Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2023
Mahita tombony avy amin'ny nofy ratsy ao Myanmar ve ny Telegram?
Misy fantsom-pifandraisana manahirana, mitombo eo amin'ny tsenan'ny Myanmar Telegram, saingy tsy noraharahian'ilay orinasa ilay olana.
Aiza i Wanchelearm Satsakit? Ny fikarohana ilay thailandey mpikatroka nalaina an-keriny tao Kambodza nanaovany sesitany
Mifandraika amin'ny fanjavonan'ireo mpikatroka valo hafa nialokaloka nanjavona ny raharaha Wanchalearm, efa hita y vatana mangatsiaka an'ireo telo
Manodidina ny 47.000 ireo miaramila Rosiàna maty nandritra ilay fananiham-bohitra nidadasika tao Okraina
Tao anatin'ny 15 volana monja nisian'ny ady tao Okraina, avo telo heny ireo miaramila rosiàna maty raha miohatra amin'ny an'ireo andian-tafika sôvietika nandritra ny 10 taona tao Afghanistàna
Mety hanimba ny asan’ny mpanao gazety ny lalàna vaovao momba ny fampitam-baovao any Papouaise-Nouvelle-Guinée
"Fanontaniana tsotra no apetrakay, inona no afenintsika tsy hohadihadian'ny daholobe?"
Mampitsangam-bolo ny mpandala ny mahazatra ny tantara maha-raimanandreny pengoay pelaka
Hatrany Aostralia ka hatrany Etazonia, sakanan'ny mpandala ny mahazatra ny fampidirana ny tantaran'ny pengoay pelaka any an-tsekoly sy tranomboky.
Namoaka lalàm-panabeazana vaovao tia tanindrazana i Shina hanamafisana ny rafi-pitondrana antoko tokana
Kinendriny ny hampitombo ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny Shinoa rehetra na ao an-toerana na any ampitan-dranomasina, indrindra ireo olom-pirenena avy any Hong Kong, Makao ary Taiwan.
Ao Togo, mpanao gazety notolorana loka noho ny ady ataony amin'ny kolikoly, voatery miaina an-tsesitany
Ao Togo, ny fahavononany sy ny fiaretan'i Ferdinand Ayité, mpanao gazety, no nahazoany loka iraisam-pirenena, saingy tsy nanaova ny fiainany an-tsesitany.
Nandao ny Facebook ny praiminisitra kambodziana taorian'ny fitenenan'ny Filankevitra Mpanaramaso
Nofafan'ny Praiminisitra Kambodziana Hun Sen ny kaontiny Facebook ofisialy taorian'ny nandrisihan'ny Birao Mpanaramason'ny Meta hampiatoana ny kaontiny mandritra ny enimbolana taorian'ny nizarany lahatsary mandrisika herisetra.