Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan

Image by iXimus from Pixabay .

Sary avy amin'ny iXimus tao amin'ny Pixabay.

Tamin'ny 6 Martsa 2020, nisy ny fanambarana an-gazety avy amin'ny biraon'ny Praiminisitra tao Bhutan fa voamarina ny fisian'ny trangana COVID-19 iray tao Bhutan ny alin'iny tamin'ny 11 ora alina. Avy hatrany ny governemanta dia nandràra mandritra ny 14 andro ny fidiran'ny mpizaha tany iraisam-pirenena rehetra .

Vaovao farany momba ny COVID-19: Nametra ny sidina ho an'ireo mpizahatany rehetra mandritra ny roa herinandro hoavy i Drukair ary manan-kery avy hatrany izany. Nanambara ny zotram-piaramanidina fa hanohy ny famerenam-bola feno ry zareo aorian'ny COVID-19.

- Nandrara ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro i Bhutan “miaraka amin'ny fampiharana izany avy hatrany” taorian'ny fahitana ny trangana coronavirus voalohany.
– Nahemotra afaka 2 herinandro ny fihaonambe iraisam-pirenena sy ny seminera rehetra.
– Nakatona mandritra ny 2 herinandro ny sekoly sy ny ivontoeram-pampianarana any Thimpu, Paro ary Punakha.

Ny tranga COVID-19 voalohany

Araka ny fanambarana an-gazety iray navoaka tao amin'ny pejy Facebook-n'ny biraon'ny Praiminisitra:

The patient is a 76-year-old from the United States of America, who had come to Bhutan as a tourist. He had entered the country from Paro International Airport, after embarking Drukair flight KB241 from Guwahati, India on March 2.

At the Paro International Airport, the patient’s health declaration form was assessed. He had indicated “negative” against all conditions. He did not have a sign of fever.

76 taona ny marary iray ary avy any Etazonia izay mpizaha tany tonga tao Bhutan. Tao amin'ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena tany Paro izy no tonga rehefa niondrana tami'ny sidina Drukair KB241 avy ao Guwahati, India tamin'ny 2 Martsa.

Nodinihina ny filazalazana momba ny fahasalaman'ilay marary tao amin'ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Paro. Nanondro “miiba” amin'ny  fisehon'ny soritr'aretina rehetra taminy izy ary tsy nahitana marika fanaviana ihany koa.

Tamin'ny 2 Martsa, nankany amin'ny toeram-pitsaboana foibe ao amin'ny hopitaly National Referral Hospital (JDWNRH) ilay marary, ny hopitalibe ao Bhutan rehefa tonga tany Thimphu. Nitaraina fa nisalebolebo sy nandoa izy. Tsy tratry ny gripa anefa izy ka nalefa nody niaraka tamin'ny fanafody. Nandeha tany Punakha ilay marary, tanànakely Himalayan, tokony ho 85 km avy ao Thimphu ary nijanona tao amin'ny trano fandraisam-bahiny mihaja iray.

Nankany amin'ny National Referral Hospital indray izy rehefa niverina avy any Thimphu ny 5 Martsa niaraka tamin'ny soritr'aretina gripa ary nozahana. Nanaovana fitilina izy ary nalefa tany amin'ny Royal Center for Disease Control (RCDC) (Foibe Fanaraha-maso ny Soritr'aretina ) ary voamarina fa tratran'ny aretina coronavirus. Natoka-monina ihany koa ireo olona niaraka tamin'ity marary ity, ny mpamily, ny mpitari-dalana, ary ireo mpandeha Indiana miisa valo izay niaraka taminy.

Nilaza ihany koa ny fanambarana an-gazety fa manaraka ny drafi-panomanana sy ny fandraisana an-tànana nasionaly i Bhutan ary ny Mpanjaka Jigme Khesar Namgyel Wangchuk mihitsy no miandraikitra manokana ny fandraisana an-tanana sy ny fampiharana ny paikady. Voalaza fa efa niomana tanteraka hiatrika ny areti-mifindra ny governemanta taloha kelin'izay.

Maherin'ny 90 ireo olona nifandray tamin'ity marary ity hatreto ary efa hitan'ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana.

Ny 6 Martsa, nanambara ny governemanta fa mikatona ireo sekoly sy andrim-panjakana any amin'ny distrikan'i Thimphu, Paro ary Punakha mandritra ny roa herinandro. Nahemotra amin'ny 14 andro manaraka ihany koa ireo fihaonambe iraisam-pirenena sy seminera nokasaina hatao ao amin'ny firenena .

Nampitandrina i Tshering Zang Mo, mpaneho hevitra ao amin'ny Facebook-n'ny biraon'ny Praiminisitra fa mety tsy manana ny fotodrafitrasa ilaina i Bhutan hiatrehana ny fihanaky ny COVID-19:

The airport failed, the government failed and now the people will face the consequences. Bhutan doesn't have advanced medical facilities like in other countries, even the other countries are losing their people at a crazy rate despite having advanced facilities.

Tsy nahomby ny seranam-piaramanidina, tsy nahomby ny governemanta ary hiatrika ny vokatr'izany ny vahoaka ankehitriny. Tsy manana fitaovana ara-pitsaboana manara-penitra toa ny any amin'ny firenen-kafa i Bhutan, namoizana ain'olona maro ireo firenen-kafa na dia eo aza ny fitaovana ara-pitsaboana manara-penitra.

Nilaza ny mpaneho hevitra iray hafa Vick Cash Rai hoe:

Now the question here is, how many people have already been infected???? Our government have been saying that they are well prepared, now let's see their preparation. Poor people of Bhutan will face the consequences because of the government's ignorance.

Ny fanontaniana mipetraka izao dia ny hoe, efa firy ireo olona tratran'ny aretina ???? Efa nilaza ny governemanta fa efa vonona tsara izy ireo, ndao ho jerena ny fahavononan'izy ireo. Hiatrika ny vokatr'izany ny olona mahantra eto Bhutan noho ny tsy firaharahian'ny governemanta.

Naneho hevitra i Sangay Thinley:

Hopefully, isolation and quarantine are well maintained… Doctors and health workers please don't be clumsy while treating them… I salute every health workers dealing the situation right now..stay safe.

Antenaina fa voafehy tsara ny fihibohana sy ny fanokana-monina… Mitandreama tsara ianareo dokotera sy ny mpiasan'ny fahasalamana rehefa mitsabo azy ireo… Midera ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra miatrika ny zava-mitranga aho amin'izao fotoana izao .. Mitandrema hatrany.

Naneho hevitra i Yan Seen Gazmer:

Now our country's GNH is going to fall. We had been posting that both outsiders or Bhutanese Citizen should not become a reason for someone's death. Now, the time has arrived. We the public of Bhutan wrote that not to allow inflow of outsiders for a few months until the case of coronavirus gets settled down.

Now, we have to face anyway.

Ankehitriny, hilatsaka ny GNH (Harim-piadanana Faob) eto amin'ny firenentsika. Navoakantsika ny hafatra fa tsy tokony ho antony hahafaty ny olona iray na ny vahiny na ny olom-pirenena Bhotaney. Ankehitriny, efa tonga ny fotoana. Nanoratra isika mponin'i Bhutan fa tsy tokony havela hiditra ny olona any ivelany mandritra ny volana vitsivitsy mandrapaha-foanan'ny tranga coronavirus.

Manomboka izao, mila miatrika izany isika na inona na inona fitrangany.

Na izany aza, nanontany ny governemanta ireo solontena avy amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny fomba ahafahan'izy ireo manome fanampiana ary nanolotra sakafo sy fitaovana nandritra ny fotoana nanaovana ny fihibohana.

Nangataka ny vahoaka Bhotaney mba ho tony ilay mpanao gazety Namgay Zam:

Best to remain calm at this point. Please don’t hoard hand sanitisers and masks. Our medical professionals and sick people need it more! ??

And wash your hands frequently.

Ny fitoniana no tsara indrindra amin izao fotoana izao. Miangavy anareo mba tsy hanangona ny fanadiovan-tanana sy ny saron-tava. Mbola mila izany kokoa ireo dokotera mpitsabo sy ireo marary antsika!??

Ary sasao matetika ny tananao.

Zahao ny fitantarana manokana ato amin'ny Global Voices momba ny fiantraikan'ny coronavirus tany Wuhan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.