· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2008

Egypta:Mpitoraka blaogy miatrika vava-ady

  10 Avrily 2008

Nihazakazaka niaraka tamin’ny famantaranora (famantaranandro) ny mpitoraka blaogy Egyptiana nampita ho an’izao tontolo izao ny fitroatr’ireo mpiasa izay niantraika tamin’ny firenena manontolo, toy ireo an’arivony nitangorona nanoloana ny Al Mahalla orinasa fanenonan-damba, nangataka ny hanamboarana ny karamany ho tsaratsara kokoa sady nanohitra ny fisondrotry ny vidim-piainana. Isan’ny voalohany koa niaraka...

Eoropa: OTAN

  10 Avrily 2008

Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny...

Iran: Miantso fihavaozana i Ahmadinejad

  09 Avrily 2008

Mahmoud Ahmadinejad, Filoha Iraniana, tamin'ny famahanam-bolongana farany nataony, no niteny [Fa] fa mila fanavaozana ny firenena ary tsy tokony afangarontsika ny fahakamoana sy ny fifikirana amim-pahalalàna ny nentim-paharazana.Niangavy ny olona izy tsy hatahotra ny fanavaozana.

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

  07 Avrily 2008

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo...

Angola : fankalazana ny tsingerintaonan’ny fandriampahalemana

  05 Avrily 2008

Ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Fandriampahalemana’, no ankalazan’i PValente [pt] ny tsingerintaona niverenan’ny fandriampahalemana tamin’ny 04/04/2002 tao Angola taorian’ny fitsaharan’ny ady an-trano, ary dia navoakany koa ny sarin’ny T-shirt ‘ahatsiarovana ny fahaenintaonan’ny andron’ny fandriampahalemana sy ny fampihavanam-pirenena tao Angola.’

Iran : Voasivana ny Vaovaon’ny Shia

  05 Avrily 2008

Lazain’i Bahraini [Fa] fa sivanin’ny mpitondra ny vohikalam-baovaon’ny Shia Iraniana ( foibem-pampahalalam-baovao ho an’ny shiita) nefa tsy misy manazava ny anton’izany. Ampian’ny mpamaham-bolongana moa fa nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny asany ny mpitantana ny vohikala. Indreto misy saripikan’ny fotoampisokafan’ny Vaovaon’ny Shia.

Bolgaria: Manohitra ny “Fanelingelenana” ny Internet

  03 Avrily 2008

Ny 30 janoary. . Ny andrimpanjakana milaza fa fampiharana izay voalazan'ny Directive 2006/24/EC izy io, raha fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny tsirairay kosa ho an'ny maro an'isa mampiasa internet any Bolgaria. Ny hetsika sivily Electronic Frontier dia namoaka fanangonan-tsonia (petition) (BUL) tamin'ny internet hanoherana ilay didy, olona efa maherin'ny 1150 sahady no...

Hongria: krizy eo amin'ny governemanta

  02 Avrily 2008

Eva Balogh ao amin'ny Hungarian Spectrum no mitatitra ny krizy miseho eo amin'ny firaisankina governemantaly manasratsaraka ny mpikambana aoamin'ny governemanta raha nanala ny minisitry ny fahasalamana ny praiminisitra.

Mozambika : Hetsika ho fanoherana ny fisondrotry ny vidim-piainana any Afrika

  01 Avrily 2008

Carlos Serra monina any Maputo, Mozambika no manapariaka ao amin'ny blaogy diário um sociólogo [diarin'ilay mpandinika fiaraha-monina] ireo hetsika sy fikomiana ho fanoherana ny fisondrotry ny vidim-piainana, tamin'ity indray mitoraka ity dia tany Senegaly sy Côte d'Ivoire no nitrangan'izany, nohon'ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo. Maminany ity mpandinika ny fiaraha-monina [sociologist...