Tantara tamin'ny 13 Oktobra 2016
Mananontanona Ny Fe-potoana Farany Hoan'i Trinidad & Tobago Handaniana Ny Lalàna Amerikàna Momba Ny Hetra Raha ireo Politisiana Kosa ‘Milalao’
"Raha ny marina, lasa mpanome vaovao maimaimpoana ny IRS ny banky rehetra eran'izao tontolo izao."
Nampitandrina Mpanao Gazety sy Mpikatroka Rosiana Am-polony Ny Google Manoloana Ireo Mpijirika Tohanan'ny Fanjakana
Ampolony mahery ireo mpanao gazety sy mpikatroka Rosiana nahazo fampitandremana hafahafa avy amin'ny Google androany vao maraina, mampahafantatra azy ireo fa "ny mpanafika tohanan'ny governemanta" dia mety "hiezaka hangalatra" ny tenimiafin'izy ireo.
Tsindrian'ny Media Sosialy ny Filohan'i Trinidad sy Tobago
Mbola mahazo mpijery marobe hatrany ny lahatsary Facebook-n'i Rhoda Bharath satria manome tsiny ny filoha ity mpaneho hevitra ara-politika ao Trinidad sy Tobago ity.
Jamba, Manambady, ary Misara-panambadiana: Tantaran-Jazavavy Telo Ao India Amin'ny Andro Maoderina
Manamarika ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Zazavavy ny 11 Oktobra, izay manazava ny olana misy fiantraikany eo amin'ny zatovovavy manerana an'izao tontolo izao. Misy tantara vitsivitsy ireto notaterin'ny Video Volunteers, mampiseho ny fomba ataon'ireo ankizivavy ao India rehefa miatrika sy miady amin'ny olana isan-karazany mifandraika amin'ny lahy sy ny vavy.
Nakaton'ny Manampahefana Etiopiana Ny Tolotra Aterineto Finday sy ny Tranonkala Media Sosialy Lehibe
Manahy ireo manaraka akaiky ny toe-draharaha fa mety fanombohan'ny dingana vaovao mampidi-doza izao (fanakatonana ny tolotra aterineto finday) izao taorian'ny herintaonan'ny fihetsiketsehana.
Netizen Report: Mbola Eo Foana Ny Fanakatonana ny Aterineto Ao amin'ny Saikinosy Sinai ao Ejipta
Raha mitohy foana any Avaratr'i Sinai ny fahatapahan'ireo fifandraisana, mieritreritra Aterineto tsy misy vetaveta kosa ny Rosiana ary miatrika fanagadràna ny ao amin'ny fanjakàn'i Kaoety noho ny fanalàny baraka ny emir tao amin'ny Snapchat.