Tantara tamin'ny 17 Septambra 2015
Nipoaka Ny Volkano Goavana Indrindra Tao Japana, Namoaka Sary Tao Amin'ny Instagram Ny Mpizahatany
Nipoaka tampoka ny volokano lehibe indrindra ao Japana tamin'ny Alatsinainy 14 Septembra. Naka ny sarin'izany tao amin'ny Instagram ny mpizahatany.
Mafana indray ny raharaha Kiorda ao Torkia
Toy ny fahatsirovana efa ela dia ela sisa ny fampitsaharan'ady notarihan'ny AKP teo amin'i Torkia sy ireo Kiorda mpiady nifanaovana tamin'ny taona 2012 noho ny firongatry ny herisetra indray.
Japoney Maro No Gaga Fa Vitsy Ny Mpitsoa-ponenana Eken'ny Fireneny Raisina
"Izay rehetra manohana ny demokrasia parlemantera mifototra amin'ny lalàm-panorenana dia tsy tokony hanao tsinontsinona ny zava-tsarotra mahazo ireo mpitsoa-ponenana."
Iràna: Vehivavy Mpikatroka Mafàna Fo Ao Amin'ny Facebook Manazava Amin'ny Antsipirihany Ny Nahazoany Sazy Fito Taona An-Tranomaizina
Nanambara ny iray tamin'ireo valo mpikatroka mafàna fo tao amin'ny Facebook, izay namoahana sazy tamin'ny 2013 hifonja mandritry ny taona maro noho ny fanehoankevitra sosialy sy politika tao amin'ny pejiny Facebook, fa nandritry ny fotoana nitazonana azy dia nolavina ny hahazoany mifandray aminà mpisolovava, ary nalaina am-bavany momba ny fiainany manokana sy nampangaina taminà heloka tsy nataony velively izy.
Nampandoavin'ny fitsarana rosiana noho ny ‘famakiana hafatr'olona manokana’ ao amin'ny Gmail ny Google
Resin'ny mpampianatra akademika iray ao Yekaterinburg lahatra ny fitsaranan'ny tanànan'i Moskoa ny amin'ny ampandoavana onitra 50 000 robla ($765) an'i Google noho ny 'fanitsakitsahana ny mahatsiambaratelo ny taratasy ifandraisan'olona' amin'ny alalan'ny fampiasana doka an'aterineto mahita lasibatra.