· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2011

Rosia: Nipoitra Indray Ilay Fikambanana Mpanao Asa Soa “Nanjavona”

Tena nanohina ny fo ny fahaizan'ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin nilalao piano sy nihira ilay hira “Blueberry Hill” tamin'ny fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa natao tamin'ny volana desambra 2010 saingy  nosembanin-drahona izany noho ny fiampangana ny Fikambanana  Federaciya’ (Federation) ho mikasa hanjavona miaraka amin'ny vola voaangona nandritra io fampisehoana io....

Maraoka:Mitohy ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Fanovana

Tamin'ny Zoma 8 jiona 2011, nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevi-bahoaka ny vahoaka Maraokana tamin'ny volavolan-dalampanorenana naroson'ny Mpanjaka Mohammed VI. Mampiseho ny fanohanana goavana ny fanovana ny valim-pifidianana ofisialy, izay 98 isan-jato no nisafidy ny ‘Eny’ avokoa. Nitaky ny fametrahana ny fitondram-panjaka parlemantera  ahitana fisaraham-pahefana mangarahara tanteraka ny mpanao fihetsiketsehana ho amin'ny demokrasia. Amin'ny...

Maraoka: Lalam-panorenana Vaovao Tsy Misy Fanovana Betsaka

Nandeha nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevim-bahoaka ny mponina Maraokanina androany  mba hifidy ny lalam-panorenana vaovao natolotry ny Mpanjaka  Mohammed VI. Na dia nankatoavin'ireo mpanadihady marobe sy mpakasitraka ny mpanjaka tokana aza ny fanovana natao,  dia tsy namaly ny hetahetan'ny mpanao politika sy ny mpitolona izay niandrandra demokrasia tena izy, ahitana fisaraham-pahefana sy fiafaran'ny...

Armenia:Mangataka Ny Hanatsaharana Ny Famonoana Ny Alika Mpirenireny Ireo Mafana Fo Mpiaro Biby

  01 Jolay 2011

Fampiasana ireo fitaovam-pifaneraserana ara-tsosialy tsy mbola fahita no notontosan'ireo mafàna fo mpiaro biby any Kaokazy Atsimo andro vitsivitsy lasa izay, tamin'ny fangatahan'izy ireo ny hanatsaharana tsy misy hatak'andro ny famonoana miharo habibiana mianjady ny alika mpirenireny tamin'ny alalan'ny fanesehana fangatahana sy antso tao amin'ny pejy Facebook-n'i Karen Karapetyan ben'ny tanànan'i Yerevan