[Fanamarihan'ny mpandikateny: lahatsoratra nosoratana tamin'ny 25 Septambra 2010]

Sarin'i Jiew avy amin'ny vohikalan'ny Digital Democracy
Notanan'ny polisin'ny fifindrà-monina (polisin'ny sisintany) i Chiranuch Premchaiporn tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Suvarnabhumi androany tamin'ny 2ora sy sasany hariva rehefa tonga avy any amin'ny Fivoriana 2010 momba ny Fahalalahana amin'ny Aterineto tany Hongria. Nampiseho taratasy fisamborana navoakan'ny Fitsaràn'ny Faritra Khon Kaen ny mpitandro filaminana, ary mety halefa any amin'io faritra io izy androany. Hatreto aloha dia tsy mbola mazava ny fanamelohana azy.
Toa voaheloka ho tsy nanàja ny Lalàna momba ny heloka amin'ny solosaina ihany koa izy.
redbebear RT @Thai_Talk: Fisamborana an'i Chiranuch (@jiew) avy ao Prachatai, didy fisamborana nivoaka tamin'ny 8 Nov 2009 milaza ny Lalàna momba ny Heloka amin'ny Solosaina, tranga tsy fanajàna mpanjaka indray! #Thailand
Avy hatrany taorian'ny fisamborana azy, nampiasa ny tenifototra #freejiew ireo namana sy mpanohana mba hitakiana ny famotsorana azy. Nisy bilaogy koa noforonina hamatsiana fanampim-baovao momba ny fisamborana azy. Ireto ny vaovao farany tao amin'ny twitter
bact Ho an'ny rehetra, salama tsara i @jiew. tsara fanahy ny polisin'ny fifindra-monina. Any amin'ny misasak'alina izahay vao ho tonga any amin'ny tobin'ny polisy any Khon Kaen
veen_NT Nalefa tany Khon Kaen i Chiranuch (@jiew) mba hihaino mivantana ny fiampangàna azy rehefa avy notànana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Suvarnabhumi.
bact: @Incognito_me miaraka amin'i @jiew anaty fiara izao . Ho any amin'ny tobin'ny polisy any khon kaen. Tsy tena fiaran'ny mpitandro filaminana, fa fiara manokan'ilay manamboninahitra ao amin'ny mpitandro filaminana
Mila fandoavana onitra
MichaelBKK: RT @jfxberns: RT @s_narut: “@supinya: mila 200.000 Baht (61666$) i @jiew handoavana onitra. Manampy izao ireo namany. #IAL2010 #netfreedom” #freejiew
Nanome torolàlana tamin'ny aterineto ireo naman'i jiew momba ny fomba hanomezana ho an'ny fanangonam-bola ho an'ilay onitra.
Ireto misy fanehoan-kevitra sasany tao amin'ny twitter momba ny fisamborana an'i jiew
thaitvnews nosakanany aloha ny 3G dia izao izy misambotra mafana fo amin'ny aterineto #freejiew
d3woysterburg3r: RT @jfxberns: Ndàna ry Thailand a, sambory ny olona marani-tsaina sy tso-po tahaka an'i @jiew avy any @pratchatai dia ankalazao ireo mpisoloky.
jfxberns: @supinya Mieritreritra aho fa i @jiew niresaka momba ny fahalalahana miteny no antony nisamborana azy.markmackinnon: miborotsaka ny saron-tava demokratikan'i Thailand rehefa voahenjika noho ny *sento*, “sy faniratsirana mpanjaka” ny mpanao gazety toa an'i Chiranuch Premchaiporn…
dvanpelt…dia vao mainka midina ambany i Thailand amin'ny filaharan'ny firenena nahita fahalalàna… #freejiew
emjacobi RT @jfxberns: Maty ny fahalalahana miteny amin'ny Aterineto any Thailand. Afaka maneho hevitra amin'ny vohikala tiany ny rehetra dia voasambotra ny tompony/mpitantana izany. #freejiew
Malaza izao ny #freejiew any Thailand.
Resahina maneran-tany ny #jiew.
Nosamborina tamin'ny 2 ora sy sasany tany ho any i Jiew nefa gazety lehibe iray ihany tany Thailand no nitatitra izany (misasak'alina izao).
s_narut Mahagaga fa ny The Nation ihany no haino aman-jery mahazatra any Thailand mitatitra momba ny tranga @jiew amin'izao fotoana izao. #freejiew http://bit.ly/bFmcXD
Naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny New Mandala i Sokapok
Fa dia niharatsy toa inona ny trangan-javatra no mino ny sasany amintsika fa fototry ny filaminana ara-politika ny fanapenana vavan'olona sy ny tsy firaharahiana azy ireo, toa izay ny fihainoana azy sy ny fijerena ny olany? Tsy tena mazava loatra ve fa ny mifanohitra amin'izany no izy? Fa nahoana ireo olona ireo no tsy afaka mahita izany? Mahatsapa tena ho toa mandray pilin'adala aho
Naneho hevitra koa i jonny
Haneho hevitra somary manohitra aho eto – ka izay rehetra miahiahy ny tanjoko dia afaka mandaza ahy any amin'ireo mpanivana noho ny filazàna izay ato an-tsaiko – ary hamerina ny hevitra nambarako teo fa, raha amin'ny fahatakarako (voafetra) ny trangan'ny Prachatai, manahy aho fa tsy vitan'ny hoe tsy mety ny fisamborana ny mpitantana azy noho ny fanaovana “faniratsiràna mpanjaka”, fa sady tsy rariny (amin'ny zavatra hita fara-faharatsiny), ary azo antoka, raha tsy zavatra hafa, fa ohatra amin'ireo izay ho voasambotra ireo mpitia loatra ny tombotsoan'i Thailand ao ampon'izy ireo.
Hafatra ho an'i jiew
jjbrowny Matoria tsara, makà aina. Rahampitso, azo antoka fa ho avy ny andro mamiratra kokoa 🙂 #freejiew
Nandritra ny taona vitsivitsy farany teo, maro ireo fisamborana natao tany Thailand misy fifandraisany amin'ny “faniratsirana mpanjaka“. Nampiasa ny lalàna koa i Thailand hanivànana vohikala an'arivony maro.