· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jona, 2013

Nibitsika Mikasika Ny Adihevitry Ny Parlemanta Mikasika Ny Fanambadiana Ny Praiminisitr'i Kroasia Teo Aloha

Nanapa-kevitra ny hibitsika ao amin'ny kaontiny Twitter ny Talata 28 May hariva teo i Jadranka Kosor, Praiminisitra Kroaty teo aloha sady solombavambahoaka ao amin'ny parlemantan'i Kroasia ankehitriny mba haneho ny tsy fahafaliany mikasika ny adi-hevitra nataon'ny Parlemanta ankehitriny: ny famaritana ny fanambadiana hotovanana ao amin'ny Lalàm-panorenan'i Kroasia. Mitatitra i Danica Radisic

Mozambika : Mitokona Mitaky Karama Ambonimbony Kokoa Ireo Mpiasan'ny Fahasalamana

  02 Jona 2013

Nitokona nandritra ny folo andro ny mpiasan'ny fahasalamana mozambikana, nitarika tany amin'ny fiatoan'ny asa atao any amin'ny toeram-pitsaboana maro manerana ny firenena. Ny fisondrotan-karama, ny fampitoviana, ary ny fanamboarana ny saran'ny ao amin'ny sampan-draharahan'ny vonjy aina amin'ny tobim-pitsaboana manerana ny firenena no fototry ny fitakiana ataony amin'ny governemanta.