Manodidina ny 47.000 ireo miaramila Rosiàna maty nandritra ilay fananiham-bohitra nidadasika tao Okraina

Sary an'i Julia Kadel ao amin'ny Unsplash. Nampiasàna ny lisnsa Unsplash.

Araka ny fanadihadiana niarahan'ny Meduza, Mediazona, sy ilay mpahay antontanisa Dmitry Kobak avy ao amin'ny Oniversite Tubingen, manodidina ny 47.000 eo no tena isa marina amin'ireo miaramila rosiàna maty tamin'ny fananiham-bohitra tao Okraina. Io tombana io dia niainga avy amin'ny fandalinana ireo fahafatesana navoakan'ny Sampandraharaha Federaly misahana ny Antontanisam-Panjakana, sy ireo firaketana marobe avy amin'ny Rejisitra Nasiônaly misahana ny Fandovàna. Tamin'ny fandinihana ireny loharano ireny, tombanan'ireo mpikaroka ho eo anelanelan'ny 40.000 sy 55.000 ireo lehilahy rosiàna latsaky ny 50 taona maty an'ady tany Okraina tamin'ny 27 May 2023. Raha raisina anaty kajy ireo miaramila naratra mafy tsy niverina nanao asa miaramila intsony, ny isan'ireo fahavoazana ho an'i Rosia dia tafakatra ho miaramila tsy latsaky ny 125.000.

Lasa mibaribary ny lanjan'ireny tarehimarika ireny rehefa ampitahaina amin'ireo fifandonana tany aloha. Tao anatin'ny 15 volana monja nisian'ny ady tao Okraina, avo telo heny ireo miaramila rosiàna maty raha mitaha amin'ireo andian-tafika sôvietika nandritra ny 10 taona tany Afghanistàna. Fanampin'izany, avo sivy heny ny isan'ireo maty tao Okraina raha oharina amin'ireo namoy ny ainy nandritra ny ady voalohany nifanaovan'ny Rosiàna sy Tsetsenina tamin'ny 1994 hatramin'ny 1996. Tsy ny isa ambony be amin'ireo aina nafoy tao anatin'ilay ady mahery setran'i Vladimir Poutine ihany no avoitran'ireny tarehimarika ireny, fa koa ireo ezaka tsy naraham-pisainana nataon'ireo manmpahefana mba hanafenana amin'ny vahoaka rosiàna ny tena sandan'ilay fananiham-bohitra.

Nafenin'ny governemanta rosiàna ireo vaovao mikasika ny fahavoazana, ary ny famborahana ireo fahafatesana miaramila rosiàna eny anaty tambajotra sôsialy dia mety hitondra amina fanenjehana avy amin'ny pôlisy rosiàna. Tsy mitondra fanavaozana momba ny isan'ny maty sy naratra ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovana, efa hatramin'ny Septambra 2022, fony izy ireo nanamafy fa 5.937 monja ireo miaramila rosiàna maty hatramin'io fotoana io, nandritra ilay “hetsika ara-tafika manokana”.  Na izany aza, noho ny natioran'ilay ady, tsy azo eritreretina ny hanekena ho marina ireo tarehimarika momba ny fahafatesan'ny miaramila rosiàna, satria ny andaniny sy ny ankilany samy mirona amin'ny fanatavezana ny fahavoazana nanjo ny mpifanandrina aminy, sy amin'ny fanakelezana ny avy aminy.

Ny vaovao tena azo ianteherana momba ny fahavoazana nanjo an'i Rosia tao anatin'ilay ady dia ny avy amina angondrakitra iray natsangan'ireo mpanaramaso tsy miankina miaraka miasa amin'ireo mpanao gazety ao amin'ny Mediazona sy ny BBC. Io angondrakitra io dia manaraka akaiky ireo maty an'ady voalaza eny anaty tambjajotra sôsialy sy ny media ao an-toerana. Amin'ny fotoana anoratana, ambaran'ilay angondrakitra fa misy 27.000 ireo miaramila rosiàna maty ao Okraina. Kanefa, io isa io dia tsy maneho afa-tsy ampahany amin'ny fitambaran'ny isa rehetra tamin'ireo niharam-pahavoazana, satria marobe ireo fahafatesana tsy nambara noho ny tahotra fanenjehana, ny fisian'ireo teratany vahiny miaraka miady eo anilan'ireo rosiàna sy ny famotsorana ireo gadra mba haleha hiady any Okraina.

Mba hanomezana tombana marimarina kokoa, afaka nidiran'ireo mpanao gazetin'ny Meduza sy Mediazona ny angondrakitra iray somary teritery saingy tsy nakatona ho tsiambaratelo momba ny resaka fandovàna. Rehefa nampitaha ny fironan'io angondrakitra io tamin'ireo angondrakitra momba ny mponina ary azon'ny daholobe jerena, sy ny fifandraisana tany aloha tamin'ireo filazam-pahafatesana, azon'izy ireo natao ny nanombana ny fitambaran'ny isan'ireo miaramila rosiàna maty tany Okraina tamin'ny faran'ny May 2023 ho manodidina ny 47.000. Hatramin'ny 2014, olona miisa 11 tapitrisa no voarakotr'ilay angondrakitra, ary na dia tsy mbola tena feno tanteraka aza ilay izy, ny halehiben'ireo fantina noraisina dia mahatonga ilay angondrakitra ho azo itarafana ny zavamisy sy azo ianteherana amin'io fandalinana io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.