Nanomboka ny ambaratongan'ny fanalàna ny filohan'ny Ekoatera Rafael Correa tamin'ny toerany izay natao tamin'ny alalan'ny vohikala, izany hoe tao amin'ny Ecuador en Vivo [es] ary tamin'ny fanehoan'ny mponin'ny bilaogy ny fihetsik'izy ireo.
Teo amin'io firenena io, filoham-pirenena miisa 3 no nesorina teo amin'ny toerany tao anatin'ny 8 taona monja [es] nohon'ny antony fikorontanana ara-politika sy fihetsiketsehan'ny fiaraha-monina izay notarihan'ireo vondrona teratany mpanohitra avy amin'ny hery ankavia.
Ny fanentanana hanalàna ny filoha ankehitriny amin'ny toerany dia niainga avy any amin'ny sehatra samihafa, izay notarihan'ny mpanao gazety mpanohitra iray antsoina hoe Carlos Vera izay nanambara mikasika ny fanangonan-tsonia hanesorana an'i Rafael Correa amin'ny toerany homena ny ny mpandini-draharaham-pirenena momba ny fifidianana, amin'izao fotoana nahazoana fahafaham-po tamin'ny fangatahana voalohany mikasika ny lalàmpanorenana izao, izay fahataperan'ny herintaona voalohany naha-teo amin'ny toerana.
Horonantsary [es] ahitàna an'i Carlos Vera manazava ny drafitra hanalàna ny filoha eo amin'ny toerany
Ao anatin'ity bilaogy Vencer el Miedo (Manalany tahotra) ity, nanambara ny i Carlos Vera fa ny valin'ny hetsika natao :
Rebasa lo esperado el entusiasmo y valentía de los ecuatorianos ante esta propuesta pacífica y democrática de revocar la cabeza de un modelo nefasto; eso nos compromete más a pulir toda la organización prevista hasta hoy así como a minimizar los riesgos advertidos por algunos sectores y analistas sobre la distorsión que harán el gobierno y sus partidarios de la propuesta
Raha araka ny andininy faha 105 ao amin'ny Lalàmpanorenan'ny Ekoater [es], ny mponina rehetra dia afaka manala manam-pahefana voafidiny tamin'ny fifidianam-bahoaka tsy ho eo amin'ny toerany raha vao dila ny herintaona ary mialoha ny taona farany tokony hahataperan'izany. Nampahafantatra ihany koa i Luna de Papel [es] fa:
la solicitud de revocatoria deberá respaldarse además por un número no inferior al 10% de personas inscritas en el registro electoral correspondiente.
Niteraka fampitandremana sy fanamelohana maro nifanesy izay narahan'ny hafanam-po voalanjalanja io fikasana io. Tao anatin'ny blaogy Reflexiones desde la mitad del universo [es] (Teny natao ho saintsainina avy any amin'ny ivon'ny tontolo ) dia nivazivazy i Pablo d'Ibarra momba an'io resaka io tao anatin'ny lahatsoratra iray nilazàny fa hoe “mitovy tsy misy valaka eo amin'ny resaka lainga, didy jadona, fitaka, ary eo amin'ny filan-dratsy i Vera sy ny filoha Correa.”
Na izany aza, tsy vaovao akory io hetsika io. Namoaka lahatsoratra momba an'io drafitra io ny blaogy Buscando Libertad (Mitady ny fahafahana) tamin'ny 23 oktobra 2009:
Cuando se pregunta en la calle a las personas su opinión sobre la gestión del Presidente Correa la mitad dice pésima y el resto aún son fanáticos.
Nitovy hevitra tamin'izany i Dimitri Cevallos tao amin'ny El eco de los pasos [es] (Ny akon'ny dingana) :
Actualmente la opinión de los ecuatorianos está dividida en torno al tema de la revocatoria del mandato. Algunos sectores están totalmente de acuerdo con ella, otros aunque están de acuerdo con la salida de Correa no confían en las “buenas intenciones” de los impulsores de esta revocatoria y por supuesto también existen sectores fieles al gobierno y su gestión.
Nanoratra i Michel avy ao amin'ny Ecuador para el Mundo [es]:
Está de moda lo de la revocatoria del mandato, otra de las grandes novelerías que nuestro gobierno quiso experimentar y el cual le ha reventado en la cara. En teoría suena bonito, el derecho de los ciudadanos a dar por terminado un período por el cual han sido elegidos sus dignidades ya que no cumplieron con las expectativas del pueblo, pero de ahí a la vida práctica hay un mundo.
Nahenoina feo ihany koa tao amin'ny Twitter. Nanambara i Sofia (@Kathacm) fa:
Si llega a salir correa por la muerte cruzada ( revocatoria de mandato ) y se convoca a elecciones…… Quien podra defendernos???
Raha ny hevitr'i Patrizia Parodi (@PatriziaParodiR) kosa dia fitoniana ara-politika izany:
Odio a correa, pero no creo en los golpes de estado ni revocatorias de mandato, soy democrática y creo en la seguridad jurídica del estado
Mety hahazo ny ben'ny tanàna ihany koa io fikasam-panonganana io. Tafiditra ao anatin'ny lisitra i Guayaquil.
Ilay fikasàna hanala ny filoha amin'ny toerany, ankehitriny dia narahan'ny fikasana hanongana ireo manam-pahefana eo an-toerana ao amin'ny firenena. Nampahafantatra momba an'io fikasan'ny ao an-toerana io i Héctor Ygonet Céspedes avy amin'ny Neoliberalismo [es] :
Otros escenarios revocatorios contra autoridades locales también están en marcha, como los de los alcaldes de Duran, Yaguachi, Santa Elena y Babahoyo. Estos procedimientos estarían siendo impulsados por sus últimos adversarios políticos, de candidatos de Alianza País, el conglomerado político que apoya al Gobierno.
Efa an-dalana koa izao ny endrika hafa ho fanonganana manam-pahefana eo an-toerana toy ny fanonganana ben'ny tanàna ao Duran, Yaguachi, Santa Elena ary Babahoyo. Ireo fikasàna ireo dia voalaza ho natosik'ireo antoko politika nanohitra azy ireo ara-politika farany indrindra, mpilatsaka hofidiana avy amin'ny Alianza País, ilay fiaraha-mientana manohana ny governemanta.
Mitatitra ny Ecuador en Vivo [es] fa nisy mpivarotra tsy nanara-dalàna nampiseho fanonganana an'i Jaime Nebot, ben'ny tanàn'i Guayaquil, tanàn-dehibe faharoa manan-danja indrindra ao Ekoatera.