Iran: Antoko Maitso, Tontolon'ny Demokrasia Sy Ireo Fomba Ratsy Efa Nilaozan'ny Toetr'andro

Roa taona taorian'ny fihetsiketsehana izay nitranga tany Iran, dia tsy nihonona fotsiny tamin'ny anjara toerany amin'ny maha-fandefasan-baovao ny aterineto,  fa koa nanaitra ny fampianarana ny demokrasia avy ao anatin'ireo hetsiky ny fanoherana amin'ny alalan'ny fanaraha-maso sy fandanjalanjana.

Hita taratra fa ny devoly atrehin'ny mpisintaka ao Iran dia tsy ny fanivànana fa ny fahanterana sy ny tsy fahampian'ny famoronana.

Fahasarotan'ny fanehoan-kevitra amin'ny aterineto

Maro ny ohatra amin'ireo lehiben'ny mpanohitra tratry ny fanamby sy voakiana tamin'ny alalan'ny aterineto, ary avy eo nanome fanintsiana na nanao jery todika momba ny toerany man oloana ny vahoaka.

Herinandro vitsy talohan'ny fifidianana tao Iran ny 2009, ny filoham-pirenena teo aloha sady mpandàla fanavaozana, Mohammad Khatami, dia niantso fampihavam-pirenena teo anatrehan'ireo bekotro maro holatry ny adin'i Irana-Iraka. Nanentana ny olom-pirenena rehetra sy ny Mpitondra Faran-tampony mba samy hifamela izy, ary niteraka fanehoan-kevitra mivaivay tao amin'ny aterineto izany, na amin'ny lafiny roa, namana sy fahavalo.

Tsy niandry ela fa, nivoaka pejy Facebook misy lohateny mandranitra hoe “Fifonana ampahibemaso avy amin'ny Mpitondra [Ayatollah Khomeini]” sy ny onjam-panakianana ny fanambaran'i Khatami izay nameno ilay pejy.

Nanaiky ireo fangatahana ihany izy nony farany mba hanao jery todika ny fanambarany tamin'ny andron'ny fifidianana ny volana Jona. Nisintona ny fiantsoana fampihavanana nataony izy ary ho solon'izay dia nanentana ny hanjàna ny zon'ny vahoaka.

Tsy niraisan'ny mpandàla fanavaozana rehetra ny fialàna tahàka izao.

Tamin'ny Jona 2010, nanao fanadihadiana ny fahitalavitra iray ny amin'ny hevitry ny  Antoko Maitso momba an'i Israely sy Palestina, ka pretra reformista fanta-bahoaka, Mohsen Kadivar, no nanao tsilian-tsofina fa manohana ny hevitry ny fitondràna momba an'i Gazà sy Libanona, tamin'ny filazàna fa hoe ireo mpanao fihetsiketsehana dia niantsoantso ny   “Gazà sy  Libanona!” sy ny hoe “manao sorona ny aiko ho an'i Iran aho!”

Nitosaka ny lahatsary tamin'ny aterineto izay samy naneho fa izany filaza izany dia  nifanohitra tamin'izay tena nolazain'ireo mpanao hetsi-panoherana:  “Sady tsy Gazà no tsy Libanona, ho an'Iran irery ihany no anaovako sorona ny aiko !”  Namaly ingahy Kadivar fa nandainga izy, tamin'ny fialàna haingana tamin'ny fiheviny sy fitenenana mazava loatra fa, nisy andian-jatovo niantsoantso teny faneva toy izany; kanefa tsy nankasitraka ny nataon'ireo izy.

Ny “Sady tsy Gazà no tsy Libanona” dia nahitàna akony teo amin'ireo Siriana mpanao fihetsiketsehana koa, izay niantsoantso ny hoe “Sady tsy Iran no tsy Hezbollah” tamin'ny fomba mitovy.

Ireo fomba ratsy efa lany andro

Ny zava-misy mafaitra izao dia ny hoe raha nampiasain'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny fomba niavaka nandritra ireny raharaha 2009 ireny ny tambajotra sosialy sy haino aman-jerim-pirenena, ankehitriny, dia mbola nitovy tsy misy valaka tamin'ny nataon'ireo mpanohitra teo aloha ihany no nataon'ireo Iraniana mafàna fo eo amin'ny sehatry ny aterineto fa tsy mba nisy fanavaozana akory.

Taona vitsy lasa izay, ireo Iraniana mafàna fo dia nampiasa tamin'ny hakingan-tsaina sy fahavitrihana ireo vohikalam-mpifandraisana tandrefana toy ny Facebook, YouTube, WordPress, sy fitaovana hafa fitorahana bilaogy. Namorona vovonàna ho azy manokana ihany koa izy ireo toy ny  Balatarin, izay mampahatsiahy ny Digg sy ny Gooya, izay tonga talohan'ny bilaogy ary teraka ho toy ny karazana pejy mavo ny tontolo politika, izay nitatra tamin'ny fanangonana ireo vaovao sy dinika politika.

Inona no noforonintsika na nalaintsika tàhaka avy amin'ny fanoheran'ny taona 2009 izay nahasarika ny mason'izao tontolo izao sy ny haino aman-jery?  Tsy misy.

Tsapako fa tsy vitan'ny hoe ny teo ihany no teo raha ny fiasan'ny aterinetontsika, fa na ny hetsi-panoherana manontolo aza dia tsy nahatàna ny fahaizany mamorona intsony. Rehefa mijery ny lohahevitra nandritra ny andro vitsy lasa tao amin'ny aterineto dia toa mitsidika indray ny zava-nisy tamin'ny 2009: manoratra teny faneva amin'ireo vola taratasy ; miantsoantso ny ‘Allaho Akbar’ eny ambony tafontrano.

Iray amin'ny antony nahatonga an'izany ny  fisamborana faobe an'ireo Iraniana mafàna fo tato anatin'ny roa taona farany.

Ny fandosiran'ny atidoha

Olana hafa ny toa maha-planeta mipatitaka ny tntolon'ny aterineto izay ilàna dity hampitambatra ireo geeks mba hiverina hiaraka indray. Dity afaka ho tena izy na  an'eritreritra, nefa tokony ho vitan'ny Iraniana samy Iraniana.

Angano?  Angamba. Nefa enga anie mba handeha hihoatra ny fetran'izay vitan-tsika. Izany no mahatonga ny Antoko Maitso hankalaza ny faharoa taona na dia eo aza ny hirifiry.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.