Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2015
Teny Avy Amin'ny Tontolon'ny Orogoain'Ingahy Filoha Fahiny, José ‘Pepe’ Mujica
"Tsotra kely izany. Satria ny zavatra be voninahitra indrindra ananan'ny olona iray dia ny fiainana. Ary na dia tsotra indrindra aza ny fiainana, izay no zavatra tena adinontsika indrindra."
Mpiasa Thailandey Voaroaka tao Filipina Noho ny Nanevatevany Tao Amin'ny Facebook ny Filipiana
Noroahiana tao Filipina ny mpiasa Thailandey iray rehefa namoaka lahatsoratra manavakavaka sy mamely ny Filipiana tao amin'ny Facebook. Maro ireo faly tamin'ny fandroahana raha namaritra izany ho famelezana ny fahalalaham-pitenenana kosa ny sasany.
Nametra-pialàna Ny Filoha Lefitr'i Goatemalà, Mitohy Ny Fihetsiketsehana
Nanao diabe ny olom-pirenena Goatemalteka vao haingana mba hitaky ny fialàn'ny mpitondra ambony ao amin'ny firenena, ary niteraka saina te hifety sy be fanantenana tao amin'ny tambajotra sosialy ny fialàn'i Baldetti.
Nanakatona Tranokalam-baovao Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Fahalalahan-gazety i Singapore
Manome rariny ny fitsabahana tafahoatra ataon'ny fanjakana ny fepetra henjana noraisin'ny Manampahefana Misahana ny Fivelaran'ny Media ary mitarika mankany amin'ny fanakelezana ny sehatra antserasera.
Fihazohazoana Taorian'ny Namonoan'i Indonezia ireo Voaheloka Noho ny Trafikan-dRongony avy any Aostralia, Brezila ary Nizeria
Mbola mitohy ny adi-hevitra momba ny famonoana ho faty, ny ady amin'ny rongony ary ny mety haha-tratran'ny tsy rariny ireo voaheloka sasantsasany.
Makedoniana Mpanao Gazety: Manohitra Ny Fandrahonana Ho Faty
Mifamory ireo Makedoniana mpanao gazety mba hanohitra ny fandrahonana nataon'olona tsy fantatra ho anà mpanao gazety iray manana ny lazany, mpilaza vaovao amin'ny fahitalavitra.
Ongandey Iray Mandefa Sioka Manohitra Ny Filoha Museveni Sy Ny Hetsi-Pirenena Fijoroana
Raha karamaina hivarotra "fihatsarambelatsihy manafintohina" aho, ity kaonty @KagutaMuseveni (kaonty twitter ofisialin'ny filohan'i Oganda) ity no mety ho lasibatry ny fampiasam-bola amin'izany.
“Diaben'ny Vahoaka” Alohan'ny Zaikaben'ny Mpitondra Rezionaly Ataon'ireo Mpikatroka ao Azia Atsimo Atsinanana
Mpikatroka sy mpitarika maherin'ny 1000 avy amina fikambanana fiarahamonim-pirenena manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana no nanambara ny heviny mikasika ny toetry ny zon'olombelona sy ny fitomboan'ny hantsana ara-toekarena.
Manao Famoretana An-kerisetra Amin'ireo Mpampianatra Manao Fihetsiketsehana Ao Brezila Ny Polisy
Nitatitra ny gazety ao an-toerana fa olona 213 no naratra. Nilaza anefa ny governemantam-panjakan'i Paraná fa 160 ihany no naratra.
Nohon'ny Famoahana ‘Tsiambaratelom-Panjakana’, Nogadrain'i Shina i Gao Yu, Mpanao Gazety Malaza
Nogadraina fito taona izy noho ny nanaovany tatitra momba ny torolàlana ho an'ny Antoko Kaominista izay mitanisa "zavatra fito tsy azo resahana" ho an'ireo mpampianatra eny amin'ny Oniversite, sy fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ary ireo hadisoana fahiny vitan'ny antoko