Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata
Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.
Nanomboka efa tany amin'ny taona 2004 ny fifanoherana mikasika ny fitrandrahana bauxite, ary napetraka ny fanentanana iraisam-pirenena iray ho fanoherana ny drafitry ny Vedanta. Nolavin'ny Fitsarana Ambony ny fangatahana napetrak'ilay orinasa hanesorana ny fandraràna mikasika ny fitrandrahana, ary nandidy fa filan-kevitra roa, na gram sabhas, no tsy maintsy mamaly ao anatin'ny telo volana raha tiany na tsia ny hanatanterahana azy.
Monina amin'ny faritra avo amin'ny tendrombohitr'i Niyamgiri ny Dongria Kondh ary manindrahindra ny tendrombohitra sy ny ala ho zava-masina toa Andriamanitra. Ny tendro avo indrindra, izay anisany ao anaty faritra tadiavina hotrandrahana, no fitoeran'ny andriamanitra tompoin'izy ireo ho masina indrindra, Niyam Raja.

Vehivavy sy ankizy Dongria Kondh any Chatikona, ditrikan'i Rayagada. Sarin'i mpampiasa Flickr Rita Willaert (CC BY-NC 2.0)
Ao amin'ilay tranonkalam-baovaon'ny tontolo iainana Down To Earth, Richard Mahapatra dia nanoratra lahatsoratra am-bilaogy iray antsoina hoe My god v. your resource - ny Andriamanitro mifanandrina amin'ny atrikarenanareo:
Moa ve ny filankevitry ny tanàna manana fahefàna hisahana ireo finoana ara-pivavahana? Ao anatin'ny valintenin'ny Fitsarana Avo navoakany vao haingana mikasika ny trangan'i Vedanta no misy ny valiny. Gram Sabhas (filankevitra ahitàna ireo mpifidy rehetra ao an-tanàna) any Rayagada-n'i Odisha sy ny distrikan'i Kalahandi no hanapa-kevitra raha toa ka mandika ny zo feran'ny lalàm-panorenana mikasika ny fahafaha-midera sy mankalaza ananan'ireo foko ny orinasa Vedanta na tsia. Rehefa avadika ho asa mivaingana, ny didy dia midika fa ireo mpifidy avy amin'ny toerana vitsivitsy no hanapa-kevitra amin'ny hoavin'ilay tetikasa fampiasam-bola aminà miliara ropia, miainga amin'ny finoany ara-pivavahana arahan-dry zareo. Amin'ny famerenana fitasìnisàna fa ny finoana dia fiainan'ny tena manokana, ilay didy navoakan'ny tribonaly dia tranga manokana mametraka ny fanapahan-kevitra ara-pinoana ho raharaham-pokonolona.
Nanohy izy hoe:
Misy antony vitsivitsy mahatonga io tranga io ho mahaliana. Voalohany, tranga iray maneho tsara io fa mifandona mivantana amin'ny zo ara-pinoana ananan'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana hatrany ny fahefam-panjakana haka tany hampiasaina ho amin'ny tombontsoam-bahoaka na ny fahefany hanan-jo amin'ireo harena mineraly isankarazany.
Faharoa, ny finoana ara-pivavahana izay foto-dresaka eto dia ny an'ireo vondrom-poko. Tsy toy ny an'ireo finoana maro, ireo finoana ara-pivavahan'ny foko dia miseho amina endrika fiainana mifampiankina amin'ny hita maso toy ny ala, ny tany sy ny rano.
Amin'io tranga io, ny fifanoherana mivantana eo amin'ny finoana ara-pivavahana sy ny tombontsoam-bahoaka dia lasa henjana satria ireo zavatra alaina ho an'ny tombontsan'ny maro dia Andriamanitra ho an'ny mpikambana ao anatin'ny foko.
Ho an'ny Dongria Kondhs any Odisha, ny tendrombohitr'i Niyamgiri no Niyam Raja na andriamanitra. Fahatelo, ireo foko dia tsy mpitarika ambony ara-pivavahana na vondrona hiaro sy handika ny finoany. Ny finoan'ny foko dia fitsipika madiorano tsy misy fangarony mba hitazonana ny tontolo iainana-toekarena marefo izay mamatsy azy ireo.
Eo no mahatonga ny didin'ny fitsarana handidy ireo filankevitry ny tanàna, izay manana fahefana araka ny lalam-panorenana, hitenenany mikasika ireo zo ara-pivavahana, hanaiky fa tsy hitondra vokatra ny fisian'ny lalàna iraisana sy ny fomba fanatonana ara-pinoana an'ireo faritra fehezim-poko.
Naneho hevitra momba ilay didim-pitsarana ila mpandinika ny tontolo iainana Sunita Narain (@sunitanar) :
@sunitanar: Fiarovana tontolo iainan'ny mahantra ny fitsarana ny Vendata. Fandalinana ny làlan'ny demaokrasia hizorana mankany amin'ny firoboroboana maitso. Tsy maintsy arahabaina.
Saingy ny mpanao gazety iray, Prayaag Akbar (@unessentialist), tsy rototra mikasika ny fomba nitaterana ilay didim-pitsarana:
@unessentialist: Tsy hanapa-kevitra ny olo-masin'ny foko, Times of India, ny gram sabha no hanao. Noho izany ajanony ny esoesonareo. Tatitra mampivarahontsana

Tatitra diso momba ny didim-pitsarana ny Vedanta tao amin'ny Times of India. sary nobitsihan'i @unessentialist
Tao amin'ny tranonkala “The Hoot ” fanaraha-maso ireo media, nanoratra i Aritra Bhattacharya hoe:
Ny ankamaroan'ireo tatitra dia tsy nahavita nanipika akory fa ny fitsarana dia, amin'ny lafiny iray, nifidy ny hamilivily ireo fanontaniana izay tena feno fandrika mikasika ireo fandikan-dalàna momba ny tontolo iainana ao anatin'ilay raharaha.
Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo, rehefa nanaiky hanome ny “zo” hanapa-kevitra momba ny hoavin'ny fitrandrahana bauxite ho amin'ny gram sabhas, dia nifidy ny hametraka anjorony ireo ahiahy rehetra mikasika ny tontolo iainana ary nanao zo ara-pivavahan'ny foko Niyamgiri ho andry nijoroan'ny fitsarana.
[…] Ato anatin'ny volana vitsy ho avy, ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eo an-toerana dia tsy maintsy hiatrika izao fanontaniana manaraka izao: ho voatohintohina ve izany ny fahamasinan'ny faritra raha toa ka omena alalàna ny fitrandrahana o anatin'ny 10 km manodidina ny trano fonenany? Habenà faritra toy inona, ary karazana fahazoan-dalàna toy ny inona no ilaina mba hiarovana ireo fanao sy ireo fombam-pivavahako? Ny hita mivandravandra, tsy afaka mahazo valiny mifanaraka amin'ny zava-misy amin'ireo fanontaniana tahaka izany; fa kosa, hifototra amin'ny fomba fahatsapàna ny ho valiny.
Mandeha ny feo fa ny governemantan'i Odisha sy Vedanta ankehitriny dia eo ampanosehana ny fanapahan-kevitry ny sabha gram mba hankany amin'ny fahafahana mitrandraka bauxite. Ny 22 May, famoriana sy fivoriana ny fokonolon'i Dongria Kondh no natao tao Munikhol distrikan'i Rayagada, taorian'ny diabe iray naharitra dimy andro. Nitatitra tao amin'ny CGNet Swara ny mpanao gazety Litu Minj fa tapa-kevitra ny tsy manome alalàna orinasa na iza na iza hitrandraka ny havoanan'i Niyamgiri ireo mponina any.
Ny lahatsary fohy nakarin'i KBKNEWS tao amin'ny YouTube dia mampiseho ireo Dongria Kondh any Niyamgiri mankalaza ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Avo.:
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...