Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina

 

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Ghost Countries mampiseho ny sainam-pirenena ofisialin'i Rosia eo ankavia ary ilay iray hafa manohitra ny ady eo ankavanana.

Matetika ny saina fotsy-manga-fotsy no aseho miharihary amin'ny fihetsiketsehana manohitra an'i Potinina sy amin’ny hetsi-panoherana an-tserasera any ivelan'i Rosia. Inona no dikan'ity saina iray ity raha mihoatra amin'ilay saina ofisialy fotsy-manga-mena?

Fantatra amin'ny teny Rosiana ho бело-сине-белый флаг (na ny saina BSB amin'ny fanafohezan-teny  rosiana hanondroana ny fotsy-manga-fotsy), midika fanoherana ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina izany, na dia nialoha ny zava-nitranga tamin'ny 24 Febroary aza ny tantarany.

Nalaza izy io noho i Kai Kaytonina ilay mpamorona maodely Rosiana  sady mpitantana zavakanto “Feon'ny Trondro” (Звуки Рыб) ary manondro ny Repoblika Novgorod, fanjakana fahagola izay nivoatra tany Rosia Andrefana nanomboka tamin'ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny taonjato faha-15. Izany no ohatra sarotra hita amin'ny demaokrasia voafetra amin'ny tantara Rosiana, ary fanta-daza, araka ny ampianarina ao amin'ny fandaharam-pianarana an-tsekoly.

Ny hevitra ambadiky ny faneva BSB dia ny nanalana ny tsipika mena ambany izay maneho ny rà, ny herisetra na, ho an'ny sasany, ny Komonisma, ary manolotra mari-pamantarana fandriampahalemana sy tsy imperialista ho an'ny Rosiana miampanga ny fanafihan'i Moskoa an'i Okraina, sy maniry ny hanorina fiarahamonina sy fanjakana Rosiana demaokratika tsy manjanaka.

Ara-tantara, nampiasain'ny Tsarista Rosia tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-17 ka hatramin'ny nandrarana azy tao amin'ny Firaisana Sovietika taorian'ny Revolisiona Bolshevik tamin'ny taona 1917 ny saina fotsy-manga-mena, saingy mbola nampiasain'ireo nifindra monina Rosiana izay nandà ny revolisiona. Naverina tamin'ny laoniny ho sainam-pirenen'i Rosia ny loko telo tamin'ny taona 1991.

Anton Litvin, mpikatroka Rosiana monina ao amin'ny Repoblika Tseky no nanao izay nampalaza indrindra ny sainam-pirenena BSB tamin'ny fihetsiketsehana an-dalambe tao Prague. Iray amin'ireo mpiara-manorina ny Komity Manohitra ny Ady ao Prague (Пражский антивоенный комитет) izy ary nilaza tamin'ny Global Voices ny antony maha-zava-dehibe ho an'ny Rosiana monina any ivelany sy manohitra an'i Potinina ny fananan’izy ireo saina manokana:

Не воспринимают, видимо те, кто не выходит в Европе и других странах на акции протеста. Мы же не можем выходить с тем же флагом, который висит над зданиями посольств РФ и над Kремлём.

Ireo [Rosiana] tsy manaiky ny saina BSB dia mazava ho azy fa ireo izay tsy mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana any Eoropa sy any an-kafa. Mazava ho azy fa tsy afaka hanao fihetsiketsehana miaraka amin'ilay sainam-pirenena mihantona eo ambonin'ny tranoben'ny masoivoho Rosiana sy ao Kremlin izahay

Alexey Sidorenko, head of the non-governmental organization Teplitsa that supports civic activism in Russia, shares Litvin's views in an interview with Global Voices:

Mitovy hevitra amin'i Litvin i Alexey Sidorenko, lehiben'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Teplitsa izay manohana ny fikatrohana sivily ao Rosia, tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny Global Voices:

Я в 2014-м году почувствовал просто физическую невозможность выходить в Европе под триколором. Уже с оккупации Донбаса и Крыма российский флаг стал плотно ассоциироваться с империализмом, милитаризмом и насилием. Думаю, что такой запрос разделяли многие. Антон Литвин раньше других начал высказывать идею о необходимости нового флага, но тогда его предложения казались слишком радикальными. В 2022-м, на мой взгляд, многое поменялось.

Tamin'ny taona 2014 [taona nibodoan'i Rosia an'i Crimea] tsapako fa nanjary tsy azo natao ny fanaovana diabe tamin'ny fihetsiketsehana tany Eoropa mitondra ilay saina telo soratra. Hatramin'ny fotoana nibodoana an'i Donbass sy Crimea, nanjary nifandray akaiky tamin'ny imperialisma, ny resaka fanomezam-bahana ny tafika ary ny herisetra ny sainam-pirenena Rosiana. Mino aho fa maro no nanana izany fomba fijery izany. Nanomboka niresaka momba ny tokony hananana sainam-pirenena vaovao talohan'ny rehetra i Anton Litvin, saingy tamin'izany fotoana izany, toa sarotra loatra ny heviny. Niova ny zava-drehetra ny taona 2022, raha ny hevitro.

Nanatsoaka hevitra i Sidorenko fa, raha mahita ny sainam-pirenena BSB ho toy ny fomba tsotra handavana andraikitra ny olona sasany — “nanasa ny rà fotsiny izahay, ka vita ny asanay eto” (“стёрли кровь и все”) – mino izy fa tsy natao hanaovana tsinontsinona ny ra efa nandriaka ny sainam-pirenena vaovao fa kosa mandà ny fandatsahana rà bebe kokoa, na ny fanekena herisetra ho soatoavina ho an'i Rosia.


 

Sary avy amin'i Giovana Fleck.

Mba ahitana vaovao misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantaranay manokana Fanafihan'i Rosia an'i Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.