Natolotra ny komity maharitra ao amin'ny Kongresin'ny Vahoakan'i Shina tamin'ny 26 Jona 2023 ny volavolan-dalàm-panabeazana momba ny fitiavan-tanindrazana.
Takin'ny lalàna ny andrim-panjakana rehetra, ny governemanta, ny sekoly amin'ny ambaratonga rehetra, ny sampan'ny Antoko Komonista Shinoa (AKS), ny fampitam-baovao, ny mpanome tolotra aterineto, ny orinasa, ny sampan-draharaham-panjakana, ary ny fikambanam-bahoaka, anisan'izany ny vondrona mpiasa sy vehivavy, vondrona matihanina, sns. hanatontosa fanabeazana momba ny fitiavan-tanindrazana amin'ny famariparitana ny asany.
Nandritra ny tantaran'ny AKS (CCP), napetraka ho fototry ny fanabeazam-pitiavan-tanindrazana ny fiderana ireo mpitarika ara-panahin'ny Antoko, manomboka tamin'i Mao Zedong sy Deng Xiaoping ka hatramin'i Xi Jinping, ireo fombafomba fanao mifandraika amin'ny marika nasionaly (faneva sy hiram-pirenena). Lohahevitra hafa ireo tontolon'i Shina sy ny endritaniny, ny fahalalàna ny firaisankina ara-poko, ny fiarovam-pirenena, ary ny asan'ireo maherifo sy maritiora teo amin'ny tantaran'i Shina.
Takin'ny lalàna ny fanasaziana ireo fihetsika manimbazimba ny marika nasionaly, manala baraka ireo maherifo sy maritiora, mitsipaka ny fanafihan'ny vahiny sy ny vonoan'olona, ary ny fibodoana na fanimbana ny toeram-pampianaram-pitiavan-tanindrazana.
Kinendriny ny hampitombo ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny Shinoa rehetra na ao an-toerana na any ampitan-dranomasina, indrindra ireo olom-pirenena avy any Hong Kong, Makao ary Taiwan.
Ho setrin'ny lalàna, nanambara i John Lee, Lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, fa natolotra ny lalàna nasionaly “hanamora ny fananganana soatoavina arahan'ny besinimaro izay mahita ny fitiavana an'i Shina sy i Hong Kong ho fototr'izany” ary tsy ijerena izay lalàna naroso ho azo ampiharina ao Hong Kong, fa hankatoa ny takiny ny governemanta.
Tsy banga zava-mampiady hevitra ilay lalàna. Fanehoan-kevitra iray niely indrindra nataon'i Yan Xuetong, sojaben'ny Ivotoeram-Pifandraisana Iraisampirenena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tsinghua, no nanantitrantitra fa tokony ho avy amin'ny nahim-po toy ny fitiavana hafa ny fitiavan-tanindrazana fa tsy asesika. Voatsikera mafy ho “manadevoly” ny fanabeazam-pitiavan-tanindrazana ny fomba fijeriny, ary nanonona ny fanabeazam-pitiavan-tanindrazana ao Etazonia ny sasany mba hanamarinana ilay lalàna vaovao. Saingy nanamarika ny bilaogera Shinoa hafa toa an'i Chris Cai fa ny hetsika fandoroana ny sainam-pirenen'i Etazonia dia voaaro amin'ny fanitsiana voalohany (ny lalampanorenana), araka ny voalaza ao amin'ny raharaham-pitsarana nifanolanan'i Etazonia amin'i Eichman (1990), manaporofo ny fahasamihafana lehibe eo amin'ny nasionalisma any Etazonia sy Shina. Namoaka didy ihany koa ny fitsaran'i Etazonia fa tsy azo terena hotanterahana any an-tsekoly ny fanekena tsy fivadihana amin'ny sainam-pirenena (Filankevi-Pitantanana Fanabeazam-Panjakana West Virginia nifanolana tamin'i Barnette).
Na dia maro aza ny fanehoan-kevitra manakiana nesorina na nafenina tsy ho hitan'ny besinimaro tao amin'ny Weibo, dia tonga hatrany amin'ny henoina ho fanesoana ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra teo amin'ireo mpanohana ny lalàna. Ohatra, niraikitra tamin'ny randram-baovaon'ny Xinhua, miankina amin'ny fanjakana, ao amin'ny Weibo, mahahendratra ny soso-kevitra amin'ny fampiharana ny lalàna:
出个公共场所行为规范吧,上升到刑法那种。
Ampidiro ny taridalana fitondran-tenam-bahoaka sy manameloka ireo hetsika mivaona amin'ny eken'ny rehetra.
建议替代了英语放在中考和高考里
(Andao ny fanabeazam-pitiavan-tanindrazana) hanolo ny taranja anglisy amin’ny fanadinam-panjakana.
打击高级黑低级红,假冒的爱国者
Enjeho ireo esoeso mampiasa fiteny mifanitsy amin'ny politika, manatsotra diso tafahoatra ny hevitry ny AKS, sy ireo tia tanindrazana sandoka.
Nandikan'ny China Digital Times ireo fanehoan-kevitra sy vazivazy sasany momba ny volavolan-dalàna tao amin'ny Zhihu mitovy amin'ny Quora Shinoa:
“你是怎么进来的”
“有人问我:你爱国吗?”
“所以你是因为不爱国进来的”
“不是,我回答:祖国怎么爱我,我就怎么爱国”
“所以就这么进来了”
“Ahoana no niafaranao tany am-ponja?”
“Nisy nanontany ahy hoe: ‘Tianao ve ny firenenao?’”
“Ka izany no nampigadra anao satria tsy ampy fitiavan-tanindrazana ianao?”
“Tsia. Namaly aho hoe: ‘Tiako ny fireneko toy ny fitiavany ahy.’ ”
“Oh, izany no mahatonga anao any am-ponja.”
别逗了,自己孩子千方百计要么直接跑去国外生落地就是外国籍,要么小学毕业就送到国外初中高中大学甚至就业一条龙,有什么资格给国人普法要爱国的???天大的笑话唷
Nananihany ahy ianao. Nanomana ny fomba hahazoan'ny zanany ny zom-pirenena vahiny ireo olona ireo, na izany tamin'ny alàlan'ny fanaovana izay iterahana any ivelany na amin'ny fandefasana azy ireo any ampitan-dranomasina isaky ny ambaratonga: ambaratonga faharoa,lisea, oniversite ary farany asa any ivelany. Ahoana no ahafahan'izy ireo mahafeno fepetra amin'ny fanabeazana ny Sinoa momba ny fitiavan-tanindrazana? Kibokibo goavana izany.
建议用测谎方法进行爱国主义测试,将不爱国的人进行电击治疗,直到爱国为止。
Manolo-kevitra aho hampiasana ny polygraphs (Fitsirihan-dainga) hitsapana ny fitiavan-tanindrazana. Tsaboina amin'ny fitselarana herinjiro ireo tsy ampy fitiavan-tanindrazana mandra-paha-ampy fitiavan-tanindrazana azy ireo.