Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2012
Jordania: “Misaotra” Ny Fanjakana Ny Jordaniana
Mampiasa ilay tenifototra #شكرا, na "misaotra anao", ireo Jordaniana mpampiasa Twitter mba hitorahana bitsika maneso momba ny nataon'ny fanjakana Jordaniana tamin'ny firenena. Fihetsehana amin'ny filonan'ny dingana fanovàna efa an-dàlana any Jordania ireo bitsika ireo.
Makedonia: Zavakanto Graffiti Nandritra”Fotoan'ny Antikite Velomina Indray”
Nisy Lahatsary fampafantarana fohy momba ny graffiti Makedonianina ao anatin'ny fotoan'ny fanohanan'ny fitondrana ny zavakanto sady mampiroborobo ny fananganan-trano sy fanorenana goavana nokarakarain'ny manampahaizana vehivavy sady bilaogera roa–Vasilka Dimitrovska sy Ilina Jakimovska–naseho...
Ejipta: Fahadisoam-panantenana tamin'ny adihevitra voalohany nifanaovan'ireo kandidà filoham-pirenena
Tamin'ny 10 may 2012, nifantoka nanoloana ny fahitalavitra ny Ejiptiana nanaraka ny adi-hevitra voalohany nifanaovan'ireo mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena anankiroa matanjaka indrindra , Amr Moussa sy Abdel Moneim Aboul Fotouh. Na izany aza...
Niteraka Ahiahy Ny Tolo-kevitra Hananganana Fiombonamben'ireo Firenena Arabo Ao Amin'ny Golfa
Nifanakalo hevitra ireo governemanta ao amin'ny Golfa ny amin'ny hamadihana ny Filan-kevitry ny Fiarahan-miasan'ny Golfa amin'izao fotoan ho toy ny an'ny Fiombonambe Eoropeana. Eritreritra fanovana miainga aoa anaty rivotry ny fisalasalàna sy mafanafana naterak'ireo fitroarany Arabo sy ny fitomboan'ny dindo avy ao Iran. Ho toy ny dingana voalohany, dia i Arabia Saodita sy Bahrain no mety hikatsaka fitambarana mafimafy kokoa.
Alzeria: Nihena Ny Tahan'ny Mpifidy Nandritra Ny Fifidianana Solombavambahoaka
Hatramin'izay nisian'ny lohataona Arabo izay, tamin'ny 10 Mey lasa teo no nisy fifidianana solombavambahoaka voalohany tao Alzeria. Nasehoan'ireo vahoaka marobe tamin'ny alalan'ny tsy fandehanany mifidy ny tsy fankasitrahany ny rafitra politika misy ankehitriny.
Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum
Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny forum ny endrika fanta-daza manerantany...
Korea Atsimo : Fanaraha-maso Tsy Manara-dalàna Atao Ny Mponina Sy Ny Mpanentana Fandaharana
Mirehidrehitry ny fanakianana ny Lapan'ny Filoha ao Korea Atsimo noho ny fanaraha-maso tsy manara-dalàna nataony an'ireo ny olontsotra. Ilay raharaha izay niantomboka taminà fanaratsiana nataon'ireo antokon'ny mpanohitra, dia lasa nihombo be ankehitriny ary dia notondroina mihitsy ho ny Tantara Ratsy Watergate Koreana [ko]. Ireo Mpanentana fandaharana izay mampiantrano hetsi-panoherana manohitra ny governemanta dia nanambara fa naraha-maso sy nosavain'ireo manampahefana avy amin'ny sampam-pitsikilovan'ny governemanta ny tranon'izy ireo
Iran: Tsy Voakapoka in-25 Noho Ny Nanoritsoritany Mpanao Politika Ilay Mpanao Sariitatra
Voasazy [fa] hahazo kapoka 25 noho ny nanoritsoritany ilay mpikambana parlemantera teo aloha ilay mpanao sariitatra Iraniana, Mahmoud Shokraye. Nisy ny fanentanana an-tserasera ho fanohanana azy
Rosia: Vohikala Mampiseho Ny Karaman'ny Mpiasam-Panjakana

Najoro ny tetikasa “Tombontsoam-bahoaka” [ru] mba hahitan'izay liana hahafantatra ny mombamomba ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lefitry ny manampahefana ambony. Narafitra tamin'ny alalan'ny nangonin'ny olona ary navoaka araka izay mifanaraka...
Espaina: Mivelatra Ihany Koa Ny Zavakanto Ao Amin'ny Lohataona Ankapobe
Ny 12 Mey (12M) ka hatramin'ny 15 Mey (15M) [es], Miaina hetsika sosialy eny an-dalambe hanoherana ny fifehezan'ny banky sy hitaky ny isian'ny rafitra demokratika, andraisan'ny besinimaro ary [salama] mety kokoa...