Mampitsangam-bolo ny mpandala ny mahazatra ny tantara maha-raimanandreny pengoay pelaka

Sphen and Magic - Screenshot from YouTube video: Same-sex penguin couple is first in Australia to nurture foster egg

Sphen sy Magic – Pikantsary avy amin'ny video YouTube: pengoay roa mitovy taovam-pananahana miaraka tao Aostralia mikotrika atody

Samy tia tantara pengoay ny rehetra. Fa tsy ny olon-drehetra raha ny hita.

Ampolony taona maro izao ny fampitam-baovao no nitatitra tantara-ana pengoay pelaka. Nasongadina tamin’ny taona 1998, ohatra, ny fombafombam-panambadian’izy ireo, tao amin’ny Zaham-bibin'ny Central Park any New York. Foy ny atody avy amin'ny mpivady iray hafa rehefa nokotrehan'ny mpivady samy lahy Roy sy Silo ka natsanga-dry zareo ho toy ny zanany i Tango. Naseho tamin'ny boky ho an'ny ankizy And Tango Makes Three ny fiarahan'izy ireo. Niteraka resabe izy io hatramin’ny nivoahany tamin’ny taona 2005, nahazoana fanoherana ny fisiany any an-tsekoly sy tranomboky hatramin’izay fotoana izay.

Nisy tranga iray niseho vao haingana tany Flôrida, Etazonia, izay nanakanan’ny biraon’ny sekoly iray ny fidiran’ny boky ho an’ny mpianatra avy amin’ny Akanin-jaza ka hatramin’ny taona faha-3. Misy ny fitoriana ataon’ny fianakaviana sy anoheran'ny mpanoratra an’ilay boky hanoherana ny fandraràna.

Nafana dia nafana ny fanohanan-kevitra tao amin'ny media sosialy:

VAO IZAO

Nofidin'ny filankevitry ny sekoly ao amin'ny Fivondronan'i Escambia, Flôrida ny HANDRARA NY “AND TANGO MAKES THREE”, tantara marina momba ireo Pengoay roa lahy niaina tao amin'ny Zaham-bibin'i Central Park.

Niara-nanamboatra akany izy mivady ary nitaiza zanaka natsangana, Tango

Tsy misy votoaty ara-nofo tao anatin'izany

Tsia, boky tsy sahaza izany. Amin'ny maha-ray aman-dreny ahy, tsy tiako ny zanako mamaky izany zavatra tsy misy dikany izany any am-pianarana. Ny sekoly dia natao hampianarana ny ankizy hamaky teny sy hanoratra sy manisa ary hahay hisaina. Mikolokolo azy (hanahaka) ny boky miresaka pengoay pelaka ho an'ny ankizy 6 taona.

Nahafeno fepetra hiasa an-tsambo mpisitrika aho tamin'ny taona 1999 ary mbola miasa amin'ny sambo mpisitrika ho an'ny tafika an-dranomasina.

Tamin'ny 24 ora farany nahalalàn'ny Twitter avy amin'ny “manam-pahaizana”, dia heveriko fa takatro izao ny fahasorenan'ny dokotera/infirmiera tamin'ny manampahaizan'ny vakisiny tamin'ny taona 2021, sy ny fahasorenan'ny mpampianatra isan'andro noho ny nataon'i Desantis.

Tian'i Steve Silberman, mpanoratra malaza sady mpandray anjara amin'ny gazetiboky Wired, ny hanao fampitahana ny toe-java-misy tamin'ny raharaham-basy tany Etazonia:

Izany no tena endriky ny “fikolokoloana”.

Tsy ny ankizy mamaky momba ny pengoay pelaka ao amin'ny tranomboky na mianatra fa mainty hoditra i Rosa Parks. Fa ny tantaran'ny #GOP Rep. Andy Ogles avy ao Nashville nanofana ny zanany ho tia ny milina famonoam-bahoaka.

Nandritra izany fotoana izany, nisy tantara mitovy amin'izany nipoitra tany Belzika:

Tao amin'ny zaham-biby iray tany Belzika, pengoay pelaka 2 nanangan-janaka. Noho izany, tsy “manohitra ny natiora” izany

Andao hiverina any Aostralia, nifamaliana ihany koa ny drafitra hampidirana ny fifandraisan'ny pengoay lahy Sphen sy Magic ao amin'ny fandaharam-pianarana any New South Wales:

Two gay penguins who successfully raised a chick together will help schoolchildren learn about same-sex relationships as part of a new syllabus aimed at kids from kindergarten to Year two.

Pengoay pelaka roa nahalehibe zanakavavy no hanampy ny mpianatra hianatra momba ny fifandraisan'ny samy lahy na samy vavy ao anatin'ny fandaharam-pianarana vaovao mikendry ny ankizy akanin-jaza ka hatramin'ny taona faharoa.

Nahazo lohatenim-baovao manerantany ny tantara ôrizinaly naha-ray aman-dreny tamin'ny Oktobra 2018, anisan'izany ity singa avy amin'ny ABC7 News Bay Area ity:

Nanolo-kevitra i Lyle Shelton, Aostraliana malaza mpandala ny mahazatra, fa namoron-tantaram-pitiavana eo amin'i Sphen sy Magic ny Sydney's Life Aquarium amin'ny fikasana “hanasa atidoha ny ankizy”. Namaly tamin'ity lahatsary fohy ity tao amin'ny Twitter ny Empact News:

Niampanga ireo pengoay pelaka ho ‘namitaka’ ny fifandraisan'izy ireo ny Talen'ny kristiana aotraliana mpandresy lahatra an-dalantsara teo aloha, Lyle Shelton.

Nipoitra vao haingana tao Trinidad sy Tobago ny raharaha mitovy amin'izany, izay nivarotan'ny mpivaro-boky iray tao an-toerana boky ho an'ny ankizy iray mitondra ny lohateny hoe “I am a Rainbow”, nosoratan'i Mark Kanemura, amerikana mpisolovavan'ny LGBTQ+ sady kintan'ny media sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.