny fanitsiana ny lalàm-panorenana – izay tokony avy any amin'ny vahoaka tanteraka?
Mpanao gazety Pravit Rojanaphruk nisioka fanontaniana efatra ho an'i Prayut:
I also have 4 questions for Prayuth. #Juntaland#Thailand#Prayuth#NCPO#coup#pressfreedompic.twitter.com/TycuU3ppxO
— Pravit Rojanaphruk (@PravitR) May 29, 2017
Manana fanontaniana efatra ho an'i Prayth ihany koa aho:
1) Nandroba ny fahefan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ve ianao?
2) Nanitsakitsaka ny zo sivily sy ara-politika nandritra ny telo taona lasa ve ianao?
3) Nahoana ianao no manome vaovao diso foana rehefa misy ny fanatontosana fifidianana?
4) Mihevitra ve ianao fa tahaka ny adala maka trano an-keriny nandritra ny telo taona ary avy eo manontany ny tompon-trano raha tian'izy ireo hijanona ianao na tsia?