miora · Jona, 2013

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jona, 2013

Taorian'ny Nanadihadiany Ny Farihy Misy Poizina Nisy Nanafika Tany Rosia Ny Mpitoraka Bilaogy Iray Momba ny Tontolo Iainana

Lasa faritra mampidi-doza ho an'ny hafanam-pon'ny vahoaka ao Rosia ny fiarovana ny tontolo iainana—farafaharatsiny rehefa voakasika ny fandotoana atao'ny indostria. Izany dia satria matetika mifanohitra mivantana amin'ireo tombotsoan'ny fandraharahana isam-paritra, izay matetika mihetsika amin-kerisetra, ireo mafana fo mikasika ny tontolo iainana. Ohatra mivaingana iray: nisy olona tsy fantatra nanafika ary nidaroka mafy ny mpitoraka bilaogy iray mikasika ny tontolo iainana avy any amin'ilay vohitra indostrialy salantsalany any Pervoural ho valifaty tamin'ny fanentanana nataony mikasika ny fako arian'ny mpamokatra krôma iray mankany amin'ny ony Chusovaya.

Tiorkia: Fifandimbiasam-baovao Ara-tsosialy Mikasika Ny Fibodoana An'i Gezi

Ny 10 Aprily 2013, tenifototra iray tao amin'ny tontolon'ny bitsika no nanambara ny #ayagakalk (izay hadika hoe "mitsangàna"). Antso avy aminà vondrona kelin'ireo mahery fò izay miezaka miaro ny kianja Gezi ao Taksim, manohitra ireo drafitra fanorenana tranombarotra goavana- eo amin'ilay faritra. Tsy nisy nihevitra io trangan-javatra kely io hivadika ho fanoherana goavana tao anatin'ny tantara repoblikanan'ny firenena.

Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata

  08 Jona 2013

Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.

Nibitsika Mikasika Ny Adihevitry Ny Parlemanta Mikasika Ny Fanambadiana Ny Praiminisitr'i Kroasia Teo Aloha

Nanapa-kevitra ny hibitsika ao amin'ny kaontiny Twitter ny Talata 28 May hariva teo i Jadranka Kosor, Praiminisitra Kroaty teo aloha sady solombavambahoaka ao amin'ny parlemantan'i Kroasia ankehitriny mba haneho ny tsy fahafaliany mikasika ny adi-hevitra nataon'ny Parlemanta ankehitriny: ny famaritana ny fanambadiana hotovanana ao amin'ny Lalàm-panorenan'i Kroasia. Mitatitra i Danica Radisic