Manohy amin'ny fikarohana an'i Wanchalearm Satsaksit, Thailandey mpikatroka, ny fianakaviana, ny namana ary ny mpanohana telo taona taorian'ny nanjavonany fony izy nipetraka an-tsesitany tany Kambodza.
Nandositra an'i Thailandy i Wanchalearm taorian'ny fanonganam-panjakana tao amin'io firenena io tamin'ny taona 2014. Nipetraka tany Malayzia izy tamin'ny voalohany talohan'ny niorenam-ponenana tany Kambodza niaraka tamin'ireo mpisintaka hafa. Nanohy nanohitra ny governemanta tohanan'ny miaramila ao Thailandy i Wanchalearm tamin'ny alàlan'ny ranty pejy Facebook-ny maneso. Maromaro ny baiko navoaka hisamborana azy noho ny fisoloambavany hanoherana ny fitondrana miaramila.
Nanjavona i Wanchalearm tamin'ny 4 Jona 2020, andro vitsivitsy taorian'ny nandefasany lahatsary manakiana ny praiminisitra Thailandey. Ny tatitra fampitam-baovao fanadihadiana no nahafantarana fa nalain-dehilahy maro mitondra basy an-keriny teo am-pividianana sakafo teo anoloan’ny trano fonenany izy. Afaka niantso ny anabaviny, Sitanun Satsaksit izy, ary ny teny farany nataony taminy dia ny hoe “Tsy afaka miaina aho,” talohan'ny nanapahana azy.
Ny raharaha Wanchalearm dia mifandray amin'ny fanjavonan'ireo Thailandey mpikatroka valo hafa any Laos sy Vietnam. Efa hita ny fatin’ny roa amin’izy valo; mbola tsy fantatra ny toerana misy ny ambiny. Ny zava-manaitra amin'izy ity dia ny famoretana mihoatra sisintany mikendry ireo mpikatroka sy mpitsikera ny tafika sy ny fanjakan'i Thailandy.
Nihaika ny manampahefana hanao famotorana amin'ny fanjavonan'i Wanchalearm sy ireo mpikatroka hafa ny hetsika mpanohana ny demaokrasia nanetsika tanora mpikatroka tamin'ny taona 2020.
Telo taona taty aoriana, mbola tsy hita i Wanchalearm, saingy mitohy ny fanentanana mitady ny rariny. Tamin'ny 1 Jona 2023, nandeha tany amin'ny Foiben'ny Fisorohana ny fampijaliana sy ny fanjavonana an-terisetra ao amin'ny Biraon'ny Fampanoavana ny anabaviny mba hametraka fitarainana araka ny lalàna vaovao miady amin'ny fampijaliana sy ny fanjavonana an-terisetra.
Yesterday, June 4th, marks 3 years since the enforced disappearance of political asylum seeker Wanchalearm Satsaksit in Phnom Penh. His sister Sitanum Satsaksit, pictured here, vows to continue the search. (Photo from Sitanun FB.) #Thailand #whatshappeningThailand #KE #วันเฉลิม pic.twitter.com/YlaMGQuIIK
— Khaosod English (@KhaosodEnglish) June 5, 2023
Omaly 4 Jona no manamarika ny faha-3 taona nanjavonan'i Wanchalearm Satsaksit, ilay mpitady fialokalofana ara-politika, an-keriny tao Phnom Penh. Nivoady hanohy ny fikarohana ny anabaviny Sitanum Satsaksit, sary eto. (Sary avy amin'ny FB Sitanun.)
Nilaza tamin'ny media izy tamin'ny taona 2021 fa tapa-kevitra ny hanohy ny fikarohana ny anadahiny.
I don’t have a future anymore, but if I don’t fight, if I don’t do this, let me ask you—who is going to do it? Because no one can tell our story as well as us, and no one can tell our story every day. Reporters can only talk about it for no more than three days, so I have to talk about it myself.
Tsy manana hoavy intsony aho, fa raha tsy miady aho, raha tsy manao izany, avelao aho hanontany anao – iza no hanao izany? Satria tsy misy afaka mitantara ny tantaranay tahaka anay, ary tsy misy afaka mitantara ny tantaranay isan'andro. Ny mpanao gazety ihany no afaka miresaka momba izany mandritra ny telo andro, ka tsy maintsy miresaka momba izany ny tenako.
Nandritra ny hetsika Pride 2023 tao Bangkok, nisy mpikatroka sasany nitondra afisy misy ny endriky ny Wanchalearm. Nanentana ny governemanta ho avy ao Thailandy ireo mpiaro ny zon'olombelona mba hanao famotorana vaovao momba ity raharaha ity.
#BangkokPride remembers 3 years ago, Wanchalearm was abducted & disappeared in Phnom Penh. Hugely important for @Pita_MFP @MFPThailand @RangsimanRome to demand #Cambodia govt do real investigation of this & that #Thai govt officials in @MFAThai @PMOC10 reveal what they know! @hrw pic.twitter.com/lraLZKgx51
— Phil Robertson (@Reaproy) June 4, 2023
#BangkokPride nahatsiaro ny 3 taona lasa izay, nisy naka an-keriny & nanjavona tao Phnom Penh i Wanchalearm. Tena zava-dehibe ho an'i @Pita_MFP @MFPThailand @RangsimanRome ny fitakiana ny governemanta #Cambodia hanao fanadihadiana marina momba izany & mba hanambaran'ireo manampahefana ao @MFAThai izay fantany
Nivoady ny sasany amin'ireo manampahefana ao amin'ny Antoko Mandroso, izay nahazo vato be indrindra tamin'ny fifidianana farany teo fa hiasa hamerenana ireo Thailandey mpitsoa-ponenana ara-politika ny fiaraha-mitantana vaovao.
Tao an-drenivohitra Kambodziana ao Phnom Penh, nanao hetsi-panoherana saimbôlika teo amin'ny arabe nakana an'i Wanchalearm an-keriny ny tanora mpikatroka ho fanamelohana ny tsy fandraisan'ny manampahefana andraikitra.
On 4 June, youth human rights activists gathered near Mekong Garden Condo, where Thai human rights activist Wanchalearm Satsaksit was last seen in 2020, to mark the 3rd year of his enforced disappearance and urge Cambodian authorities to conduct a proper investigation on his case pic.twitter.com/QdV1dpWQCX
— CCHR Cambodia (@cchrcambodia) June 5, 2023
Tamin'ny 4 Jona, nivory teo akaikin'ny Mekong Garden Condo ireo tanora mpiaro ny zon'olombelona, izay nahitan'ireo mpiaro ny zon'olombelona farany an'i Wanchalearm Satsaksit, Thailandey mpikatroky ny zon'olombelona, tamin'ny taona 2020, hanamarihana ny faha-3 taona nanjavonany ary nandrisihana ny manampahefana Kambodziana hanao fanadihadiana araka ny tokony ho izy momba ny raharaha.
Naneho ny fahadisoam-panantenany ilay Kambodziana mpikatroka Mean Lisa nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny CambojaNews:
We don’t really expect that the government will take action or even the Thai embassy. But we just want to raise up, to show a picture to the public, to [show] people what the government is doing. There are so many unfair things that happen in Cambodia.
Tsy tena manantena izahay fa handray fepetra ny governemanta eny fa na ny masoivoho Thailandey aza. Saingy te-hitsangana fotsiny izahay, hampiseho sary ho an'ny daholobe, [haseho] amin'ny olona ny zavatra ataon'ny governemanta. Betsaka ny zavatra tsy rariny mitranga ao Kambodza.
Nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny masoivoho Thailandey ihany koa ny vondrona:
#Cambodia: About 20 youth hold peaceful demonstration in front of the embassy of #Thailand in Phnom Penh on the three-year anniversary of the disappearance of Thai activist Wanchalearm Satsaksit | #WhereIsWanchalearm pic.twitter.com/0GIgEMWk4S
— AG (@ag_fidh) June 4, 2023
#Cambodia: Tanora 20 eo ho eo no nanao fihetsiketsehana am-pilaminana teo anoloan'ny masoivohon'i #Thailand ao Phnom Penh tamin'ny fahatelo taona nanjavonan'ilay Thailandey mpikatroka Wanchalearm Satsaksit |
Nandritra izay telo taona izay, nampahatsiahy tsy tapaka ny vahoaka ny lova napetrany ny naman'i Wanchalearm. Nilaza tamin'ny media ny maha zava-dehibe ny fanohizana ny fanentanana ho an'ny rariny i Nuttigar, izay zatra ny fisoloambavan'i Wanchalearm.
Don’t forget who he was. He was just a crazy, ordinary man that was seen as a threat by the state until they had to get rid of him — so don’t let there be a second, third or fourth Wanchalearm.
Aza adino hoe iza izy. Lehilahy adala sy tsotra fotsiny izy izay noheverin'ny fanjakana ho fandrahonana ny fanjakana mandra-panesoran-dry zareo azy — koa tsy avela hisy Wanchalearm faharoa, fahatelo na fahefatra.
Lahatsary iray mitondra ny lohateny hoe ‘Ry Nanjavona Hajaina‘ taratasy nosoratan'ireo olon-tian'i Wanchalearm:
You are a symbol of bravery, hope, determination and strength. For those you left behind, you are a flame that cannot be extinguished. I hope you're safe. I hope you come back. And I promise you this, we will keep seeking the truth for as long as we live. Until we meet again…
Tandindon'ny herim-po, fanantenana, fahavononana ary hery ianao. Ho an'ireo navelanao dia lelafo tsy mety maty ianao. Manantena aho fa tsy ho azon-doza ianao. Manantena aho fa hiverina ianao. Ary mampanantena anao aho fa hikatsaka ny fahamarinana hatrany isika mandritra ny androm-piainantsika. Mandra-pihaona indray…