Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka

Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fifampiresahana eo amin'ny papa sy ireo vondrona mpisintaka – nandritra ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Harvard. Milaza ireo mpanao fihetsiketsehana am-piangonana ireo ho toy ny jiolahy ny kardinaly Ortega, izay mbola nampiakatra hatrany ny fahatezeran’ny Kiobana.

babalu niantso ny fivoasan-kevitra ho “maneso” sy “tsy misy dikany afa-tsy izay mandika lalàna”:

This latest sin against God and His flock is only another example of what a truly despicable man Ortega is. Fortunately, the Good Lord has provided the objects of Ortega's sinful ridicule and scorn the opportunity to respond.

Ity fahotana farany manohitra an'Andriamanitra sy ny andian'ondriny ity no ohatra hafa amin’ny maha-tsi-mifaditrovana an'i Ortega. Soa ihany fa efa nanao izay hahatsinontsinona ny anto-pahotàn'i Ortega ary efa mitady ny fotoana Tompo Tsara

Nandrohy tamin'ny gazety mahazatra ahitana ny nitafatafana tamin'ny mpanao fihetsiketseha-panoherana ny bilaogy ary nandà ny filazana azy ireo ho maloto dosie. Tamin'ny lahatsoratra manaraka ny bilaogy nampanao fanangonan-tsonia haharetirety ny Kardinaly Ortega ary mandrisika ny mpamakiny hanao sonia:

According to the rules established by Pope John Paul II, all bishops are required to retire when they reach the age of 75. Cardinal Ortega was born in October 1936. This means he is overdue for forced retirement, yet, he clings to his post, and the Holy Father allows him to do so.

Tokony handeha hisotro ronono ny eveka rehetra rehefa feno 75 taona, araka ny lalàna naorin’I Papa Joany Paoly faharoa. Teraka tamin’ny Oktobra 1936 ny Kardinaly Ortega, midika izany fa efa mety ny hanerena azy ho retirety, nefa, mbola mifikitra mafy amin’ny toerany anefa izy, ary mamela azy hanao izany koa ny Papa Ray masina.

Farany, ao amin'ny Translating Cuba , niaiky I Wendy Iriepa sy Ignacio Estrada fa “tsy manana teny ho enti-milaza ilay fanambarana vao aingana nataon’ny Kardinaly sady arsevekan’i Havana Jaime Lucas Ortega Alamino nandritra ny nipetrahany tao Etazonia tamin'ny herinandro”:

Despite the fact that he has spoken in a deliberate tone, the language used by the Cuban cardinal places at disadvantage the credibility of the good function of the Catholic hierarchy in the island. He has repeated in his discourse the same phrases used by the ruling class.

All of us who follow the evolution of the Catholic Church in Cuba, have denounced on many occasions the so badly called relationship between Church and State, and the complicity of the Church with the silence of the true existing situation in the island related to the lack of a state of rights and also the lack of places for free religious worship.

Na dia niteny niteny an-kahalalahana aza ny kardinaly kiobàna, nanaratsy endrika ny fitokisana ny ambaratongam-pahefana Katolika ao amin'ny nosy ny fiteny nampiasainy. Naverimberiny tanaty lahateniny ny fehezanteny fampiasan’ ny saranga mitondra.

Efa imbetsaka isika rehetra manaraka ny fivoaran'ny Fiangonana Katolika any Kiobà no nitaraina amin'ny lazaina ho fifandraisana ratsy eo amin’ny fiangonana sy ny fanjakana, sy ny firaisana tsikombakomban'ny Fiangonana amin'ny alalan'ny fahanginana momba ny zava-misy marina eo amin’ny firenena mifandraika amin'ny tsy fisian’ny karazan-jò sy ny tsy fahampian'ny toerana fivavahana an-kalalahana.

Tonga hatramin'ny filazan'izy ireo fa “misy itovitovizana amin’ny lahateny maro didian'ny departemantan'ny ideolojian’ny antoko komonista ao Kiobà” holazaina ny ankamaroan'ny fomba fitenin'ny Kardinaly:

Today’s comment does not attempt to criticize the role of the Church in Cuba, but it tries to put in its right place he who uses the Catholic Church for his own benefit and in defense of those who are sinking the nation into an increasing poverty.

We would have to ask such a Cuban Cardinal, “How could he have access to the police records of each person who occupied the Caridad Church in Havana?” We would also ask, “How could he obtain the information that such acts of civil disobedience were organized from Miami?” I understand this time, like many other times, that the Cardinal spoke more than he should, and now he has to withstand all the critics coming from different latitudes.

I never imagined to hear, from the lips of the highest pastor of the Cuban Church, so much malice for those who try to promote full respect to the basic freedom of each man. To call those who serve unfair sentences under the most terrible conditions not described by people like him “common delinquents,” at some international meeting, makes him an accomplice of a corrupt and inert government.

Tsy mitady hitsikera ny anjara asan'ny fiangonana eto Kiobà ity resaka androany ity, fa manandrana hametraka  amin’ny toerana tokony ho izy izay olona mampiasa ny fiangonana Katolika ho amin’ny tombontsoany manokana sady miaro ireo mandrendrika ny firenena ho amin'ny fahantrana lalina kokoa.

Te-hanontany ny Kardinaly Kiobàna tahaka izany izahay hoe, “ ahoana no ahazoany miditra mijery ny raki-tsoratra nataon'ny polisy amin'ny olona tsirairay efa nisahana ny Fiangonana Caridad ao Havana?” te-hanontany ihany koa izahay hoe, “ahoana no ahazoany vaovao fa niainga avy any Miami ny tsy fankatoavan-dalàna? Azoko tamin’io fotoana io, tahaka ny tamin’ny fotoana maro hafa, fa  miteny mihoatra ny tokony holazainy ny Kardinaly, ka  tokony hahazaka ireo fanakianana rehetra avy amin’ny ambaratonga samihafa koa izy ankehitriny.

Tsy noheveriko velively ny haheno ny teny, avy amin’ny vavan’ity mpitandrona ambony indrindra ao amin'ny fiangonana kiobàna, fanaratsiana ireo izay te hanandratra ny fanajana ny fahafahana fototry ny tsirairay. Miantso ireo izay manompo didim-pitsarana tsy marina ao anatin'ny toe-draharaha mampihoron-koditra tsy milaza ny olona mitovy aminy ho “mpandika lalàna” any amin’ny fihaonana iraisam-pirenena, mahatonga azy ho mpiray tsikombakomba amin’ny governemanta voakolikoly sy tsy mety mihontsina.

Hajiantsary nampiasaina amin'ity lahatsoratra ity, Catedral de San Cristóbal de La Habana, avy amin'i RC_Fotos, nampiasaina amin'ny alalana an Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) Creative Commons license. Tsidiho ny Tahirintsarin'i RC ao amin'ny flickr 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.